Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Televiziona

Televiziona

Televiziona

RAHA vao nahita fomba hampitana feo ny manam-pahaizana, dia efa nanontany tena raha azo atao koa ny mampita sary mihetsika. Tsy mora izany raha jerena ny fiasan’ny televiziona ankehitriny.

Maka sary ny kamerà, ary mampita izany amin’ny fitaovana “mamaky” azy, toy ny fomba amakianao soratra. Teboka miloko maromaro, izay mitambatambatra ho sary, anefa no vakiny. Avadiny ho famantarana elektronika izany, ary ampitainy amin’ny fitaovana iray hafa. Io no mandray an’ilay famantarana sy mamadika izany ho sary mihetsika.

Ilay Ekosey atao hoe John Baird no nampiseho ny fomba fiasan’ny tele voalohany. Injeniera momba ny herinaratra izy nefa voatery niala tamin’ny asany fa tsy salama. Nifantoka tamin’ny zavatra nahaliana azy hatramin’ny fahatanorany àry izy, dia ny hanamboatra fitaovana afaka mampita sary mihetsika.

Nahitana kapila nisy lavaka 30 teo ho eo ny kameràn’i Baird. Miolikolika ny filaharan’ireo lavaka ireo. Namaky sary maromaro mifandimby izy ireo rehefa nihodina ilay kapila. Navelany hipaka tao amin’ny fitaovana elektronika antsoina hoe maso elektrika koa ny hazavana avy amin’ireo sary. Namokatra famantarana elektronika ilay maso, ary nampita izany tao amin’ny fitaovana iray hafa. Io indray no nanatsara an’ilay famantarana mba hanome hazavana miovaova ao ambadiky ny kapila iray hafa, ka namerina an’ireo sary. Ny fomba hampifanarahana an’ireo kapila roa anefa no sarotra. Nifofotra tamin’ilay tetikasa i Baird, ary ny fiborosiana kiraro no fidiram-bolany.

Tamin’ny 2 Oktobra 1925 i Baird no nandefa sary tamin’ny tele voalohany. Tao amin’ny efitra mifanolotra amin’ny tafon’ny tranony izy no nandefa izany. Ankizilahy mpiasa birao niasa tao ambany rihana no niseho tele voalohany. Nomena vola roa shilling sy sasany izy mba halaina sary, ary natahotra be. Nandefa sary tany ampitan’ny Ranomasina Atlantika i Baird, tamin’ny 1928. Tonga tany New York izy, tatỳ aoriana, ary menatra rehefa noraisina tamin’ny fomba nanetriketrika. Lasa nalaza i Baird. Izy ve anefa no nampita sary mihetsika voalohany?