Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fiara Mamonjy Aina

Fiara Mamonjy Aina

Fiara Mamonjy Aina

● Nihetsi-jaza tampoka ny vehivavy iray, raha mbola teo am-pihainoana lahateny ara-baiboly tao amin’ny efitrano lehibe iray. Tsy nisy natahorana anefa satria efa nisy fiara mpitondra marary tsy lavitra teo. Vetivety dia tonga tany amin’ny hopitaly izy sy ny vadiny. Teraka vavikely mahafatifaty izy.

Tena miasa mafy ny fiara mpitondra marary, any amin’ny tany maro. Mpamily mahay no mitondra an’ilay fiara. Miaraka amin’ny dokotera sy mpitsabo mpanampy efa tsara ofana izy. * Ampy fitaovana izy ireo, ary hainy tsara izay tokony hatao rehefa misy lozam-pifamoivoizana, na olona tratran’ny aretim-po, tapaka lalan-dra, na mihetsi-jaza. Haingam-piasa ireny mpamonjy voina ireny, ka olona an’arivony isan-taona no voavonjiny.

Nisy baomba nipoaka tao amin’ny lamasinina efatra, tany Madrid, Espaina, tamin’ny 2004. Soa ihany fa kinga sy tena nahay ireo mpamonjy voina, ka olona 400 teo ho eo no voavonjy. Hoy ny Dr. Ervigio Torres, lehiben’ny sampam-pitsaboana vonjy taitra any Madrid: “Ny loza toy ireny no tena mahaliana ny mpanao gazety. Tsy amin’ny fotoana toy ireny ihany anefa izahay no mahavonjy olona, fa isan’andro, eny an-dalana rehetra eny. Misy olona efa tsy antenaina intsony, nefa avotra soa aman-tsara ihany. Izany no tena tianay amin’ny asanay.”

Nanontaniana ny Dr. Torres hoe inona no azon’ny olon-kafa atao mba hanamorana ny asan’izy ireo. Hoy izy: “Tokony haverimberina amin’ny olona fa mila miantso anay ry zareo rehefa ilaina izany.” Hoy koa izy: “Miezaka ny ho tonga haingana izahay raha vao maharay antso na amin’ny firy na amin’ny firy, ary mamonjy an’ilay marary na aiza na aiza misy azy.” Folo minitra monja mazàna dia efa tonga ny mpamonjy voina, any amin’ny tanàn-dehibe sasany.

Sahirana anefa ny fiara mpitondra marary any amin’ny tanàna be fiara loatra, toa an’i São Paulo, Brezila, ka mpitsabo mandeha môtô no alefa mialoha any amin’ny toerana misy loza. Manao izay azony atao izy ireo mandra-pahatongan’ny fiara mpitondra marary. Ahitana an’izany koa any Londres (Angletera) sy Kuala Lumpur (Malezia) ary Miami (Etazonia).

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Tsy maintsy hain’ilay mpamily ny mampiasa ireo fitaovam-pitsaboana ao amin’ilay fiara. Tokony ho hainy tsara koa ny mitondra an’ilay fiara, arakarak’izay marary entiny.

[Efajoro/Sary, pejy 11]

INONA NO AZONAO ANAMPIANA?

Ireto misy zavatra azonao atao mba hanamorana ny asan’ny mpamonjy voina:

1. Antsoy avy hatrany ny hopitaly akaiky anao indrindra, na ireto nomerao ireto raha eto Antananarivo ianao: 22 200 40 na ny 18.

2. Farito tsara hoe aiza ilay toerana.

3. Lazao ny zavatra hitanao. Ohatra: Mbola miaina ve ilay olona? Mahatsiaro saina ve izy? Mandeha ra ve izy?

4. Raha voa mafy ilay olona, dia aza etsehina sao vao mainka hampidi-doza azy izany.

5. Raha mandoa izy, dia ampatorio mihorirana mba tsy ho sempotra.