Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitaovana Manamora ny Dia

Fitaovana Manamora ny Dia

Fitaovana Manamora ny Dia

SAROTRA ny mahita lalana rehefa mandalo tanàna tsy mahazatra. Ahoana àry no ahafantaran’ny mpanamory sambo ny lalan-kalehany? Tsy ampy ny manana famantaranavaratra. Tokony ho fantany koa hoe aiza ho aiza izy raha mitaha amin’ny toerana halehany. Vita teo anelanelan’ny 1730 sy 1740 ny famantaranandron-tsambo sy ny fitaovana fijerena ny haavon’ny masoandro sy ny kintana. Ireo no nanampy ny mpanamory hamantatra ny toerana nisy azy sy hamaritra ny lalana hizorany. Nila nanao kajy nandritra ny ora maro anefa izy ireo.

Mampiasa fitaovana mifandray amin’ny zanabolana (GPS) izao ny olona any amin’ny tany maro, rehefa manao dia. Ampidiriny ao fotsiny ny anaran’ny toerana halehany, dia mipoitra eo amin’ny efijerin’ilay izy hoe aiza ho aiza ilay olona. Mitarika azy any amin’ilay toerana izy io avy eo. Ahoana no fomba fiasan’izy io?

Miantehitra amin’ny zanabolana 30 eo ho eo ny fitaovana toy ireny. Mandefa famantarana manoro ny toerana misy azy avy ireo zanabolana, ary manome ora marina tsara. Rehefa naharay famantarana avy amin’ny zanabolana vitsivitsy ilay fitaovana, dia kajiny ny elanelan’ny fotoana niaingan’ilay famantarana sy ny fotoana ahatongavany any aminy. Afaka milaza ny toerana misy ny olona iray ilay fitaovana, noho io fanazavana io. Eritrereto ange ny hasarotr’ilay kajy e! Kajiny ao anatin’ny segondra vitsivitsy ny elanelan’ny toerana misy azy sy ny an’ny zanabolana telo. Any amin’ny an’arivony kilaometatra any ambony any anefa no misy azy ireo. Samy hafa koa ny lalana izorany, ary samy manana hafainganam-pandeha an-kilaometatra isan-tsegondra izy ireo.

Namorona ny GPS ny Profesora Bradford Parkinson sy Ivan Getting, taoriana kelin’ny 1960. Natao hampiasain’ny tafika izy io tamin’izany. Navela hampiasain’ny olon-tsotra izy io, tatỳ aoriana, ary tena lasa fampiasa tamin’ny 1996. Anisan’ny miavaka amin’ny fitaovana elektronika ampiasaina ankehitriny ny GPS. Tsy io anefa no fitaovana voalohany manampy ny zavaboary hahita lalana.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 8]

Bolantany: Based on NASA photo