Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Namana Sandoka

Namana Sandoka

Namana Sandoka

“Namanao” izy hatramin’ianao mbola ankizy. Nataony nahatsapa ho matotra kokoa ianao, ary toa nanampy anao ho tian’ireo nitovy taona taminao izy. “Nampionona” anao foana izy rehefa niady saina ianao. Lasa niantehitra matetika taminy ianao.

Hitanao anefa ny toetra ratsiny, tatỳ aoriana. Tsy te hisaraka aminao mihitsy izy, nefa tsy tian’ny olona ny hitondranao azy any amin’ny toerana sasany. Nankarary anao koa izy na dia nahatonga anao hahatsiaro ho matotra kokoa aza, ary nangalarany ny karamanao.

Niezaka nisaraka taminy ianao, tato ho ato, saingy tsy navelany mihitsy. Toy ny hoe lasa andevony ianao. Nanenenanao ny nihaona taminy!

TOY izany ny fifandraisan’ny mpifoka sigara sy ny sigara. Hoy ny vehivavy iray atao hoe Earline, izay mpifoka nandritra ny 50 taona: “Nanampy ahy mihoatra noho ny olon-kafa ny sigara. Efa ela izy no namako, ary indraindray aza dia izy irery no namako.” Takatr’i Earline ihany tatỳ aoriana fa namana sandoka sy ratsy toetra ny sigara. Toy ny hoe nihatra taminy mihitsy ilay voalaza etsy aloha, saingy afa-niala izy. Fantany mantsy fa tsy tian’Andriamanitra ny fifohana sigara noho izy io mandoto ny vatana, izay fanomezan’Andriamanitra.—2 Korintianina 7:1.

Te hampifaly an’Andriamanitra koa i Frank ka nanapa-kevitra ny hiala tamin’ny sigara. Iray andro teo ho eo taorian’ny nialany anefa dia nandady tao ambany gorodona izy, nitady sisan-tsigara latsaka. Hoy izy: “Tonga saina aho. Naharikoriko ahy ilay hoe ity izaho dia mandady mba hitsindroka sisan-tsigara. Tsy nifoka intsony àry aho!”

Nahoana no sarotra ialana toy izany ny sigara? Izao no hitan’ny mpikaroka: 1) Manandevo toy ny zava-mahadomelina voarara ny sigara. 2) Fito segondra monja dia tonga any amin’ny atidoha ny nikôtinina (poizin-tsigara). 3) Toy ny efa fiainan’ny olona mihitsy matetika ny mifoka sigara, satria mifoka izy rehefa misakafo, misotro, miresaka, miady saina, sy ny toy izany.

Azo ialana anefa io fanao manandevo io, araka ny noporofoin’i Earline sy Frank. Te hiala amin’ny sigara koa ve ianao? Tena mety hanampy anao hanova ny fiainanao ireo lahatsoratra manaraka.