Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitadiava Fanampiana

Mitadiava Fanampiana

Mitadiava Fanampiana

“Ny olon-tokana mety ho resin’ny olona iray, fa raha olon-droa kosa hahatohitra azy.” —Mpitoriteny 4:12.

MORA kokoa ny mandresy fahavalo, raha misy manampy. Tsara àry ny mitady ny fanampian’ny havana aman-tsakaiza na olon-kafa vonon-kanampy sy manam-paharetana, raha te ho afaka amin’ny sigara.

Azo atao ny miresaka amin’ny olona afaka tamin’ny sigara, satria sady mahatsapa ny mahazo anao izy no afaka manampy. Hoy i Torben, Kristianina any Danemark: “Tena sarobidy tamiko ny fanampian’ny hafa.” Hoy i Abraham, any Inde: “Tena tia ahy ny fianakaviako sy ny Kristianina namako. Nanampy ahy hiala tamin’ny sigara izany.” Tsy ampy anefa izany indraindray.

Hoy ny lehilahy iray atao hoe Bhagwandas: “Mpifoka sigara nandritra ny 27 taona aho. Nanapa-kevitra ny hiala aho rehefa fantatro izay ampianarin’ny Baiboly momba ny fahazarana maloto. Nanandrana niala sy nanova ny namako aho ary nanatona manam-pahaizana. Tsy nisy nandaitra anefa izany. Indray alina àry dia namboraka ny tao am-poko tamin’i Jehovah aho, ary nitalaho fanampiana taminy. Afaka ihany aho tamin’ny farany!”

Tena ilaina koa ny miomana amin’ny olana mety hitranga. Horesahin’ny lahatsoratra manaraka izany olana izany.

[Efajoro, pejy 5]

TOKONY HAMPIASA FANAFODY VE IANAO?

Maro ny olona mampiasa fanafody fialana amin’ny sigara, toy ny fanafody misy nikôtinina apetaka amin’ny hoditra. Diniho anefa aloha ireto fanontaniana ireto:

Inona no mahatsara an’izany? Misy fitsaboana maro voalaza fa manampy kokoa hiala amin’ny sigara, satria mampihena ny fijaliana ateraky ny fialana amin’ny sigara. Misy misalasala anefa raha tena mandaitra izy ireny.

Inona no maharatsy an’izany? Mety hisy vokany ratsy ny fanafody sasany. Mety hisalebolebo, ohatra, ilay olona na ho ketraka na haniry hamono tena. Tadidio fa mampiditra nikôtinina amin’ny vatana koa ireo fanafody hanoloana nikôtinina, ary mbola mety hankarary. Manandevo ihany àry izy ireny.

Misy fomba hafa ve? Nisy fanadihadiana natao, ka hita fa ny 88 isan-jaton’ny mpifoka afaka tanteraka tamin’ny sigara no nilaza hoe niala tampoka izy ireo fa tsy nampiasa fanafody.