Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mbola Ivavahana ny Bibilava Hatramin’izao

Mbola Ivavahana ny Bibilava Hatramin’izao

Mbola Ivavahana ny Bibilava Hatramin’izao

NIVAVAKA tamin’ny bibilava ny Ejipsianina sy ny mponin’i Kreta fahiny. Nisy Israelita koa nanao sorona ho an’ny bibilava varahina sy nanolotra emboka manitra tamin’ny sarina “biby mandady.”—Ezekiela 8:10-12; 2 Mpanjaka 18:4.

Tena tia nivavaka tamin’ny bibilava koa ny olona tany Meksika fahiny. I Itzamna, ohatra, no andriamanitra lehibe indrindran’ny foko maya. Nataon’izy ireo sarina bibilava izy io indraindray. Mivavaka amin’i Quetzalcóatl ny foko toltec. Sarina “bibilava feno volom-borona” izy io, ary andriamanitry ny fianarana sy ny kolontsaina ary ny filozofia. Nivavaka tamin’io koa ny foko azteky, satria nino fa izy io no nahary ny olombelona sady andriamanitry ny fianarana. Lazaina fa mahay zavatra maro io andriamanitra io. Hoy ny gazety meksikanina iray: “Noheverina fa mahavita zavatra maro mihoatra noho ny andriamani-kafa ilay bibilava feno volom-borona.”

Efa ela ny olona tany Amerika Afovoany sy ny faritra atsimon’i Amerika Avaratra no nanompo an’ilay bibilava feno volom-borona. Mbola mino an’io andriamanitra io ny foko cora sy huichol any Meksika hatramin’izao. Fenoin’izy ireo volom-borona, ohatra, ny tenany amin’ny andro fety sasany, ary mandihindihy izy sady manao fihetsika bibilava. Mandihy miaraka amin’ny bibilava velona kosa ny foko quiché satria mino fa mahatonga ny vehivavy hanan-janaka izany. Mivavaka amin’ny sarina bibilava feno volom-borona koa ny foko chorti, any Goatemalà. Lazain’izy ireo fa sarina olo-masina katolika izy io.

Ahoana no fiheveran’ilay nahary ny olona sy ny biby ny fivavahana amin’ny bibilava?

Ny fiheveran’Andriamanitra

Hoy i Jehovah Andriamanitra tamin’ny Israely fahiny: “Aza manao sary sokitra ho anao, na bikabikan-javatra mitovy amin’izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any anaty rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehan’ireny, na manaiky ho voatarika hanompo azy.”—Eksodosy 20:4, 5.

Noraran’i Jehovah tsy hivavaka amin’ny sarim-biby ny vahoakany, anisan’izany ny sarim-bibilava. Tsy tokony hivavaka amin’ny bibilava àry isika raha te hampifaly azy. Nahoana no halan’Andriamanitra ny fanompoan-tsampy, toy ny fivavahana amin’ny bibilava? Tsotra ny antony: Izy no nanome aina ny olona sy ny bibilava ary ny zavamananaina hafa rehetra. Izy àry no tokony hivavahana fa tsy ny asan’ny tanany.

Aoka hatao hoe nanorina trano ho an’ny fianakaviana maromaro ny olona iray. Ahoana raha ilay trano indray no isaoran’izy ireo sy derainy fa tsy ilay olona? Hadalana izany sady hahatezitra an’ilay olona nalala-tanana. Tezitra koa àry Andriamanitra raha ny biby noforoniny indray no ivavahantsika.

Tokony hanaraka an’ity tenin’ny apostoly Jaona ity àry izay te hampifaly an’Andriamanitra: “Ry zanako malalako, mitandrema ianareo amin’ny sampy.”—1 Jaona 5:21.

[Efajoro/Sary, pejy 23]

MANDRAY BIBILAVA AO AM-PIANGONANA

● Mandray bibilava misy poizina ny olona ao amin’ny fivavahana sasany mpanao fahagagana, any amin’ny faritra atsimoatsinanan’i Etazonia. Ahantony eo amin’ny tendany, ohatra, ilay izy. Misy koa mitazona bibilava maromaro indray miaraka. Taitra anefa ireo bibilava indraindray ka manaikitra. Efa maromaro ny mpivavaka maty vokatr’izany.

Milaza ireo mpivavaka ireo fa mankatò ny Marka 16:17, 18, manao hoe: “Handray bibilava [izy ireo].” Marina fa hita ao amin’ny Fandikan-teny Protestanta sy ny Fandikan-teny Katolika ary ny hafa ireo andininy ireo. Misy fanamarihana anefa ao amin’ny Dikan-teny Iombonana eto Madagasikara sy Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao fa tsy hita ao amin’ny ankamaroan’ireo Baiboly sora-tanana tranainy izy ireo.

Tsy mampianatra ny Baiboly hoe asain’Andriamanitra mandray bibilava ny mpivavaka aminy. Hoy mantsy ny Baiboly: “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Tia antsika Andriamanitra ka tsy hanery antsika hanao zavatra mampidi-doza mba hampifaliana azy. Sa tsy izany? Nanasa antsika i Jesosy Zanany hoe: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mavesatra entana, fa hamelombelona anareo aho.” (Matio 11:28, 29) Mety hanaintaina na harary na ho faty mihitsy ny olona rehefa mandray bibilava, ka voakaikitra. Azo antoka àry fa tsy hampanao antsika zavatra toy izany mihitsy i Jehovah sy Jesosy!

[Sary nahazoan-dalana]

REUTERS/Tami Chappell

[Sary, pejy 22]

Lohana bibilava feno volom-borona ao amin’ny tempolin’ny Azteky

[Sary, pejy 22]

Quetzalcóatl, andriamanitry ny Toltec

[Sary nahazoan-dalana, pejy 22]

Ambony: REUTERS/Tami Chappell; ambany: © Leonardo Díaz Romero/age fotostock