Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hafakely Ireo Foko any Tailandy

Hafakely Ireo Foko any Tailandy

Hafakely Ireo Foko any Tailandy

Maresaka ny tsena ao Chiangmai, any amin’ny faritra avaratr’i Tailandy. Feno mpivarotra entana mahaliana ny sisin’arabe, ary mifanesika eny anelanelany eny ny olona. Mifangaro ny feon’ny olona miady varotra sy ny tabataban’ny fiara. Hahita an’ireo foko atao hoe “foko any an-tendrombohitra” ianao any.

MISY mponina 65 tapitrisa any Tailandy, ary avy amin’ireo foko 23 antsoina hoe “foko any an-tendrombohitra” ny sasany. Mipetraka any avaratra ny ankamaroany. Be tendrombohitra sy renirano any, sady misy lohasaha lonaka mitohy hatrany Myanmar sy Laos.

Tonga tany Tailandy ny ankamaroan’ireo foko ireo, tao anatin’ireo 200 taona lasa. Misy foko lehibe enina amin’ireo, ka ny Karen no lehibe indrindra. Avy any Myanmar izy ireo. Avy any Yunnan, faritra be tendrombohitra any atsimoandrefan’i Chine, kosa ny foko lahu sy lisu ary akha. Ny foko hmong sy mien indray avy any amin’ny faritra afovoan’i Chine. a

Nandositra ny ady, na ny olana teo amin’ny fiaraha-monina izy ireo, na tsy nanana tany lonaka ambolena. b Fialofana nety tsara ny faritra avaratr’i Tailandy, satria nitokana, be tendrombohitra, ary vitsy mponina. Navelan’ny fitondrana hanorim-ponenana tao izy ireo, ka tsy ela dia feno azy ireo ilay faritra. Tsy nifanalavitra ny toerana nipetrahan’ireo foko samihafa, ka lasa nisy kolontsaina sy fiteny maro tao.

Akanjo sy fomba hafakely

Ny fitafiny no mampiavaka ny foko tsirairay. Manao satroka volafotsy feno haingonkaingony, ohatra, ny vehivavy akha. Lavalava tsara tarehy ilay satroka ary noravahana kofehy mikiramborambo sy peta-kofehy ary vola madinika. Misy koa vita amin’ny takela-by maromaro, noravahana bokotra sy vakana ary baolina kely mangirangirana. Tena miavaka koa ny fiakanjon’ny vehivavy mien, miaraka amin’ilay pataloa feno peta-kofehy hafakely. Mety ho dimy taona vao mahavita iray amin’io pataloa io! Manao fehiloha lamba tsara tarehy koa izy, lobaka hatrany an-kitrokely, fehitenda mena volomboloina, ary fehikibo lamba manga antitra manopy volomparasy.

Manao firavaka volafotsy manjelanjelatra sy mikorintsandrintsana ny vehivavy, rehefa tena manao fitafy nentim-paharazana. Izany no fomba ampisehoany amin’ny lehilahy hoe avy amin’ny saranga manao ahoana izy, ary manankarena ve. Vita amin’ny fitaratra na hazo na kofehy ny haingo sasany.

Tena tia manaraka ny fomba nentim-paharazana ny ankamaroan’ireo “foko any an-tendrombohitra.” Rehefa mandevina, ohatra, ny tanora karen no tena mihaingo. Nahoana? Satria maro ny tanora tonga amin’io fotoana io, ka manantena hahita vady. Rehefa mody ny masoandro, amin’ilay andro fandevenana, dia mifandray tanana daholo ny tovolahy sy ny tovovavy, ary manao faribolana manodidina an’ilay faty, sady manao hiram-pitiavana mandra-maraina.

Mitady vady koa ny tanora avy amin’ny foko hmong, mandritra ny kilalao iray amin’ny fetin’ny Taom-baovao. Miaraka tsiroaroa ny tanora lahy sy vavy te hiaraka, ary manao laharana roa mifanatrika sy mifanelanelana tsara. Samy manana baolina lamba izy ireo, ary mifanipy an’ilay izy, ka izay mandatsaka, na fanahy iniana izany na tsia, dia manome firavaka kely ho an’ilay anankiray. Afaka maka an’ilay firavaka indray izy amin’ny hariva, fa mila mihira aloha. Mety hanintona olona maro ilay hira, raha tsara, sady mety hamabo ny fon’izay mitady vady.

Fomba niatrehan’izy ireo ny fiovana

Nandoro ala nanao tavy ny ankamaroan’ireny foko ireny taloha, mba hahafahany mamboly sy miompy. Nanimba be ny tontolo iainana anefa izany. Efa mahay mampiasa tsara kokoa ny tany kosa izy ireo izao, ary mandray soa amin’izany.

Maro amin’ireo foko ireo taloha no namboly zava-mahadomelina atao hoe ôpiôma. Mipetraka ao amin’ny faritra iray mampifandray an’i Tailandy sy Laos ary Myanmar mantsy izy ireo, ary mpamokatra ôpiôma io faritra io. Mamboly zavatra hafa, toy ny kafe, legioma, voankazo, ary voninkazo anefa izy ireo izao, noho ny fanampian’ny fianakavian’ny mpanjaka sy ny fikambanana iraisam-pirenena. Mihabe mpizaha tany koa any izao, ka maro no mivarotra asa tanana sy fahatsiarovana na manao asa hafa ho azy ireny.

Na izany aza, dia maro no mijaly, satria mahantra, tsy mahay mamaky teny sy manoratra, ary mipetraka amin’ny toerana tsy misy kabine sy fantson-drano maloto. Mihalany koa ny harena voajanahary. Eo koa ny tsy fitovian’ny fomba fiaina sy ny fanavakavahana. Maro no miboboka toaka sy mampiasa zava-mahadomelina. Ireo olana ireo ihany no nahatonga ny razamben’ireo foko ireo nandositra nankany Tailandy, koa aiza indray izy ireo no hitady fialofana?

Fialofana azo antoka

Maro amin’ireo foko ireo no nahita ny fialofana tsara indrindra, dia i Jehovah, ilay tena Andriamanitra. Hoy ny Salamo 34:8: “Andramo ka jereo fa tsara i Jehovah. Sambatra ny olona mialoka aminy.” Mitantara toy izao i Jawlay, avy amin’ny foko lahu: “Nanambady an’i Anothai aho tamin’izaho 19 taona, ary efa mpiboboka toaka sy mpifoka rongony aho tamin’izany. Tsy nahavita asa aho raha tsy nifoka, ary mazava ho azy fa rehefa tsy niasa, dia tsy nanam-bola. Tsy mba nahatsapa fitiavana ny vadiko, ary toy ny hoe tsy nisy niraharaha. Niady foana izahay.

“Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Anothai, rehefa teraka i Suphawadee zanakay vavy. Nitsoaka tany anaty ala aho, isaky ny tonga ry zareo. Hitako anefa fa niova ny vadiko. Nanjary nanaja ahy izy rehefa niresaka tamiko, ary lasa nazoto kokoa nikarakara ny tokantranonay. Nanaiky àry aho, rehefa nampirisihiny hianatra Baiboly.

“Nanohina ny foko ny zavatra nianarako, ka niova tsikelikely aho. Afaka tamin’ny toaka sy ny rongony aho, noho ny fanampian’Andriamanitra. Tena sambatra izahay mianakavy izao, satria manaraka ny fomba fiaina tsara indrindra! Faly koa izahay miresaka an’ireo fampianarana mahasoa avy ao amin’ny Baiboly amin’ireo foko isan-karazany eto aminay.”

Mampahatsiahy faminaniana iray ao amin’ny Apokalypsy izany tenin’i Jawlay izany. Voalaza ao fa hisy “vaovao tsara mandrakizay” hotorina amin’ny “firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra”, mandritra ny andro faran’ity tontolo ratsy ity. (Apokalypsy 14:6) Amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia tena tombontsoa ny manao an’io asa io. Miharihary amin’io asa io fa tena tia ny olon-drehetra Andriamanitra, ka anisan’izany ireo foko hafakely any Tailandy.—Jaona 3:16.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Manana anarana maromaro ny foko sasany. Ny foko mien, ohatra, manana anarana hoe Lu Mien, Mian, Yao, Dao, Zao, ary Man, arakaraka ny tany misy azy.

b Mbola maro amin’ireo foko ireo no mipetraka any Chine, Vietnam, Laos, ary Myanmar. Maro amin’izy ireo koa izao no mifindra any Aostralia, Etazonia, Frantsa, ary firenena hafa.

[Efajoro/Sary, pejy 16]

MANALAVA TENDA VE?

Mahavita zavatra tsy mampino ny vehivavy kayan maro, rehefa mihaingo. Asiany tady varahina miolikolika manodidina ny tendany, ary mahatratra 40 santimetatra ny haavony indraindray! c Vao dimy taona eo ho eo ny ankizivavy dia manomboka manao azy io. Soloana lava kokoa sy mavesatra kokoa ilay izy, rehefa afaka taona vitsivitsy, ary soloana foana mandra-pahalehibeny, ka mahatratra 13 kilao amin’ny farany ary mihodinkodina in-25! Tsy manalava tenda anefa izy io, fa mampidina ny taolan-tsoroka sy manery ny tratra.

[Fanamarihana ambany pejy]

c Avy any Myanmar ny foko kayan. Mbola misy Kayan 50 000 eo ho eo any, ary Padaung, izany hoe “Lava Tenda”, no iantsoana azy ireo any.

[Sary nahazoan-dalana]

Hilltribe Museum, Chiang Mai

[Efajoro, pejy 17]

ANGANO MOMBA NY SAFODRANO

Samy manana angano momba ny safodrano ny foko lisu sy hmong. Izao ny an’ny Hmong: Nisy roa lahy mpiray tam-po, hono, ka ilay zokiny nahery setra ary ilay zandriny tsara fanahy. Nilaza tamin’izy ireo ny “Tompon’ny Lanitra” hoe hisy safodrano hanarona ny tany. Nasainy nanao sambo vy ilay mahery setra, fa sambo hazo kosa ny an’ilay tsara fanahy. Nasainy nitondra ny anabaviny ilay tsara fanahy. Nasainy nitondra biby lahy sy vavy amin’ny karazany rehetra koa izy, ary hanangona voan-javamaniry roa isaky ny karazany avy.

Rehefa tonga ny safodrano, dia nilentika ilay sambo vy, fa nitsinkafona ilay sambo hazo. Nanamaina ny tany avy eo ny dragona iray miendrika havana. Nanambady an’ilay anabaviny ilay tsara fanahy tatỳ aoriana, ary niteraka izy ireo, ka feno olona indray ny tany. Mariho fa misy itovizany amin’ilay tantara marina ao amin’ny Genesisy toko faha-6 ka hatramin’ny faha-10 io angano io.

[Sary, pejy 16 17]

Vehivavy manao fitafiana nentim-paharazana

[Sary nahazoan-dalana]

Hilltribe Museum, Chiang Mai

[Sary, pejy 17]

Ry Jawlay mianakavy

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

Sary roa: Hilltribe Museum, Chiang Mai