Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mifalia Amin’ny Volon-koditrao

Mifalia Amin’ny Volon-koditrao

Mifalia Amin’ny Volon-koditrao

● Mihevitra ny olona sasany any Afrika, any amin’ny faritra atsimon’i Azia, any Karaiba, ary any atsinanan’ny Ranomasina Mediterane fa mpanara-damaody sy mpanankarena ny olona fotsy hoditra kokoa. Maro amin’ny olona any àry no mampiasa zavatra mahafotsy hoditra kokoa. Tena mankarary anefa ny sasany amin’izy ireny.

Misy zavatra simika misakana ny famokarana melaninina ny menaka sasany, ka lasa tsy afaka miaro tena tsara amin’ny taratra ultraviolet intsony ny hoditra. Miditra any anaty hoditra ilay zavatra simika ary mety hanimba tanteraka ny tambatsela mpampitohy, ka mampalaky antitra. Mety hahavoan’ny kansera koa ilay izy. Misy volavelona ny menaka sasany, nefa poizina izy io.

Mety hivontovonto kely sy ho mena koa ny hoditra ary hisy tasitasy, raha hosorana an’ireny menaka ireny foana. Halemy koa ny hoditra ka tsy ho azo zairina raha tataka. Mety hanimba ny aty, ny voa, na ny atidoha koa ny zavatra simika amin’ny menaka sasany raha lasa any amin’ny lalan-dra, ary mety hahatonga ny taova tsy hiasa tsara mihitsy aza.

Mahatsikaiky fa misy mainty hoditra te ho fotsy fihodirana, nefa maro koa ny fotsy hoditra miezaka mafy hanamainty ny hodiny. Marina fa mahasalama ny hainandro raha antonony tsara. Manampy amin’ny famokarana vitaminina D, ohatra, izany. Mety hanimba anefa ny mitanina andro ela loatra, indrindra rehefa midanika be ny hainandro. Mihasimba sy miezaka miaro tena bebe kokoa amin’ny taratra ultraviolet ny hoditra matoa mivalomainty. Tsy mahavita miaro tena tanteraka anefa izy. Mety hanampy azy ny fampiasana tsy tapaka an’ireo menaka fiarovana amin’ny masoandro. Tsy maharo tanteraka ny hoditra anefa izy ireny ary tsy maharo amin’ny kansera sasany, toy ny kanseran’ny hoditra.

Milaza àry ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana fa “dingana lehibe amin’ny fampirisihana ny olona hiaro tena amin’ny masoandro ny fampahafantarana azy bebe kokoa hoe tokony ho faly amin’ny volon-kodiny izy.” Ny olona tena hendry kosa mifantoka amin’ilay antsoin’ny Baiboly hoe “toetra miafina ao am-po.” (1 Petera 3:3, 4) Azo hatsaraina arakaraka ny fandehan’ny fotoana izy io, fa tsy toy ny hoditra.—Ohabolana 16:31.