Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandray Vonona ny Bibikely

Mandray Vonona ny Bibikely

Mandray Vonona ny Bibikely

● Tia sakafo be kalôria sy mora hanina ny bibikely. Eny amin’ny voninkazo no tena ahitany an’izany. Misarika azy ireo tokoa ny voninkazo amin’ireo lokony marevaka. Rehefa mankeo àry ireny bibikely ireny, dia afaka mankafy ny vovobony na ny mamimbony.

Kamokamo ny bibikely amin’ny maraina, rehefa avy niaritra hatsiaka nandritra ny alina. Mila masoandro àry izy mba hanatanjaka azy. Afaka manome fahafaham-po azy ireo ny voninkazo maro, satria ahitana sakafo mahavelona sy toerana ahafahana mitanina andro. Andeha isika hijery ohatra iray.

Fahita any Eoropa sy Amerika Avaratra ny marigirity fotsy. Tsy voninkazo miavaka angamba izy io. Maro anefa ny zavatra ho hitanao raha maka fotoana handinihana azy io ianao. Tena tsara ho an’ny bibikely ny marigirity fotsy, satria manome hery hiatrehany ny androny. Mamerina ny hafanana avy amin’ny masoandro ny felany fotsy, ka afaka mankafy izany ireo bibikely, eo amin’ilay faritra vony eo afovoany. *

Tsy ny hainandro ihany anefa no ankafizin’ny bibikely eo, fa ny vovobony sy ny mamimbony koa. Sakafo tian’ny bibikely maro izy ireo. Izany ilay hoe ny kibo voky ny hafanana azo! Aiza indray izy no hahita hoatr’izany?

Bibikely isan-karazany àry no miriaria eny ambony marigirity eny mandritra ny andro. Mety ho tazanao eny ny voangory, lolo mareva-doko, valala, ary lalitra isan-karazany. Tsy hahita izany anefa ianao raha tsy mandinika tsara.

Raha mankany ambanivohitra any àry ianao amin’ny manaraka, dia mba diniho ny zava-mitranga eny ambony marigirity eny. Hankasitraka kokoa an’ilay Mpamorona nanao azy rehetra ireo ianao amin’izay.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Hitan’ny mpahay siansa fa mafana kokoa ny eo amin’ny voninkazo sasany noho ny eny amin’ny manodidina.