Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanome ny Ainy ho An’ny Maro i Jesosy

Nanome ny Ainy ho An’ny Maro i Jesosy

Nanome ny Ainy ho An’ny Maro i Jesosy

Nilaza tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy Kristy, fa tsy tonga teto an-tany “mba hotompoina izy fa mba hanompo, ka hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.” (Matio 20:28) Vonona hamoy ny ainy izy, mba hahasoa ny hafa.

Ahoana no nanomezan’i Jesosy vidim-panavotana tamin’ny alalan’ny fahafatesany? Nahoana izany no nilaina? Nanome ny ainy ho an’iza izy? Inona no soa ho azonao avy amin’ny fahafatesany?

Manasa anao amim-pitiavana ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hiara-mivory aminy ary handinika ny valin’ireo fanontaniana ireo amin’ny alalan’ny Soratra Masina. Amin’ity taona ity, ny daty nahafatesan’i Jesosy dia mifanitsy amin’ny talata 30 Martsa, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Hovaliana amin’io andro io ireo fanontaniana etsy ambony.

Afaka manatrika izany any amin’ny Efitrano Fanjakana akaiky anao indrindra ianao. Anontanio an’ireo Vavolombelon’i Jehovah eny aminareo ny fotoana sy ny toerana hanaovana azy io.