Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fiaramanidina Misy Maotera

Fiaramanidina Misy Maotera

Fiaramanidina Misy Maotera

EFA hatramin’ny an-jatony taona ny olona no te hanidina. Tsy mahavita mampanidina ny vatany anefa ny hozany. Namorona maotera mandeha amin’ny etona, izay mahavita manodina zavatra, i James Watt tamin’ny 1781. Avy tamin’io no nahavitan’i Nikolaus Otto maotera mandeha amin’ny solika, tamin’ny 1876. Efa vonona àry ny maotera. Iza anefa no ho afaka hanamboatra fiaramanidina?

Fony mbola nilalao papangohazo i Wilbur sy Orville Wright, dia efa te hanidina. Nianatra namoron-javatra izy ireo, tatỳ aoriana, ary nanamboatra bisikileta. Takany fa tsy mora ny mamorona fiaramanidina azo fehezina. Mitovy amin’ny bisikileta tsy azo entina mantsy ny fiaramanidina tsy azo fehezina. Nandinika ny voromailala i Wilbur, ary nahita fa mihorirana izy ireny rehefa hihodina, toy ny ataon’ny mpitaingina bisikileta ihany. Voamariny fa afaka mihodina sy tsy mianjera ny vorona, rehefa mamoritra ny tendron’ny elany. Tapa-kevitra àry izy fa hamorona elatra afaka miforitra.

Nahavita fiaramanidina manana elatra afaka miforitra i Wilbur sy Orville, tamin’ny 1900. Nalefany toy ny papangohazo izy io tamin’ny voalohany, ary avy eo nitaingenany na dia tsy nisy maotera aza. Hitany fa nila familiana telo ilay izy, mba ho afaka hiaka-midina sy hihilangilana ary hiankavia miankavanana. Nampalahelo anefa fa tsy tena afaka nampanidina azy io ny elany. Nanorina efitra manokana fitsofan-drivotra àry izy ireo, mba hamantarana izay tokony ho habe sy endriky ny elatra. Nanandrana imbetsaka ry zareo vao nahavita elatra mety. Nanamboatra fiaramanidina afaka nanidina tsara ry Wright, tamin’ny 1902. Hahavita hanisy maotera amin’izy io ve izy ireo?

Izy ireo ihany no nanamboatra an’ilay maotera. Efa ampy traikefa avy tamin’ilay efitra fitsofan-drivotra izy ireo, ka afaka nanamboatra helisy na dia sarotra aza izany. Novelomina ilay maotera tamin’ny 17 Desambra 1903, nihodina ireo helisy, ary niainga ilay fiaramanidina. Hoy i Orville: “Tanteraka ilay fanirianay tamin’ny mbola kely. Nahay nanidina izahay.” Lasa nalaza izy mirahalahy. Ahoana anefa no nahavitany an’izany? Tena nanampy azy ireo ny zavaboary.

[Sary, pejy 4]

Fiaramanidina “Flyer”, Caroline Avaratra, Etazonia, 1903 (tsy tena ilay sary tany am-boalohany)