Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Fitaterana Tonga Lafatra” any Kanada ny Lakana

“Fitaterana Tonga Lafatra” any Kanada ny Lakana

“Fitaterana Tonga Lafatra” any Kanada ny Lakana

NANDEHA sambo niampita ny Oseana Atlantika i Samuel de Champlain, Frantsay mpikaroka tany vaovao, ary nanaraka ny Reniranon’i Saint-Laurent any Kanada. Nahita olana izy tao Montréal, satria nifanehatra tamin’ny Rano Maherin’i Lachine. Nanoratra izy tamin’ny 1603 fa very maina ny ezaka nataony hihoarana an’ilay rano mahery. Sarotra koa ny nandeha an-tongotra, noho ny ala mikitroka. Ahoana àry no nahafahan’i Champlain sy ireo niaraka taminy nanohy an’ilay dia?

Nanao toa an’ireo tompon-tany izy ireo, ka nampiasa lakana. Hoy i Champlain: “Tsy mampidi-doza sy haingana ny mandeha lakana manerana an’ilay tany, na rehefa manohitra renirano kely na renirano lehibe.”

“Fitaterana Tonga Lafatra”

Toy ny lalambe ireo farihy sy renirano any Kanada, ary ny lakana no noheverina fa fitaterana mifanentana tsara aminy. Ny lakana no nahafahan’ny Indianina Amerikanina nizaha tany sy nihaza ary nitaona entana. Mazava ho azy fa samihafa ny endriky ny lakana sy ny fomba nanamboarana azy. Niankina tamin’ny nampiasana azy sy ny akora nanaovana azy izany. Lakana vita tamin’ny hazo sedera mena, ohatra, no nampiasain’ireo olona tany amin’ny morontsiraka andrefan’i Kanada. Nesorina ny atin’ilay hazo, ary nofenoina rano sy vato mahamay. Nihamalefaka ilay hazo ka mora namboarina ny endrik’ilay lakana. Afaka nitondra entana hatramin’ny roa taonina ny sasany tamin’izy ireny, ary haingana sy tsy nampidi-doza teny an-dranomasina. Teny mantsy no nihazan’ny mponina an’ireo trondro vaventy, anisan’izany ny trozona.

Ny lakana vita tamin’ny hoditry ny hazo bouleau (mitovitovy amin’ny hazo kininina) angamba no nalaza indrindra tany Amerika Avaratra. Nateza sy tsy tantera-drano izy io, noho ny ditin’ilay hazo. Tsy henjana koa io hazo io fa afaka milefitra sady mafy. Hoy i David Gidmark, mpanamboatra lakana: “Afaka amin’ireo rano mahery ny lakana vita amin’ny hazo bouleau. Tsy toy izany kosa ny lakana vita amin’ny hazo tsotra sy labasy.”

Anisan’ny akora nanamboarana an’io lakana mafy io ny hazo bouleau, sedera, fakan-kesika, ary ditin-kazo. Mora namboarina izy io rehefa simba, satria avy any an’ala avokoa ireo akora. Maivana kely koa ilay lakana, ka mora avily rehefa misy rano mahery sy sakana hafa. Tsy nanimba tontolo iainana izy io. Rehefa tsy nampiasaina intsony ilay lakana, dia lo fotsiny toy ny hazo nianjera.

Nahavariana ny fomba nanamboarana an’ireo lakana. Nilaza ny mpandinika iray tamin’ny taonjato faha-19 fa “tsy fantsika sy visy no nampiasaina tamin’izany. Nozairina sy nofatorana kosa ny zava-drehetra. Voakaly tsara ireo zaitra sy fatotra, ka mafy sy kanto erỳ, ary tsy nisy hokianina.”

Ny lakana no fitaterana haingana sy azo antoka indrindra tany Kanada, talohan’ny nisian’ny lamasinina. Tsy hoe tsy nampiasaina intsony anefa ny lakana rehefa nisy ny lamasinina. Matetika mantsy izy ireo no nampifandimbiasin’ny olona.

Tena nilaina ny lakana tany Amerika Avaratra, ka lasa nisy vokany teo amin’ny kolontsaina sy ny finoan’ireo tompon-tany. Araka ny angano sasany, ohatra, dia tsy ilay sambofiara ao amin’ny Baiboly no nitondra an’ireo tafavoaka velona tamin’ny safodrano, fa lakana.

Fampiasana lakana ankehitriny

Mbola be mpitia ny lakana any Kanada, saingy ataon’ny olona fialam-boly fotsiny. Mampalahelo fa tsy dia misy intsony ny hazo tsara hanamboarana lakana. Akora hafa izao no ampiasaina, anisan’izany ny aliminioma, labasy, hazo, ary karazana plastika.

Niresaka fomba hafa ampiasana ny lakana i Bill Mason, mpanamboatra lakana malaza. Hoy izy: “Ny fandehanana lakana manaraka an’ireo renirano efa nisy hatry ny ela, dia fomba iray hamerenana ny fifandraisantsika amin’ny natiora sy ny Mpamorona, izay namorona azy ireny efa ela be.” Maro no hiombon-kevitra aminy!

[Efajoro/Sary, pejy 11]

NY LAKANA KAYAK

Mipetraka any amin’ny faritra tsy misy ala any Kanada ny foko inuit. Afaka nanamboatra lakana anefa izy ireo. Hoditra lambondriaka sy serfa, taolana, ary hazo natsipin’ny ranomasina teny amoron-tsiraky ny Tendrontany Avaratra no akora nampiasainy. Tavim-biby no nampiasaina mba tsy ho tantera-drano ilay lakana. Izany no nanamboarana ny lakana kayak.

Inona no tena mampiavaka ny kayak amin’ny lakana tsotra? Misy sarony ny kayak ka voaro amin’ny rivotra sy ny orana. Mahatonga azy handeha tsara io sarony io ary tsy dia mampidi-drano. Vita amin’ny plastika sy akora hafa tsy voajanahary ny kayak ankehitriny.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]

Library of Congress