Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hifankatia Kokoa ve Izahay Raha Manao Firaisana?

Hifankatia Kokoa ve Izahay Raha Manao Firaisana?

Manontany ny Tanora Hoe...

Hifankatia Kokoa ve Izahay Raha Manao Firaisana?

Vao roa volana izay no niarahan’i Heather tamin’i Mike, nefa hoatran’ny hoe efa fantany hatramin’izay izy. Mifandefa hafatra amin’ny telefaonina foana ry zareo ary mifampiantso ela be. Mitovy mihitsy ny zavatra eritreretiny, ka mifanaraka tsara ny resak’izy ireo. Ao anaty fiara anefa izy roa izao, ary diavolana ny andro. Tsy resaka intsony no tadiavin’i Mike fa zavatra hafa.

Tsy nanao zavatra tafahoatra i Heather sy Mike nandritra ireo roa volana niarahany, fa nifampitantana sy nifanoroka kely fotsiny. Tsy te ho lasa lavitra i Heather. Tsy tiany ho votsotra koa anefa i Mike. Mahatsapa ho tsara tarehy sy tena miavaka izy rehefa miaraka aminy. Mieritreritra koa izy hoe: ‘Sady izahay sy Mike ange mifankatia e!’

AZONAO an-tsaina angamba ny niafaran’io zava-nitranga io. Mety tsy ho azonao an-tsaina kosa hoe tena nanimba ny fiainan’i Mike sy Heather ny nanaovan’izy ireo firaisana. Eritrereto izao:

Ho voa mafy ianao raha tsy miraharaha ny lalàna fizika, toy ny hery misinton’ny tany. Ho voa mafy koa ianao raha tsy miraharaha ny lalàna momba ny fitondran-tena, toy ilay hoe: ‘Fadio ny fijangajangana.’ * (1 Tesalonianina 4:3) Inona no ho vokany raha tsy mankatò izany isika? Hoy ny Baiboly: ‘Ny mpijangajanga manota amin’ny vatany ihany.’ (1 Korintianina 6:18) Ahoana izany? Hahita loza izay manao firaisana alohan’ny fanambadiana. Afaka mitanisa telo amin’izany loza izany ve ianao? Soraty eto izany.

1. ․․․․․

2. ․․․․․

3. ․․․․․

Jereo izao ny valin-teninao. Anisan’ny notanisainao ve ny aretina azo avy amin’ny firaisana, fananana anaka tsy nirina, na tsy fahazoana sitraka amin’Andriamanitra? Tena idiran-doza tokoa izay mandika ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fijangajangana.

Mety ho mbola halaim-panahy ihany anefa ianao. Hilaza angamba ianao hoe: ‘Izaho indray dia tsy ho tratran’izany!’ Tsy ny rehetra tokoa ve moa no manao firaisana? Mirehareha erỳ ny mpiara-mianatra aminao mitantara hoe nanao firaisana, nefa toa tsy maninona akory ry zareo. Toa an’i Heather, dia mety hihevitra mihitsy ianao fa hifankatia kokoa ianao sy ny olon-tianao raha manao firaisana. Tsy ho tianao koa ny hihomehezan’ny hafa satria hoe mbola tsy nanao firaisana ianao.

Aza maika anefa! Voalohany aloha, tsy ny rehetra no manao izany. Marina fa maro be ny tanora manao firaisana, araka ny asehon’ny antontan’isa. Asehon’ny fandinihana iray tany Amerika, ohatra, fa tanora 2 isaky ny 3 no mpanao firaisana, raha mbola tsy nahavita ny fianarany teny amin’ny lise akory. Midika koa anefa izany fa tanora 1 isaky ny 3 no tsy manao firaisana, ary betsaka ihany izany. Ahoana indray ny amin’ireo manao firaisana? Hitan’ny mpikaroka fa maro amin’izy ireny no tonga saina tampoka ka:

Voalohany: KIVY BE. Milaza ny ankamaroan’ny tanora nanao firaisana alohan’ny fanambadiana fa manenina izy ireo.

Faharoa: MIFAMPIAHIAHY. Samy mieritreritra izy roa rehefa avy nanao firaisana hoe: ‘Iza koa no efa nanaovany firaisana?’

Fahatelo: MORA MIVADIKA. Matetika ny ankizilahy no te hisaraka amin’ny ankizivavy nanaovany firaisana. Mitady olon-kafa indray izy avy eo.

Fahefatra: DISO FANANTENANA. Any am-pony any, dia aleon’ny ankizivavy ihany olona miaro azy, toy izay olona nanararaotra azy.

Eritrereto koa izao: Ankizilahy maro no milaza fa tsy hanambady ankizivavy efa nanaovany firaisana mihitsy. Nahoana? Satria aleony ankizivavy mbola tsy nanao firaisana!

Mahagaga anao ve izany na mahatezitra anao mihitsy aza? Tadidio àry izao, na ankizivavy ianao na ankizilahy: Hafa tanteraka amin’izay asehon’ny filma sy tele ny tena manjo ny olona manao firaisana alohan’ny fanambadiana. Asehon’ny haino aman-jery ho toa tsara sy mahafinaritra ny fanaovan’ny tanora firaisana, ary izany, hono, no tena fitiavana. Aza manaiky ambakaina anefa! Tsy mitady afa-tsy izay hahasoa ny tenany ny olona mampirisika anao hanao firaisana alohan’ny fanambadiana. (1 Korintianina 13:4, 5) Hanimba ny vatanao sy ny fihetseham-ponao tokoa ve ny olona tena tia anao? (Ohabolana 5:3, 4) Hanimba ny fifandraisanao amin’Andriamanitra ve ny olona tena mitady izay hahasoa anao?—Hebreo 13:4.

Raha ny marina, dia manala baraka ny tenanao ianao rehefa manaiky hanao firaisana alohan’ny fanambadiana, satria misy zava-tsarobidy afoinao. (Romanina 1:24) Tsy mahagaga raha kivy sy mahatsapa ho tsy misy vidiny ireo nanao izany. Toy ny hoe nisy zava-tsarobidy tamin’ny vatany navelany hangalarin’olona. Aza manaiky ho tratran’izany! Raha misy manambitamby anao hoe: “Hanaiky hanao firaisana amiko ianao raha tia ahy”, dia valio mazava hoe: “Tsy hangataka izany amiko ianao raha tia ahy.”

Tena sarobidy ny vatanao ka tsy tokony hosimbana tsy amin’antony. Asehoy fa vitanao ny mankatò ilay didin’Andriamanitra hoe fadio ny fijangajangana. Ho afaka hanao firaisana ianao rehefa hanambady, indray andro any, ary hankafy izany tanteraka. Amin’izay ianao dia tsy hatahotra na hanenina na hiahiahy toa an’ireo nanao firaisana alohan’ny fanambadiana.—Ohabolana 7:22, 23; 1 Korintianina 7:3.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Tsy ny fanaovana firaisana ihany no tafiditra amin’ilay hoe “fijangajangana”, fa eo koa ny zavatra hafa ifanaovan’ny olon-droa tsy mpivady, toy ny fanafosafoana ny filahiana na fivaviana, fanaovana firaisana amin’ny vava na amin’ny lava-pitombenana. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2, pejy 42-47.

ERITRERETO IZAO:

● Nahoana ianao no tsy tokony hanao firaisana alohan’ny fanambadiana, na dia toa manintona ny nofo mpanota aza izany?

● Inona no hataonao raha misy mitarika anao hanao firaisana?

[Efajoro/Sary, pejy 27]

NY HEVITRY NY TANORA TOA ANAO

“Mbola hisisika ihany ilay olona na dia mandà aza ianao. Ny fomba famalianao no mila jerena. Ho hita foana hoe misalasala ianao, raha mandà tsy sazoka. Tokony ho hentitra ianao!”

“Na mandà fotsiny ianao, na efa manazava ny zavatra inoanao mihitsy, dia mbola mety tsy ho ampy ihany izany. Izaho mahafantatra olona mirehareha hoe nahavita nitarika Kristianina ‘haloto fitondran-tena.’ Mila miala fotsiny ianao indraindray. Sarotra izany nefa mandaitra.”

“Kristianina ianao ka manana toetra tsara mahatonga anao ho tian’ny olona. Mila mailo sy mandà àry ianao rehefa asain’ny olona haloto fitondran-tena. Aza miova amin’ny maha ianao anao.”

[Sary]

Diana

James

Joshua

[Efajoro, pejy 28]

AOKA IANAO HO REHAREHANY!

Raha misy ankizivavy iarahanao, tena mitady izay hahasoa azy ve ianao? Asehoy azy àry fa . . .

vitanao ny mitandrina ny lalàn’Andriamanitra

hendry ianao ka manalavitra fakam-panahy

tia azy ianao ka miahy izay hahasoa azy

Raha manao an’ireo ianao, dia azo antoka fa hitovy amin’izay tsapan’ilay Solemita no ho tsapan’ilay ankizivavy. Hoy izy io: “Ahy ny malalako, ary azy aho.” (Tononkiran’i Solomona 2:16) Ho reharehany tokoa ianao!

Jereo ny Ohabolana 22:3; 1 Korintianina 6:18; 13:4-8.

[Efajoro, pejy 28]

SOSO-KEVITRA

Izao no tokony hatao rehefa mifandray amin’ny ankizilahy na ankizivavy: Aza atao izay zavatra tsy tianao ho hitan’ny ray aman-dreninao.

[Sary, pejy 28]

Fanaovana tsinontsinona ny fanomezan’Andriamanitra ny fanaovana firaisana alohan’ny fanambadiana. Toy ny hoe ataonao famafana tongotra ny sary hoso-doko tsara tarehy nomena anao