Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mbola Ilaintsika ve ny Baiboly Manontolo?

Mbola Ilaintsika ve ny Baiboly Manontolo?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Mbola Ilaintsika ve ny Baiboly Manontolo?

“Zara raha ilain’ny olona ankehitriny ny Baiboly. Hitadiavana ny valin’ny kilalaon-tsaina amin’ny tele sy gazety fotsiny no ilana azy.”

“Tamin’ny fotoana nanoratana azy no tena nilaina ireo fanazavan’ny Baiboly momba ny tetirazana sy ny fitondran-tena ary ny tahotra an’Andriamanitra, fa tsy amin’izao Taonjato Faha-21 izao.”

“Mbola tsy natao pirinty akory ny Baiboly dia efa lany andro.”

I ZANY no nolazain’ny olona sasany, tamin’ilay dinidinika tao amin’ny Internet hoe “Lany andro sy tsy ilaina ve ny Baiboly?” Ahoana no fahitanao an’ireo hevitra ireo? Ekenao ve izy ireo?

Tsy hitovy hevitra amin’izany angamba ianao ka hoe handa tanteraka ny Baiboly. Mety hisalasala ihany anefa ianao raha ilaina ny Baiboly manontolo. Mizara roa rahateo ny Baiboly ampiasaina any amin’ny ankamaroan’ny fivavahana, dia ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Toy ny hoe efa lany andro na tranainy be àry ny antsasany mahery amin’ny Baiboly.

Tsy misy manao intsony ireo sorona voalazan’ny Lalàn’i Mosesy. Nahoana àry no notehirizina ao amin’ny bokin’ny Levitikosy ny tsipiriany rehetra momba ny sorona? (Levitikosy 1:1–7:38) Ary ahoana ny amin’ireo toko voalohandohany ao amin’ny Tantara Voalohany, izay ahitana tetirazana lava be? (1 Tantara 1:1–9:44) Inona no ilantsika an’io lisitra io, raha tsy hanampy antsika hahita ny razambentsika akory?

Aoka hatao hoe maka paoma avy eo amin’ny hazo iray ianao. Tsy ilainao intsony ve ilay hazo rehefa azonao ilay paoma? Mbola mila azy io ianao raha te hahazo paoma hafa. Azo oharina amin’io hazo io ny Baiboly. Mety ho hitanao hoe mora azo sy tena “matsiro” ny ampahany aminy, toy ny Salamo na ny Toriteny teo An-tendrombohitra, ka ankafizinao. Midika ve anefa izany hoe tokony tsy hiraharaha ny ampahany hafa amin’ny Baiboly ianao? Inona no lazain’ny Baiboly momba izany?

Nanoratra fanindroany ho an’i Timoty ny apostoly Paoly, tamin’ny taona 65 tany ho any, ary nampahatsiahy azy hoe: “Mbola zazakely ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay nampahahendry anao ho amin’ny famonjena, amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy Jesosy.” Hoy izy avy eo: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana.” (2 Timoty 3:15, 16) Ny Testamenta Vaovao fotsiny ve no tian’i Paoly holazaina rehefa nilaza izy hoe “ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa”?

Mariho fa “mbola zazakely” i Timoty dia efa nahalala “ny Soratra Masina.” Raha marina ny filazan’ny olona hoe efa 30 taona mahery i Timoty rehefa nosoratana io taratasy io, dia mbola zaza izy tamin’ny fotoana nahafatesan’i Jesosy. Mbola tsy nisy ny Soratra Grika, na ny Testamenta Vaovao, tamin’izany. Jiosy ny renin’i Timoty, ka tsy maintsy ho ny Soratra Hebreo, na ny Testamenta Taloha, ilay Soratra Masina nampianariny azy tamin’izy mbola kely. (Asan’ny Apostoly 16:1) Azo inoana àry fa ny Testamenta Taloha manontolo, izay ahitana tetirazana sy lalàna momba ny fisoronana, no tian’i Paoly holazaina amin’ny hoe “Soratra Masina iray manontolo.”

Efa 1 900 taona mahery izay no lasa, nefa mbola mandray soa maro avy amin’ireny ampahany amin’ny Baiboly ireny isika. Tsy ho nanana ny Baiboly isika raha tsy nisy vahoaka nofidin’Andriamanitra mba hanoratra sy hiaro azy io. (Romanina 3:1, 2) Tsy vakoka masina notehirizin’ny Israelita ho an’ny taranany fara aman-dimby fotsiny ny Lalàn’i Mosesy, fa lalàna nifehy an’ilay firenena mihitsy. Tena nilain’izy ireo mba hahavelomany sy hampilamina ny fiaraha-monina ireo tsipiriany amin’ny Lalàna, izay toa tsy ilaintsika ankehitriny. Nilaina mba hamantarana ny Mesia koa ilay tetirazana ao amin’ny Baiboly. Voalaza mantsy fa taranak’i Davida Mpanjaka ny Mesia.—2 Samoela 7:12, 13; Lioka 1:32; 3:23-31.

Tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy ny Kristianina, nefa mila mino an’i Jesosy Kristy, ilay Mesia nambara mialoha. Porofoin’ny tetirazana voatahiry ao amin’ny Baiboly fa i Jesosy tokoa ilay “zanak’i Davida” nampanantenaina. Rehefa mazava amintsika ireo tsipiriany momba ny fisoronana, dia vao mainka isika hankasitraka an’ilay sorona lehibe kokoa nataon’i Jesosy, ka hino fa tena sarobidy izy io.—Hebreo 9:11, 12.

Hoy i Paoly tamin’ny fiangonana kristianina tany Roma, tamin’ny taonjato voalohany: “Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny alalan’ny fiaretantsika sy ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.” (Romanina 15:4) Mampahatsiahy antsika izany fa nosoratana mba hahasoa antsika ny Baiboly. Tsy isika ihany anefa no mandray soa avy amin’izy io. Nandritra ny 3 500 taona mahery, dia nitarika sy nampianatra ary nanitsy ny vahoakan’Andriamanitra izy io, na ireo tany an-tany efitr’i Sinay, na ireo tao amin’ny Tany Nampanantenaina, na ireo babo tany Babylona, na ireo niaina tamin’ny fotoana nitondran’ny Romanina, ary na ny vahoakany eran-tany ankehitriny aza. Tsy misy boky afaka mitaha amin’ny Baiboly. Tsy miharihary avy hatrany ny hasarobidin’ny ampahany sasany aminy, toy ny fakan’ilay hazo paoma. Ilaina angamba ny mihady kely mba hahitana an’izany. Tsy ho very maina anefa ny ezaka hataonao!

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

● Hafiriana no efa nahalalan’i Timoty “ny Soratra Masina”?—2 Timoty 3:15.

● Ampahany inona amin’ny Baiboly no avy amin’ny herin’ny fanahy masina sy mahasoa?—2 Timoty 3:16.

● Ahoana no handraisantsika soa avy amin’izay “rehetra voasoratra taloha”?—Romanina 15:4.

[Sary, pejy 29]

Vao mainka isika hankasitraka ny soron’i Jesosy rehefa mazava amintsika ireo tsipirian-javatra ao amin’ny Baiboly