Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Nety ve ny Nataony?

Vakio ny Marka 14:66-72. Jereo amin’izay ilay sary, ary soraty eo ambany ny valin-teninao.

1. Taiza no nitrangan’io zavatra eo amin’ny sary io?

Vakio ny Marka 14:53, 54.

․․․․․

2. Inona no nataon’i Petera, rehefa nisy nilaza fa mpanara-dia an’i Jesosy izy?

․․․․․

3. Inona no nitranga rehefa avy naneno fanindroany ny akoho?

․․․․․

IARAHA-MIDINIKA:

Nahoana i Petera no nandainga? Inona no tokony hataonao raha tsy te handainga toa azy ianao?

FANTATRAO TSARA VE I JOSAFATA MPANJAKA?

4. Inona no nataon’i Josafata mba hampety kokoa ny fitsarana tany Joda?

Vakio ny 2 Tantara 19:5-11.

․․․․․

5. Inona no zavatra tsy nety nataon’i Josafata?

Vakio ny 2 Tantara 18:1-3; 19:1-3.

․․․․․

IARAHA-MIDINIKA:

Inona no tokony hotadidinao momba an’i Josafata, rehefa hifidy namana ianao?

Vakio ny 1 Korintianina 15:33.

HO AN’NY ANKIZY

Tadiavo ato amin’ity gazety ity ireto sary ireto. Lazao amin’ny fomba fiteninao izay mitranga eo amin’ny sary tsirairay.

ATO AMIN’ITY GAZETY ITY

Valio ireto fanontaniana ireto, ary fenoy ny andinin-teny banga.

PEJY 4 Tokony hanadio ny tenantsika ho afaka amin’inona isika? 2 Korintianina 7:․․․

PEJY 5 Inona no ho vitan’ny olon-droa? Mpitoriteny 4:․․․

PEJY 19 Tsy mametraka ny fanantenany amin’ny inona ny olona hendry? 1 Timoty 6:․․․

PEJY 27 Inona no mahasambatra kokoa? Asan’ny Apostoly 20:․․․

● Valiny, pejy 24

VALIN’NY PEJY 31

1. Tao an-tokotanin’ny mpisoronabe.

2. Nilaza ho tsy nahalala an’i Jesosy izy.

3. Nitomany i Petera.

4. Nametrahany mpitsara matahotra an’Andriamanitra isaky ny tanàna, ary nasiany Levita sy mpisorona tao Jerosalema.

5. Nanao fifanarahana tamin’i Ahaba, mpanjaka ratsy fanahy, izy.