Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

“Ny olona mifady sigara, mampiasa vatana, misotro toaka araka ny antonony, ary mihinana voankazo na legioma indimy na mihoatra isan’andro, dia manan-tombo 14 taona eo ho eo ny andro iainany, raha oharina amin’ny olon-kafa.” Izany no hita avy tamin’ny fandinihana natao tamin’ny olona 20 000, nandritra ny 11 taona.—UC BERKELEY WELLNESS LETTER, ETAZONIA.

“Ny famakian-teny no mampitony indrindra. ... Vakiteny enina minitra monja dia efa mampihena be ny adin-tsaina.”—INDIA TODAY INTERNATIONAL, INDE.

“Kilalao” Ariana

Hoy ny New York Times: “Miharatsy ny toe-karena [any Etazonia] ka lasa betsaka ny sambo nariana.” Kikisan’ny tompony ny anaran’ny sambony indraindray, esoriny ny nomerao, ary avelany eo ilay sambo na alentiny, satria te haka vola fiantohana izy. Milaza ny anton’izany ny Times. Hoy izy io: “Mitovy amin’ny tompon-trano tsy mahaloa ny vidin’ny tranony ny sasany [amin’ireny tompon-tsambo ireny]. Tsy tiany intsony ny handoa vola be amin’ny zavatra tsy tena sarobidy, nefa tsy maintsy manao izany izy ireo.” Nantsoin’ilay gazety hoe “kilalao miharatsy sy mandany vola” ireny sambo ireny. Lazainy koa fa “tsy afaka mivarotra azy ireny ny tompony satria efa be dia be ny olona mivarotra [sambo] efa niasa. An-jatony dolara isam-bolana ny fikarakarana azy ireny, ary an’arivony dolara no ilaina raha te hanara-dalàna rehefa tsy hampiasa azy intsony. Tsy manana an’izany vola izany anefa ireo tompon-tsambo.”

Sahirana Amin’ny Bikany ny Ankizikely

Milaza ny Sunday Telegraph any Sydney fa vao efa-taona ny ankizy dia efa “miezaka manamboatra ny bikany mba hifanaraka amin’izay heverin’ny fiaraha-monina fa filamatra.” Nisy fandinihana natao momba ny fanatanjahan-tena ataon’ny ankizy mbola tsy mianatra sy ny zavatra hohaniny, ka hita fa manahy momba ny bikany izy ireo: Ny ankizivavy te hahia, ary ny ankizilahy te ho be hozatra. Nilaza ny mpanao an’ilay fandinihana fa “tsy afa-po amin’ny bikany matetika ny reny, ary toa manahaka an’izany fiheverany izany ny zanany.”

Ankizy Mividy Zavatra ao Amin’ny Internet

Hoy ny Daily Telegraph any Londres: “Ny ampahadimin’ny ankizy [any Royaume-Uni] no mividy zavatra ao amin’ny Internet nefa tsy nahazo alalana tamin’ny ray aman-dreniny. Mampiasa ny karatra fitrosan’ny ray aman-dreniny ny antsasak’izy ireo.” Fantatry ny ankizy maro ny tenimiafin’ny ray aman-dreniny sy ny adiresy fividianany zavatra ao amin’ny Internet, ka tsy sarotra aminy ny mamantatra ny nomeraon’ny karatra fitrosan’ny ray aman-dreniny. Vitsy ny ray aman-dreny mieritreritra hoe afaka mividy zavatra ao amin’ny Internet ny zanany nefa tsy nahazo alalana taminy. Milaza ilay tatitra fa “mampahatahotra” ny hoe “hafa” ny zavatra heverin’ny ray aman-dreny ho fantatry ny zanany sy ny tena fantatr’izy ireo. Mety hahatonga ny ray aman-dreny ho lasa toy ny mpisoloky izany. Izao àry ny torohevitra ho an’ny ray aman-dreny: “Aza ajanona ao amin’ny Internet ny mombamomba ny karatra fitrosanareo”, tranonkala azo antoka ihany ampiasaina, ary “hidio ny kaontinareo ao amin’ilay tranonkala rehefa vita izay ataonareo.”