Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nalaina Tahaka ny Zavaboary

Nalaina Tahaka ny Zavaboary

Nalaina Tahaka ny Zavaboary

“Mba anontanio ... ny voro-manidina eny amin’ny lanitra, dia hilaza aminao izy. ... Ny tanan’i Jehovah no nanao izany.”—Joba 12:7-9.

TENA natao hanidina ny vorona. Natao hahazaka ny vatany, ohatra, ny tahoben’ny volon’elany rehefa manidina izy. Maivana be ny elany nefa tena matanjaka. Ahoana no mahatonga izany? Ho hitanao izany raha didianao ny tahobeny. Toy ny spaonjy ny ao anatiny ary marokoroko ny ivelany. Nalain’ny injeniera tahaka izany rehefa nanamboatra fiaramanidina izy ireo.

Mahavariana koa ny fomba nanaovana ny taolan’ny vorona. Poakaty ny ankamaroany. Misy karazana bara misampantsampana manatanjaka azy kosa ao anatin’ny taolana sasany. Mahaliana fa natao toy izany ny elatry ny sambon-danitra.

Mampiakatra na mampidina ampahany amin’ny elatra sy ny rambon’ny fiaramanidina ny mpanamory, mba tsy hampihilangilana azy io. Ary ny vorona? Hozatra 48 eo ho eo no ampiasainy amin’ny elany iray sy ny sorony iray, mba hanovaovana ny paozin’ny elany sy ny fihetsehany. Manao izany imbetsaka izy ao anatin’ny iray segondra. Tsy mahagaga raha mitsiriritra ny fahaizan’ny vorona manidina ny mpanamboatra fiaramanidina!

Mandany angovo be ny fanidinana, indrindra fa amin’ny fiaingana. Mila “maotera” matanjaka be àry ny vorona. Ngeza kokoa sy mitepo haingana kokoa noho ny an’ny biby mampinono mitovy habe aminy ny fon’ny vorona. Hafa mihitsy koa ny fiasan’ny havokavony fa tsy toy ny an’ny biby mampinono.

Manao ahoana ny zava-bitan’ny “maoteran’ny vorona”? Tsy tody any amin’izay halehany ny fiaramanidina raha tsy ampy ny solika ao anatiny. Solika avokoa ny ampahatelon’ny lanjan’ny fiaramanidina Boeing 747, rehefa hanao dia mandritra ny adiny folo izy io. Efa ho ny antsasaky ny lanjan’ny tsibotrotsy, vorona mpifindra monina, koa no very rehefa manidina mandritra ny adiny folo izy. Tavy ny antsasany mahery amin’ny lanjan’ny vorona mitovitovy amin’ny koikoika, rehefa hanao dia avy any Alaska hatrany Nouvelle-Zélande izy. Mahavariana fa mahavita manidina mandritra ny 190 ora eo ho eo (valo andro) tsy an-kiato izy io. Tsy misy fiaramanidina mahavita izany!