Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

“Tombanana ho 1 464 000 tapitrisa dolara ny vola lanin’ny tafika eran-tany tamin’ny 2008. Nitombo ... 45 isan-jato izany, raha oharina amin’ny tamin’ny 1999.”—FIKAMBANANA IRAISAM-PIRENENA MIKATSAKA FANDRIAMPAHALEMANA ANY STOCKHOLM, SOEDA.

“An’arivo tapitrisa isan’andro ny pejy ampidirina [ao amin’ny Internet], araka ny Google.”—NEW SCIENTIST, GRANDE-BRETAGNE.

“Olona 1 020 tapitrisa eo ho eo eran-tany no tsy ampy sakafo isan’andro, tamin’ny 2009. Izany no be indrindra hatramin’izay.”—SAMPAN-DRAHARAHAN’NY FIRENENA MIKAMBANA MOMBA NY SAKAFO SY NY FAMBOLENA, ITALIA.

Nahavita Rameva Tany Amin’ny Laboratoara

Nahavita ondry tany amin’ny laboratoara ny mpikaroka, tamin’ny 1996. Nanamboatra biby mampinono hafa izy ireo tatỳ aoriana, anisan’izany ny omby, osy, ary soavaly. Vao nahavita rameva koa izao ny mpahay siansa, tao amin’ny toeram-pikarohana iray momba ny biby, any Dobay. Nantsoina hoe Injaz ilay ramevavavy kely. Teny arabo midika hoe “zava-bita miavaka” izy io. Hoy ny gazety The National, any Abu Dhabi: ‘Tsy fanandramana intsony no antony anamboaran’ny olona biby toy izany. Mieritreritra ny hanao rameva hafa kosa izy ireo, mba hitazonana ny taranak’ireo rameva mpihazakazaka sy ramevavavy be ronono.’

Zanabolana Nifandona

“Efa maro ny zanabolana nalefa tany ambony tsy taka-maso”, hoy ny gazety Science News, “kanefa tamin’ny Febroary [2009] vao nisy roa nifandona mafy.” Tany amin’ny 800 kilaometatra ambonin’i Siberia no nitrangan’izany. Mbola nandeha ilay iray, ary nampiasain’ny Amerikanina tamin’ny fifandraisan-davitra. Efa maty kosa ny iray, izay an’ny tafika rosianina. Potika ireo zanabolana ireo ka nizarazara ho 700. Atahorana kokoa hisy loza anefa rehefa betsaka ireny poti-javatra ireny. Hitan’ny manam-pahaizana fa misy 18 000 eo ho eo izao ireo poti-javatra mihoatra ny folo santimetatra eny ambony eny. Na dia zavatra kely hoatran’ny pitipoà aza anefa no midona amin’ny zanabolana, dia tena mampidi-doza raha mandeha mafy be. Mety hiharan-doza koa na dia ny sambon-danitra misy mpanamory aza.

Tsy Velona ny Fiara Raha Tsy Voaloa ny Vola

“Mandoa faktioran-telefaonina ny ankamaroan’ny olona, satria fantany fa ho tapaka ilay izy raha tsy izay”, hoy ny gazety The Wall Street Journal. Mampiasa tetika mitovy amin’izany koa izao ny mpivarotra fiara efa niasa. Hoy ihany ilay gazety: ‘Asian’izy ireo fitaovana azo baikoina ilay fiara, ka tsy mety velona ilay izy raha tsy voaloa ara-potoana ny vola.’ Mipetaka amin’ny famelomana an’ilay fiara mantsy izy io. Efa ifanarahana hoe avela ao ilay izy mandra-pahaloa ny vidiny rehetra. Milaza anefa ny Journal fa tsy dia miasa loatra ilay fitaovana, satria “mandoa ara-potoana ihany ny mpividy.” Misy jiro kely maneno mantsy mampahatsiahy azy ireo.