Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miomàna Hiatrika Olana

Miomàna Hiatrika Olana

Miomàna Hiatrika Olana

“Nanapa-kevitra hiala tamin’ny sigara aho noho ilay zanakay vao teraka. Nasiako soratra hoe ‘Tsy Azo Ifohana Sigara’ àry tao an-trano. Tsy nahatanty anefa aho rehefa afaka adiny iray ka nandrehitra sigara, satria tena nila nikôtinina ny vatako.”—Yoshimitsu, Japon.

HITA amin’izany fa sarotra ialana ny sigara. Nasehon’ny fikarohana fa efa ho ny 90 isan-jaton’ireo lavo no tsy niarina, ka lasa mpifoka indray. Azo antoka kokoa àry fa ho afaka hiala ianao, raha miomana hiatrika ny olana mety hitranga. Inona avy izany?

Mitady nikôtinina ny vatana: Tena mafy izy io mandritra ireo telo andro voalohany, ary mihalefy rehefa afaka tapa-bolana eo ho eo. Hoy ny lehilahy iray mpifoka taloha: ‘Mipoitra foana ilay faniriana’, mandritra an’io fotoana io, ‘sady tonga tampoka.’ Mety hitranga koa izany, na taona maro atỳ aoriana aza. Aza maika ny hifoka anefa! Ho lefy ihany ilay faniriana rehefa afaka dimy minitra eo ho eo.

Tsy mahazo aina: Te hatory lava, tsy dia mifantoka, ary mora matavy ny olona miala amin’ny sigara, amin’ny voalohany. Mety hanaintaina, hangidihidy, ho tsemboka, ary hikohaka izy. Mety hiovaova koa ny fihetseham-pony ka tsy hanam-paharetana izy, ho kizitina, na ho ketraka mihitsy. Iray na iray volana sy tapany anefa dia ho lefy ny ankamaroan’ireo.

Hanampy anao ireto soso-kevitra ireto, mandritra an’io fotoan-tsarotra io:

● Matoria ela kokoa.

● Misotroa rano na ranom-boankazo be dia be. Mihinàna sakafo mahasalama.

● Manaova fanatanjahan-tena voalanjalanja.

● Miezaha hifoka rivotra lalina ary alao sary an-tsaina ny rivotra madio mameno ny havokavokao.

Misy zavatra mahatonga anao haniry hifoka: Mety ho zavatra atao izy io na fihetseham-po. Zatra mifoka, ohatra, ianao rehefa misotro zava-pisotro iray. Aza ela àry rehefa misotro an’ilay izy. Ho afaka hankafy azy io ihany ianao, any aoriana.

Te hifoka angamba ianao rehefa manao zavatra sasany. Mety ho elaela vao afaka izany, na dia efa tsy mifoka intsony aza ianao. Niaiky i Torben, ilay voalaza tany aloha, hoe: “Efa 19 taona aho izay no afaka tamin’ny sigara, nefa mbola alaim-panahy hifoka ihany rehefa misotro kafe amin’ny fiatoana.” Matetika io faniriana io no mihalefy rehefa mandeha ny fotoana.

Ahoana indray raha zatra mifoka ianao rehefa misotro toaka? Angamba ianao mila mifady toaka sy manalavitra ny toerana mety ahitana toaka, rehefa miezaka miala amin’ny sigara. Betsaka no miverina mifoka indray rehefa misotro toaka. Nahoana?

● Toaka kely fotsiny dia efa mampitombo ny fahafinaretana azo avy amin’ny nikôtinina.

● Matetika no mifoka sigara ny olona rehefa miara-misotrosotro.

● Mahatonga anao tsy hisaina tsara sy ho sahisahy ratsy ny toaka. Marina ny voalazan’ny Baiboly hoe: ‘Manaisotra ny faniriana hanao ny tsara ny divay.’—Hosea 4:11.

Namana: Mahaiza mifidy namana. Raha mety dia aza miaraka amin’ny mpifoka na amin’olona mety hampirisika hifoka. Ialao koa izay mitady hanakivy anao, toy ireo mpananihany.

Fihetseham-po: Hita tamin’ny fandinihana iray fa ny ankamaroan’ny olona niverina nifoka no niady saina na tezitra, taloha kelin’ny nifohany indray. Miezaha hanary dia, raha mitady hifoka ianao noho ny fihetseham-po sasany. Misotroa rano, ohatra, na mitsakoa siligaoma, na mandehandehana. Miezaha hieritreritra zavatra tsara. Mivavaha, ohatra, na mamakia pejy vitsivitsy ao amin’ny Baiboly.—Salamo 19:14.

Aza manamarin-tena!

Indray misintona fotsiny!

Ny tena marina: Efa ho ny antsasaky ny sela mpandray nikôtinina ao amin’ny atidoha no velombelona adiny telo, raha mahazo setro-tsigara indray mifoka. Matetika no lasa mpifoka indray ilay olona.

Manampy ahy hiatrika adin-tsaina ny sigara.

Ny tena marina: Asehon’ny fikarohana fa tena mampitombo ny hormonina mahatonga adin-tsaina ny nikôtinina. Marina fa tsapanao hoe tsy miady saina ianao, nefa izao no tena antony: Tsy tsapanao vetivety ilay fijaliana vokatry ny fialana amin’ny sigara.

Tsy afa-miala intsony aho.

Ny tena marina: Tsy ho vonona hiala ianao raha mijery lafy ratsin-javatra. Hoy ny Baiboly: “Kivy ve ianao amin’ny andro mahory? Raha izany, dia ho kely ny herinao.” (Ohabolana 24:10) Aza manary toky àry! Afaka miala amin’ny sigara mantsy izay tena te hanao izany, ka mampihatra an’ireo toro lalana mahasoa, toy ireo hita ato.

Tsy tantiko mihitsy ny tsy hifoka.

Ny tena marina: Marina fa tsy mahazo aina ianao rehefa miezaka miala, ary mafy be ilay izy. Ho lefy anefa izany rehefa afaka herinandro vitsivitsy. Aza kivy àry! Mbola mety haniry hifoka ianao rehefa afaka volana na taona maromaro, saingy minitra vitsy monja dia ho lefy izany, raha tsy mandrehitra sigara ianao.

Manana aretin-tsaina ange aho e!

Ny tena marina: Azonao angatahina hanampy anao hiala amin’ny sigara ny dokoteranao, raha manana aretin-tsaina, toy ny fahaketrahana, ianao. Azo antoka fa vonona hanampy anao izy, ka hanara-maso akaiky ny fitsaboana anao.

Tsy hisy antenaina intsony ny amiko raha mifoka indray aho.

Ny tena marina: Tsy hoe tsy misy antenaina ny aminao raha lavo ianao ka nifoka indray mandeha, toy ireo olona miezaka miala amin’ny sigara. Miarena fotsiny ary tohizo ny ezakao! Tsy hoe resy ianao raha lavo. Raha tsy miarina ianao no resy. Aza kivy àry fa mbola handresy ianao!

Nifoka nandritra ny 26 taona, ohatra, i Romualdo ary efa 30 taona mahery izay izy no afaka tamin’ny sigara. Hoy izy: “Tsy haiko intsony hoe impiry aho no niverina nifoka. Kivy foana aho isaky ny lavo, ka toy ny hoe tsy misy antenaina intsony. Afaka tanteraka anefa aho, rehefa tena tapa-kevitra ny hifandray tsara tamin’i Jehovah Andriamanitra sy nitalaho taminy imbetsaka.”

Manome torohevitra hafa hanampy anao hiala tanteraka amin’ny sigara ny lahatsoratra manaraka.

[Efajoro/Sary, pejy 7]

MAHAFATY DAHOLO

Maro ny zavatra ampiasana ny ravim-paraky. Amidy eny amin’ny mpivarotra raokandro aza ny zavatra sasany azo avy aminy, any amin’ny tany sasany. Milaza anefa ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana fa “mahafaty daholo rehefa sigara na paraky.” Mety hahafaty ireo aretina azo avy aminy, toy ny kansera sy aretim-po. Mety hankarary ny zaza ao am-bohoka koa ny reny mpifoka. Inona avy ireo karazan-tsigara fahita?

Sigara kely nataon-tanana: Fahita any Azia izy io. Betsaka kokoa noho ny an’ny sigara tsotra ny godorao sy nikôtinina ary gazy misy poizina avoakany.

Sigara be sy sigara tsotra: Paraky nofonosina ravim-paraky na taratasy vita amin’ny ravim-paraky ny sigara be. Taratasy kosa no fonon’ny sigara tsotra. Miditra eo am-bava avy hatrany ny nikôtinina amin’ny sigara be, na dia mbola tsy mirehitra aza.

Sigaran-jirofo: Ravim-paraky ny antsasany mahery aminy fa jirofo ny ambiny. Betsaka kokoa noho ny an’ny sigara tsotra ny godorao sy nikôtinina ary gazy misy poizina avoakany.

Pipa: Manimba ny mifoka pipa, toy ny mifoka sigara ihany. Mitovy ny kansera sy aretina mety ho azo avy amin’izy ireo.

Paraky: Anisan’izany ny ravim-paraky tsakoina na trohina amin’ny orona sy ny gutkha manitra, fahita any Azia Atsimoatsinanana. Miditra amin’ny vava ilay nikôtinina ary mankany amin’ny lalan-dra. Mampidi-doza toy ny sigara hafa koa ireo.

Fantsona fifohana: Ampandalovina rano ilay setroka alohan’ny hitrohana azy, nefa mety tsy hampihena ny habetsahan’ny poizina ao aminy izany. Tonga hatrany amin’ny havokavoka ireny poizina ireny, ary mety hiteraka kansera.

[Efajoro/Sary, pejy 8]

AMPIO HIALA AMIN’NY SIGARA NY HAFA

Aza tia manakiana. Tsara kokoa ny midera sy manome valisoa, noho ny mibedy sy ny miteniteny be. Misy heriny kokoa ny miteny hoe “Ho vitanao io raha miezaka indray ianao”, noho ny hoe “Io fa voa indray ianao!”

Mahaiza mamela heloka. Raha tezitra na kizitina aminao ny olona te hiala amin’ny sigara, dia miezaha mandefitra. Miezaha ho tsara fanahy ary milazà, ohatra, hoe: “Fantatro fa mafy ilay izy, nefa tena faly aho fa manao izany ianao.” Fadio ny miteny hoe: “Aleoko ihany ianao nifoka.”

Miezaha ho tena namana. Hoy ny Baiboly: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.” (Ohabolana 17:17) Miezaha hanam-paharetana amin’olona miezaka hiala amin’ny sigara, sy ho tia azy “amin’ny fotoana rehetra.” Ataovy foana izany na manao ahoana na manao ahoana toe-pony.