Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Zavaboary?

Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Zavaboary?

Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Zavaboary?

“Maro be tokoa ny zava-bitanao, Jehovah ô! Tamim-pahendrena no nanaovanao azy rehetra.” —Salamo 104:24.

MARO no milaza fa ny “natiora” na zavaboary ihany no mamorona ny bikabikan’ny zavamananaina. Milaza toy izao, ohatra, ny gazety Amerikanina Siantifika, tamin’ny Martsa 2003: “Maro ny zavatra mandrakotra ny vatana noforonin’ny natiora, fa ny volom-borona no be karazany sy saro-pantarina indrindra.” Na dia mety hihevitra aza ny mpanoratra azy io fa hery fotsiny ny natiora, dia nolazainy koa fa ‘namorona’ ny volom-borona izy io. Afaka mamorona ve ny hery?

Milaza ny rakibolana iray fa ny hoe “mamorona” dia midika hoe “mandamina (zavatra), ary misy tanjona tiana hotratrarina ao an-tsaina.” Zavatra manan-tsaina ihany àry no afaka mamorona. Manana anarana ny Mpamorona ny zavaboary. Tsy iza izany fa i Jehovah. Izy irery no “Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo” sy “namorona ny zava-drehetra.”—Salamo 83:18; Apokalypsy 4:11.

Inona no ianarantsika avy amin’ny zavaboary? Ny lehibe indrindra amin’izany, dia ny momba an’i Jehovah sy ireo toetrany mahatalanjona, toy ny fahendrena. “Ny toetrany tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy, dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony.” (Romanina 1:20) Porofoin’ny zavaboary fa ambony noho ny antsika ny fahendren’Andriamanitra. Tsara kokoa noho ny vitantsika ny zavatra noforoniny. Tsy midika ve izany fa afaka manoro hevitra kokoa noho ny mpanolo-tsaina olombelona izy?

Tsy hita ao amin’ny “bokin’ny natiora” ny torohevitra avy amin’Andriamanitra, fa ao amin’ny Teniny, dia ny Baiboly. Ahoana no hevitrao? Te hifandray amintsika ve ilay Mpamorona ny sofina sy ny vava? Azon’ny saina ekena izany. Hoy ny Baiboly: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.”—2 Timoty 3:16.

Raha mahaliana anao ny mianatra momba an’ireo olona namoron-javatra fahiny, dia ho hitanao fa mbola hahaliana kokoa ny mianatra momba ny Mpamorona. Mety ho tianao, ohatra, ny hahalala ny valin’ny fanontaniana toy ny hoe: Nahoana isika no mijaly sy maty? Izao ve no fikasan’Andriamanitra? Raha tsia, nahoana izy no mamela ny fijaliana hisy?

Efa miana-javatra avy amin’i Jehovah ny mpahay siansa, na manaiky izany izy ireo na tsia. Afaka miana-javatra betsaka avy amin’ny Mpamorona koa ianao. Azonao fantarina, ohatra, hoe: Ahoana no hampaharitra ny fanambadiana? Ahoana no hahombiazana amin’ny fitaizana? Inona no fikasan’Andriamanitra momba ny tany? Ary koa lafin-javatra maro, izay hanatsara ny fiainanao. Afaka manampy anao handray soa feno avy amin’ny Tenin’Andriamanitra ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.