Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andao Hijery Rajako!

Andao Hijery Rajako!

Andao Hijery Rajako!

NITSIDIKA ala matevina tany afovoan’i Afrika izahay, ary nanaraka lalan-kely. Zara raha nisy hazavana tao nefa zatra ihany ny masonay. Maro ny zavatra nahavariana anay. Naneno tsy an-kijanona, ohatra, ny angely. Nahita hazo nijoalajoala koa izahay, ary nisy nahatratra 55 metatra. Feno vahy nandady teny amin’izy ireo. Efa tsy andrinay ny hahita izay hitranga any aloha any. Maizimaizina ny manodidina anay, ka lasa mailomailo sy nitsaitsaika izahay. Injay nisy feo nanao hoe “ooooo” sy nisefosefo be. Nihaniakatra ihany ilay feo, ka lasa nankarenin-tsofina, ary nijanona tampoka nony farany. Hay andiana rajako ilay izy! Vita hatreo ilay dia an-tongotra nandreraka, satria hitanay ihany ilay zavatra efa nandrandrainay.

Hay fomba fifampiresahan’ny rajako na fiantsoany namana ilay feo renay. Fanaony koa ny mikiakiaka, na mikapokapoka vatan-kazo. Toa falifaly be ireo rajako hitanay! Fa inona no nitranga? Nisy aviavy vokatra be tao, ka izany angamba no nahamaika an-dry zareo hiantso ny namany. Rajako 20 na 30 teo ho eo no hitanay teny amin’ireo sampana aviavy misandrahaka, ary nisonanina erỳ izy ireo nankafy ny voany. Mangilohilo ny volony tarafin’ny masoandro. Nanomboka nanipy rantsankazo tetỳ aminay ny rajako iray. Tsy ela dia nitoraka daholo izy rehetra. Te hilaza taminay izy ireo hoe tsy natao hozaraina ilay sakafo.

Mora hita ny rajako rehefa vokatra ny voankazo. Sarotra tadiavina kosa izy ireo amin’ny fotoana hafa, satria miparitaka any anaty kirihitra sady vitsivitsy no miaraka. Mikarenjy amin’ny toerana midadasika izy ireo, ary mihinan-kanina foana mandritra ny andro. Voankazo, ravinkazo, voan-javamaniry, ary rantsankazo no sakafony. Mihinana vitsika sy atodim-borona ary vitsikazo koa izy ireo. Mihaza biby kely kokoa noho izy ny rajako indraindray, anisan’izany ny gidro.

Mihamafana eny ambony hazo, rehefa manakaiky ny mitataovovonana. Nidina avy teny ny iray tamin’ireo rajako, ary tsy ela dia nanaraka daholo ny ambiny. Lasa tsirairay nankany anaty kirihitra matevina any izy rehetra. Nisy rajako kely pelipelika niverin-dalana, ary nitsambikimbikina teny ambony hazo mba hijery anay. Tia sangisangy sy te hahafanta-javatra ilay izy, ka nihomehy izahay nijery azy.

Mahavariana ny vatany

Hoy ny iray taminay rehefa hody izahay: “Jereo ange io aoriana io e!” Nisy rajako nitsiritsirika anay, avy tao ambadiky ny hazo iray. Nitsangana izy ary iray metatra teo ho eo ny halavany. Raha vao niherika izahay dia niafina izy, nefa nitsirika indray avy eo. Biby tia jerijery anie izany e! Afaka mitsangana tokoa ny rajako, ary afaka mandeha toy ny olona mihitsy aza saingy tsy lasa lavitra. Mampiasa ny tongony efatra izy amin’ny ankapobeny. Henjana be mantsy ny hazondamosiny fa tsy toy ny an’ny olombelona, ka tsy afaka mitsangana ela be izy. Tsy tena matanjaka koa ny hozany avy ao aoriana. Lava sy matanjaka kokoa ny tanany raha oharina amin’ny tongony. Hita avy amin’izany fa natao handeha tongotra efatra sy hianikanika ary hisavilivily eny ambony hazo ny rajako.

Tena ilainy koa ireo tanany lava be mba hanakarana voankazo, rehefa tsy mahazaka azy ilay hazo misy azy io. Mety tsara ny nanamboarana ny tanany sy ny tongony, ka afaka mamikitra tsara amin’ny sampan-kazo izy. Mihataka kely amin’ny rantsantongony hafa ny ankiben-tongony, ka mora aminy ny mianika hazo. Afaka maka sy mitondra zavatra amin’ny tongotra mihitsy aza izy. Tena ilainy izany fahaizany izany, rehefa hanamboatra toerana hatoriana izy amin’ny hariva. Minitra vitsy monja no amoretany sy anapahany ravinkazo sy sampan-kazo, dia efa mahavita fandriana malemilemy sy ahazoana aina izy.

Mahaliana tokoa ny rajako any an’ala, noho izy mitovitovy bika sy fihetsika amin’ny olombelona. Ny manao fanandramana amin’izy ireny fotsiny anefa no mahaliana ny olona sasany, mba hanaporofoany fa avy amin’ny rajako ny olombelona. Mipetraka àry ny fanontaniana hoe: Mitovy amin’ny rajako tokoa ve ny olona? Nahoana ny olona no lazaina fa natao “araka ny endrik’Andriamanitra”, nefa ny biby tsy mba toy izany?—Genesisy 1:27.

Fitsidihana tsy hay hadinoina

Kaodikaody ny rajako any an’ala, ka tonga dia mandositra raha vao mahita olona. Natao anefa izay hahatonga ny sasany aminy ho zatra olona. Arovana any amin’ny toerana manokana mantsy izy ireny, mba tsy ho lany tamingana.

Tsy hohadinoinay mihitsy iny fitsidihana iray iny. Nanampy anay hahafantatra tsara ny rajako izy iny. Tena hafa noho ny fahita any amin’ny toeram-pijerem-biby na laboratoara izy ireo. Mahavariana tokoa ny rajako, ary anisan’ireo ‘biby mandady sy bibidia eny ambonin’ny tany’, izay hitan’Andriamanitra fa tsara. (Genesisy 1:24, 25) Nataony hiaina any an’ala mihitsy izy ireo.

[Efajoro/Sary, pejy 14, 15]

NY RAJAKO SY NY OLONA

Nandinika ny rajako ilay manam-pahaizana atao hoe Jane Goodall, teo anelanelan’ny 1960 sy 1970. Hitany fa “mahay manamboatra fitaovana” izy ireo. Nisy vokany teo amin’ny mpahay siansa maro izany, araka ny tenin’i Jane ao amin’ilay bokiny hoe Tsy Mahatoraka An-dRaolombelona (anglisy). Nanjary “hitan’izy ireo fa mila asongadina kokoa hoe inona no tena mampiavaka ny olombelona amin’ny biby.” Mahavariana, ohatra, fa ampiasain’ny rajako hamafana na hanadiovana zavatra ny ravinkazo. Mamaky voan-javatra amin’ny vato na hazo koa izy ireo. Ankoatra izany, dia esoriny ny ravina eo amin’ny rantsankazo, ary iny rantsana iny no isokirany vitsikazo ao anaty votry. Hita koa tato ho ato, fa tsy ny rajako ihany no biby mahay manamboatra fitaovana. Hoy ny Pr. T. Barber tao amin’ny boky iray: “Mahavariana fa mahafantatra zavatra sasany momba ny tenany, sady mahay mamoron-javatra izay biby rehetra efa nodinihina, anisan’izany ny rajako, feso, vitsika, ary tantely.”

Na izany aza, dia mbola miavaka foana ny olombelona. Hoy ny Profesora David Premack: “Tsy manan-tsahala ny fitsipi-pitenenan’ny olombelona sy ny firafitry ny fehezanteniny.” Tena tsy mitovy amin’ny biby mihitsy isika, satria be pitsiny ny fitenintsika. Manana kolontsaina isan-karazany koa isika, ary ampiasaina be amin’izany ny teny.

Nanoratra toy izao i Jane Goodall, rehefa avy nandinika ny rajako an-taonany maro: “Mbola tsy nahita rajako niraiki-po tamin’ny namany mihitsy aho. Tsy mba manambitamby, na miaro, na mandefitra, na mitia toy ny olona izy ireo.” Hoy koa izy: “Mahafantatra ny momba ny tenany ny olona. Tsy izay ihany fa fantariny koa ny antony namoronana azy, ireo zava-mahatalanjona eto an-tany, ary izao rehetra izao mihitsy.”

Milaza ny Baiboly fa namorona ny olona “araka ny endriny Andriamanitra.” (Genesisy 1:27) Tsy toy ny biby àry izy ireo, fa afaka manana ny toetran’Andriamanitra, ka ny fitiavana no lehibe indrindra amin’izany. Afaka miana-javatra be dia be koa ny olona, ary mahavita zavatra tsy ho vitan’ny biby mihitsy. Natao hahay hisafidy koa izy ireo, fa tsy baikoin’ny fahaizana voajanahary toy ny biby fotsiny.

[Sary, pejy 15]

Natao hiaina any an’ala ny rajako. Tia sangisangy sy te hahafanta-javatra koa izy ireo

[Sary nahazoan-dalana]

Rajako, ambony havanana: Corbis/Punchstock/Getty Images; ambany havia sy havanana: SuperStock RF/SuperStock; Jane Goodall: © Martin Engelmann/age fotostock

[Sary nahazoan-dalana, pejy 13]

© Photononstop/SuperStock