Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Isan-karazany ny Zavamiaina ao Amin’ny Alan’i Amazonia

Isan-karazany ny Zavamiaina ao Amin’ny Alan’i Amazonia

Isan-karazany ny Zavamiaina ao Amin’ny Alan’i Amazonia

MISY ala maitso mavana manomboka eo am-pototry ny Tendrombohitra Andes, ary miantsinanana 3 700 kilaometatra mamakivaky an’i Amerika Atsimo. Ny Ranomasimbe Atlantika manopy manga no mifanila aminy.

Mandrakotra ny antsasa-manilan’i Peroa ny ampahan’io ala mikitroka io. Vitsy ny Perovianina monina ao amin’io ala misy hazo mahatratra 35 metatra io, nefa feno biby sy zavamaniry ao. Heverina ho anisan’ny ala be zavamiaina indrindra eran-tany ny alan’i Amazonia. Misy karazana lolo 3 000 mahery manidintsidina etsy sy eroa. Mampideradera ny felany tsara tarehy eny koa ireo karazana orkide 4 000 eo ho eo. Miafina eny amin’ny rantsankazo sy eny amin’ny tany ireo karazam-bibilava 90 mahery. Mifanaretsaka any anaty rano sy renirano koa ireo karazan-trondro 2 500 eo ho eo, anisan’izany ny piranha sy ny amalona misy herinaratra.

Ny Reniranon’i Amazone no lehibe indrindra amin’ireo renirano any. Rehefa mahatratra 2,5 na 3 metatra ny haavon’ny rotsakorana, dia miakatra ilay renirano sy ireo sakelidranony 1 100 eo ho eo, ka difotra ny fanambanin’ny ala any amin’ny toerana sasany, isan-taona. Mifangaro ny hafanana sy ny hamandoana, ka mahazo aina erỳ ny zavamaniry. Mahagaga fa maniry tsara eo amin’ny tanimanga ireo zavamaniry ireo, nefa ny tanimanga tsy mety hambolena firy satria tsy mamokatra.

Nisy mponina tao fahiny

Iza no haniry hipetraka amin’ny toerana toy izany? Mihevitra ny arkeology fa fahiny dia nisy mponina an-tapitrisany teo amin’ilay faritra misy ny Reniranon’i Amazone ankehitriny. Heverina fa misy mponina 300 000 eo ho eo izao ao amin’ny alan’i Amazonia ao Peroa, ary mizarazara ho foko 40 mahery izy ireo. Heverina koa fa saika tsy mifandray amin’ny olona atỳ ivelany ny 14 amin’ireo foko ireo. Nifandray vetivety tamin’ny olona “mandroso” izy ireo nefa te hanalavitra azy ireo, avy eo, ka lasa nipetraka tany amin’ny faritra anatiny indrindra amin’ilay ala.

Oviana ireo mponina ireo no nanomboka nipetraka tao, ary avy aiza izy ireo? Mihevitra ny manam-pahaizana fa ireo avy any avaratra no tonga voalohany, taonjato maro Talohan’i Kristy. Avy any Karaiba ny Jivaro. (Tapahin’izy ireo ny lohan’ny fahavalony efa maty, ary hakeleziny avy eo.) Avy any Venezoelà kosa ny Arawak. Toa avy any Brezila, any atsinanana, kosa ny sasany ary avy any Paragoay, any atsimo, ny hafa.

Toa nipetraka teo amin’ny faritra voafaritra tsara ny tsirairay tamin’ireo foko ireo rehefa tonga, ary nihaza sy nanangom-bokatra. Misy asidra ilay tany ka namboly zavatra vitsivitsy mety amin’ilay tany izy ireo, toy ny mangahazo, sakay, akondro, ary katsaka. Hitan’ny mpanoratra espaniola fa tena nirindra tsara ny fiainan’ny sasany tamin’ireo foko ireo. Nanangana toerana fitehirizan-tsakafo izy ireo ary nahay niompy biby masiaka.

Kolontsaina tsy mitovy

Tonga tao Amazonia ny Espaniola mpanjanaka, tamin’ny taonjato faha-16 sy 17. Tsy ela taorian’izay, dia tonga koa ny Zezoita sy ny misionera hafa mba hanova ny teratany ho Katolika. Nahavita ny sarintanin’i Amazonia ireo misionera ireo ka afaka nitrandraka azy io ny Eoropeanina. Lasa narary sy maty koa anefa ny mponina, noho ireo misionera.

Nisy tobin’ny misionera naorina, ohatra, tamin’ny 1638, tany amin’ny faritr’i Maynas ankehitriny. Nampiarahin’ny misionera ireo foko mpifahavalo ary notereny hiara-monina amin’ny hafa. Inona no mba nahatonga azy ireo hanao izany? Tsy mahay na inona na inona, hono, ireo teratany sady olona ambany, ka terena hiasa ho an’ny misionera sy ny mpanjanaka. An’arivony ny teratany matin’ny kitrotro, nendra, difiteria, ary habokana, satria nifindran’ireo Eoropeanina. An’arivony koa no maty noana.

Maro no nandositra avy tany amin’ireo toby naorin’ny fivavahana samihafa, ary betsaka ny misionera novonoin’ny mpikomy. Nisy fotoana aza tsy nisy afa-tsy iray ny mpitondra fivavahana tany amin’ny faritr’i Amazonia, teo am-piandohan’ny taonjato faha-19.

Ny fiainan’izy ireo ankehitriny

Mitovy amin’ny taloha ihany ny fomba fiainan’ny olona maro any. Manorina ny tranony araka ny fomba nentim-paharazana, ohatra, izy ireo. Maka hazo any an’ala izy ireo. Atsangany izany mba hanome ny endrik’ilay trano, ary rakofany ravina palmie na zavamaniry hafa avy eo. Misy tongony ireny trano ireny ka tsy mampaninona azy ny tondra-drano isan-taona. Tsy dia idiran’ny biby masiaka koa izy ireny.

Isan-karazany ny fihaingon’ireo foko any. Salaka na lamba kely no anaovan’ireo any anaty ala mikitroka ary tsy miakanjo ny zanany. Maka tahaka ny fiakanjo tandrefana kosa ireo mifandray amin’ny any ivelany. Tevehin’ny sasany ny orony na ny sofiny, ka asiany kavina na tapa-kazo na taolana na volom-borona. Ny foko hafa toy ny Mayoruna kosa mitevika eo amin’ny takolaka. Mikiky ny nifiny mihitsy aza ny Tucuna sy Jivaro sasany. Maro koa ny foko manala ny volo amin’ny vatany sy manao tatoazy.

Mahafantatra zavamaniry an’arivony ao anaty ala ny mponin’i Amazonia ary ataony raokandro izy ireny. Ampiasainy itsaboana kaikitry ny bibilava, na aretim-pivalanana, na aretin-koditra, ohatra, izy ireny. Ela be talohan’ny nahitan’ny tandrefana ny fingotra dia efa nampiasa ny ditin’ny hazo fingotra ny mponin’i Amazonia. Ampiasainy mba tsy hahatantera-drano ny harona izy io, ary anamboarany baolina hilalaovana. Ahazoana izay ilaina amin’ny fanamboarana fitaovam-pitaterana sy fitaovam-pifandraisana koa ny ala. Manapaka hazo, ohatra, ny olona mba hanamboarana lakana hivezivezena, na lavahany ilay hazo mba hanamboarana amponga. Ampiasaina mba handefasana hafatra ny amponga rehefa kapohina, ary re hatrany lavitra be.

Matoky an’ireo mpanasitrana sady minomino foana

Mino ny mponin’i Amazonia fa feno matoatoa mandehandeha ao anaty ala rehefa alina, ary mahatonga ny olona harary. Mino koa izy ireo fa misy andriamanitra miafina eny amin’ny renirano ary miandry kendry tohina hamely an’izay tsy mailo. Diniho, ohatra, ny foko iray anisan’ny lehibe indrindra, dia ny Aguaruna. Mivavaka amin’ny andriamanitra dimy izy ireo: “Ray Mpiady”, “Rain’ny Rano”, “Renin’ny Tany”, “Rain’ny Masoandro”, ary “Ray mpanasitrana.” Maro no mino fa lasa zavamaniry na biby ny olona. Matahotra hampahatezitra ny fanahy izy ireo ka misy biby tsy vonoiny mihitsy, ary misy tsy hazainy raha tsy rehefa tena ilainy.

Ny mpanasitrana no mpitarika ny fivavahana sy ny fiainana amin’ny ankapobeny. Mampiasa zavamaniry mahatonga azy hahita zavatra tsy misy izy ireo ka toy ny entin-javatra. Misy olona manatona azy ireny rehefa te hositranina na te hamantatra ny hoavy sy ny ho vokatry ny fihazana sy ny fambolena.

Hanao ahoana ny hoavin’io ala io?

Mihalany tamingana haingana ny ala fonenan’ireo Amazonianina. Maro ny hazo fongotra noho ireo lalambe vaovao. Lasa ambolen’ny olona rongony sy iompiany ao anaty ala. Ripaka ny ala noho ny fitrandrahana ala tsy ara-dalàna, ka 590 hektara isan’andro no fongotra. Na ireo sakelidrano aza maloto noho ny afitsok’ireo mpamokatra rongony tsy ara-dalàna sy ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany. Ireo sakelidrano ireo anefa no mivarina any amin’ny Reniranon’i Amazone.

Tsapan’ny mponin’i Amazonia tokoa ny vokatr’ilay nolazain’ny Baiboly mialoha hoe hiaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” isika. (2 Timoty 3:1-5) Tena tsy misy azo antenaina intsony ve ny amin’ny alan’i Amazonia? Manome toky ny Baiboly fa tsy izany no izy. Ho lasa paradisa ny tany manontolo rehefa hanjaka ny Fanjakan’Andriamanitra, araka ny efa nokasain’ny Mpamorona.—Isaia 35:1, 2; 2 Petera 3:13.

[Sary, pejy 16]

Reniranon’i Amazone

[Sary, pejy 17]

Mivavaka amin’ny andriamanitra dimy samihafa ny Aguaruna

[Sary, pejy 17]

Vehivavy avy amin’ny foko iray any Lamas

[Sary, pejy 18, 19]

Mponin’i Amazonia mampiasa fitaovana fitifirana

[Sary nahazoan-dalana]

© Renzo Uccelli/PromPerú

[Sary, pejy 18]

Trano fonenana

[Sary, pejy 19]

Ala 590 hektara isan’andro no simba noho ny fitrandrahana tsy ara-dalàna

[Sary nahazoan-dalana]

© José Enrique Molina/​age fotostock

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

© Alfredo Maiquez/age fotostock

[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]

Ambony: © Terra Incógnita/PromPerú; ambany: © Walter Silvera/PromPerú