Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza no Tena Namorona?

Iza no Tena Namorona?

Iza no Tena Namorona?

NY PROFESORA Martin Cooper no nampiseho ny telefaonina entin-tanana voalohany, tamin’ny 1973. Nisy pila sy radio ary kojakoja kely fahita ao amin’ny ordinatera (microprocesseur) izy io. Nivanàka ny mponin’i New York nahita an’i Cooper nitelefaonina teny an-dalana. Efa namorona ny pila anefa i Alessandro Volta, tamin’ny 1800. Noforonina tamin’ny 1876 ny telefaonina tsotra, ny radio kosa tamin’ny 1895, ary ny ordinatera tamin’ny 1946. Tamin’ny 1971 no noforonina ilay kojakoja kely amin’ny ordinatera, izay nahafahana nanamboatra finday. Tena zava-baovao ve anefa ny fifandraisana amin’ny alalan’ny fitaovana be pitsiny?

Matetika no tsy tsapanao akory fa ny feonao dia efa fitaovam-pifandraisana. Ampahany amin’ny atidoha no mibaiko ny fihetsika. Misy an’arivony tapitrisa ny selan-kozatra ao amin’izy io, ary ny antsasany mahery amin’ireo no mibaiko ny taovam-pitenenana. Hozatra 100 eo ho eo no miasa mba hampihetsika ny lela, molotra, saoka, tenda, ary ny tratra.

Anisan’ny fitaovam-pifandraisana koa ny sofina. Avadiny ho onja elektrika ny feo ary raisin’ny atidoha. Fakafakain’ny atidoha ireo feo, ka fantatrao hoe iza no miteny. Tsy ampy antsasa-tsegondra alohan’ny andrenesan’ny sofina iray no andrenesan’ny sofina ilany. Afaka manavaka an’izany tsara ny atidoha ka fantatrao hoe avy aiza ilay feo. Anisan’ireo lafin-javatra ahafahanao mihaino olona iray miteny ireo, na dia maro aza no miresaka.

Tsy vao izao àry no nisy ny fifampiresahana amin’ny alalan’ny onjam-peo (misy fomba amantarana ny olona miantso, toy ny amin’ny finday). Eo amin’ny zavaboary no ahitana an’izany voalohany.

[Kisary/Sary, pejy 3]

(Jereo ny gazety)

1800

Pila

1876

Telefaonina

1971

Kojakoja kely amin’ny ordinatera

1973

Namorona ny finday ny Pr. Martin Cooper

[Sary nahazoan-dalana]

Pr. Cooper sy ny finday: © Mark Berry

[Sary, pejy 2]

Ankavanana amin’ny pejy 2, avy eo aloha mankany aoriana, tsy tena ireo sary tany am-boalohany: Guglielmo Marconi sy ny radiony; Thomas Edison sy ny ampola; Granville Woods, anisan’ny namorona ny fitaovam-pifandraisana; Wright mirahalahy sy ny fiaramanidina Flyer 1903