Nalaina Tahaka ny Zavaboary
Nalaina Tahaka ny Zavaboary
“Na ny vanobe eny amin’ny lanitra aza mahalala tsara ny fotoana voatondro.”—Jeremia 8:7.
NIRESAKA momba ny vanobe mpifindra monina i Jeremia, 2 500 taona mahery lasa izay. Mbola mahavariana ny olona foana ny biby mpifindra monina. Eo, ohatra, ny trondro salmôna. Mandeha an’arivony kilaometatra any an-dranomasina izy, mba hiverenana any amin’ilay renirano nisy azy tamin’izy foy. Eo koa ny soka-dranomasina fano valozoro. Nanatody tany Indonezia ny iray taminy, nefa nahavita 20 000 kilaometatra hatrany amin’ny morontsirak’i Oregon any Etazonia. Miverina any amin’ilay toerana nanatodizany ireny fano ireny matetika, rehefa hanatody indray.
Mahita ny lalana mody ny zavaboary sasany. Mbola miavaka noho ny fahaizan’ny biby mpifindra monina izany. Naka vorona lohovava 18 tao amin’ny nosy kely iray teo afovoan’ny Oseana Pasifika, ohatra, ny mpandinika. Nentiny tamin’ny fiaramanidina tany amin’ny an’arivony kilaometatra avy teo izy ireo. Ny sasany nateriny tany amin’ny morontsiraka andrefana, ny hafa tany atsinanana. Tafody ny ankamaroany tao anatin’ny herinandro vitsivitsy.
Nisy voromailala nentina tany amin’ny toerana tsy nahazatra azy, tany amin’ny 150 kilaometatra. Notoranina izy ireo, na natao tao anaty daba kely nihodinkodina. Afaka namantatra ny toerana nisy azy anefa izy ireo, rehefa nisidintsidina kely teo, ary tafody soa aman-tsara. Mahita lalana koa ny voromailala, na dia ampanaovina solomaso mainty be aza. Mino àry ny mpikaroka fa misy famantaranavaratra ao anatin’ny vorona, ka fantany hoe aiza ho aiza amin’ny toerana tokony hodiany no misy azy.
Mankany amin’ny toerana kely iray any Meksika ny lolo mpanjaka avy any amin’ny faritra iray midadasika any Amerika Avaratra. Lalana arivo kilaometatra mahery no andehanany. Matetika izy ireo no mipetraka eo amin’ireo hazo nipetrahan’ny dadan’ny dadabeny ihany, na dia mbola tsy tany Meksika aza. Mbola tsy azon’ny mpikaroka foana ny ahaizan’izy ireo an’izany.
Miantehitra tanteraka amin’ny zanabolana ireo fitaovana mpitari-dalana ampiasaintsika. Toa mampiasa fomba samihafa anefa ny biby maro, mba hahavitana izany. Mandinika ny vohon-tany sy ny masoandro, ohatra, izy ireo, na mamantatra ny herin’ny sahan’andriamby, fofona miavaka, ary na ny feo aza. Hoy ny Pr. James Gould: ‘Iankinan’ny ain’ny biby sasany ny fahafantarana ny lalan-kalehany, rehefa manao dia izy. Tena miavaka ny fomba nanamboarana an’ireny biby ireny. Mampiasa fomba maro azo isafidianana izy ireny, mazàna. Izay manome fanazavana azo ianteherana indrindra amin’izany no arahiny.’ Mbola tsy azon’ny mpandinika foana ny ahaizan’ny biby mahita ny lalan-kalehany rehefa manao dia.