Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hanampy Anao Hanatona An’Andriamanitra?

Inona no Hanampy Anao Hanatona An’Andriamanitra?

Inona no Hanampy Anao Hanatona An’Andriamanitra?

Hoy ny Baiboly: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” (Jakoba 4:8) Mino ve ianao fa afaka mifandray akaiky amin’ny Mpamorona isika? Alohan’ny hamaliana izany anefa, dia misy fanontaniana lehibe kokoa ilana valiny. Ohatra hoe:

Misy ve Andriamanitra?

Raha eny, efa nifandray tamin’ny olombelona ve izy? Ahoana no nanaovany izany?

Anisan’ny fomba iresahany amintsika ve ny Baiboly? Raha eny, inona no porofo?

Anisan’ny fanontaniana tena lehibe indrindra eo amin’ny fiainana angamba ireo. Hamaly azy ireo ilay lahateny ho an’ny besinimaro hoe “Inona no Hanampy Anao Hanatona An’Andriamanitra?” Handre izany ianao any amin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah hoe “Miezaha ho Akaiky An’i Jehovah Foana.” Hatao manomboka amin’ny Jolay izy io eto Madagasikara, ary hisy maneran-tany.

Faly izahay manasa anao hanatrika ny fivoriambe akaiky anao. Miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eny akaikinareo, na manorata amin’ny mpamoaka an’ity gazety ity. Misy lisitry ny toerana hanaovana an’ilay fivoriambe ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 2010 sy ny lisitra ao amin’ny www.pr418.com.