Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Fitepon’ny Fo?

Ahoana no Fitepon’ny Fo?

Ahoana no Fitepon’ny Fo?

● Tena ilaina mba hampikoriana tsara ny ra ny fo ary tena miasa mafy. Mitepo indray hetsy mahery isan’andro ny fon’olon-dehibe. Mbola avo roa henin’ny hamafin’ny fiasan’ny hozatry ny tongotrao rehefa mihazakazaka, ny hamafin’ny fiasan’ny hozatry ny fonao, na tsy mihetsika aza ianao. Vitany ao anatin’ny dimy segondra ny manafaingana ny fitepony ho avo roa heny, raha ilaina izany. Amin’ny olon-dehibe, dia 5 litatra isa-minitra ny ra mandalo ao amin’ny fo, ary mahatratra hatramin’ny 20 litatra izany rehefa manao fanatanjahan-tena. Dimy litatra eo ho eo ny habetsahan’ny ra ao amin’ny vatan’ny olona.

Ny rafi-pitatitra no mibaiko ny fitepon’ny fo, ary mety tsara ilay anarana hoe rafi-pitatitra. Io rafitra io no mahatonga ilay efitra ambony amin’ny fo (sofim-po) hifintina, ampahan-tsegondra alohan’ny hifintinan’ilay efitra ambany (vatam-po). Mahavariana fa tsy ny feon’ny hoza-po no ren’ny dokotera rehefa mihaino ny fitepon’ny fo izy, fa ny feon’ireo valva mikatona.

Mitepo inarivony tapitrisa

Tsy arakaraka ny haben’ny vatan’ny biby iray ny hafainganan’ny fitepon’ny fony, amin’ny ankapobeny. Miadana kokoa ny fitepon’ny fon’ny biby ngeza kokoa. Mitepo in-25 eo ho eo isa-minitra, ohatra, ny fon’ny elefanta, fa inarivony eo ho eo isa-minitra kosa ny an’ny vorona atao hoe canari. Ny an’ny olombelona indray in-130 eo ho eo isa-minitra raha vao teraka, ary im-70 eo ho eo isa-minitra rehefa lehibe.

Toa mitepo inarivony tapitrisa eo ho eo ny fon’ny ankamaroan’ny biby mampinono, mandritra ny androm-piainany. Mitepo in-550 isa-minitra ny fon’ny totozy ka mety hiaina telo taona izy. Mitepo in-20 eo ho eo isa-minitra kosa ny fon’ny trozona manga, ka mety hiaina maherin’ny 50 taona izy. Tsy toy izany kosa ny olombelona. Tokony hiaina 20 taona eo ho eo isika, raha jerena amin’ny fitepon’ny fontsika. Mety hitepo intelo arivo tapitrisa na mahery anefa ny fon’ny olona salama, ka miaina mandritra ny 70 na 80 taona mahery izy. a

Tsy misy amintsika anefa te hametra ny androm-piainantsika arakaraka ny isan’ny fitepon’ny fontsika. Tena te hiaina mandrakizay mantsy isika, ary ara-dalàna izany satria efa nataon’Andriamanitra tao am-pontsika. Efa mihamanatona haingana koa ilay fotoana hanafoanana ny fahotana, izay mahatonga fahafatesana. (Romanina 5:12) ‘Tsy hisy intsony [àry] ny fahafatesana’, araka ny Apokalypsy 21:3, 4.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Tombantombana ireo tarehimarika ireo. Mety tsy hitovy amin’ireo voalaza ireo ny hafainganan’ny fitepon’ny fon’ny zavamananaina iray sy ny halavan’ny androm-piainany.

[Kisary/Sary, pejy 29]

(Jereo ny gazety)

KISARIN’NY FO

Sofim-po havanana

Sofim-po havia

Vatam-po havanana

Vatam-po havia