Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Voavaha ny Olana Iray Saro-bahana

Voavaha ny Olana Iray Saro-bahana

Voavaha ny Olana Iray Saro-bahana

Saika hiditra teo amin’ny ranomasina La Manche ny andian-tsambo mpiady anglisy, tamin’ny 22 Oktobra 1707. Diso anefa ny kajy nataon’izy ireo momba ny toerana nisy azy, ka sambo efatra no indray rendrika tao amin’ireo Nosy Scilly. Vondronosy any amin’ny Oseana Atlantika izy io, ary any atsimoandrefan’i Land’s End any Angletera. Lehilahy efa ho 2 000 no maty.

MORA tamin’ny tantsambo tamin’izany ny namantatra ny laharam-pehintany, izany hoe ny halaviran’ny toerana nisy azy oharina amin’ny ekoatera. Mbola tsy hainy anefa ny namantatra ny laharan-jarahasina, izany hoe ny halaviran’ny dia vitany niantsinanana na niankandrefana. Teo am-piandohan’ny taonjato faha-18, dia sambo an-jatony isan-taona no nivezivezy teo amin’ny Oseana Atlantika, ary maro no rendrika. Nahatonga saina ny Anglisy anefa ilay loza tamin’ny 1707, ka nitady fomba hikajiana ny laharan-jarahasina izy ireo.

Nampanantena ny Parlemanta Anglisy, tamin’ny 1714, fa homeny loka 20 000 livres sterling (vola anglisy) izay mahita fomba hikajiana ny laharan-jarahasina eny an-dranomasina. An’arivony tapitrisa ariary izany vola izany ankehitriny.

Nahaliana nefa sarotra

Tena sarotra ny namantatra ny laharan-jarahasina, satria nilana famantaranandro marina tsara. Aoka hatao hoe mipetraka any Londres ianao. Mitelefaonina anao amin’ny 12.00 antoandro ny namanao mipetraka any amin’ny tany iray mitovy laharam-pehintany aminao. Milaza izy fa vao amin’ny 6.00 maraina any aminy. Tara adiny enina izany ny ora any. Mahay jeografia ianao ka tonga dia fantatrao fa any Amerika Avaratra izy, ary vao miposaka ny masoandro any. Aoka indray hatao hoe tsy manana sarintany mampiseho ny elanelan’ora any amin’ny toerana samy hafa ianao, nefa lazain’ilay olona aminao ny toeran’ny masoandro any aminy, ka fantatrao avy amin’izany ny ora marina any. Azonao kajina tsara àry ny laharan-jarahasina misy azy.

Taonjato maro lasa izay, dia fantatry ny tantsambo avy amin’ny fijerena ny masoandro fa mitataovovonana eo amin’ny misy azy. Ho fantapantany ny laharan-jarahasina eo amin’ilay faritra, raha fantany koa ny ora any amin’ny toerana niaingany. Mety ho diso 50 kilaometatra eo ho eo monja izy. Mba hahazoana an’ilay loka voalaza tetsy aloha anefa, dia tsy tokony hihoatra an’io ny fahadisoan’ny kajy ataony rehefa avy nanao dia enina herinandro izy.

Sarotra ny namantatra ny ora tany amin’ny toerana niaingana. Nety ho nitondra famantaranandro be misy zavatra misavilivily ilay tantsambo. Tsy mandeha tsara izy ireny rehefa ahevahevan’ny sambo eny an-dranomasina. Tsy marina tsara koa ny famantaranandro misy resaoro sy kodia miady nify. Ankoatra izany, dia nisy fiantraikany teo amin’ny famantaranandro ny hafanana. Ahoana anefa ny amin’ny famantaranandro lehibe eny amin’ny lanitra, dia ny kintana sy ny volana?

Asa be ny nandinika ny kintana sy volana

Nanolo-kevitra ireo mpandinika ny kintana hoe hofantarina avy amin’ny halaviran’ny volana ny laharan-jarahasina. Nieritreritra ny hanao lisitra izy ireo mba hanampiana ny tantsambo hamantatra izany, avy amin’ny fandinihana ny toerana misy ny volana raha mitaha amin’ny kintana sasany.

Nitady hevitra foana ireo mpandinika ny kintana sy mpahay matematika ary tantsambo, nandritra ny zato taona mahery. Sarotra anefa ilay izy, ka tsy tafavoaka izy ireo. Lasa fomba fiteny tany Angletera mihitsy aza ny hoe “mamantatra ny laharan-jarahasina”, rehefa misy olana saro-bahana.

Niditra an-tsehatra ny mpandrafitra iray

Nanapa-kevitra ny hitady vahaolana ny mpandrafitra iray atao hoe John Harrison, avy any Lincolnshire, any Grande-Bretagne. Nanamboatra famantaranandro hazo misy zavatra misavilivily izy, tamin’ny 1713. Mbola tsy ampy 20 taona izy tamin’izay. Nahita hevitra hampihenana ny fifampikasohan’ireo kojakoja tao amin’ilay famantaranandro koa izy, ary nataony mahatanty hafanana ilay izy. Diso iray minitra isan’andro ny famantaranandro tsara indrindra tamin’izany. Ny an’i Harrison kosa diso iray segondra monja isam-bolana. a

Nifantoka tamin’ny fanamboarana famantaranandro manome ora marina any an-dranomasina i Harrison avy eo. Nikaroka nandritra ny efa-taona izy, ary nankany Londres nitondra ny voka-pikarohany tany amin’ny Filan-kevitra Momba ny Laharan-jarahasina. Izy io no notendrena hanome ilay loka. Nampifankahalalana tamin’i George Graham, mpanao famantaranandro malaza, izy, tany. Nampindram-bola azy tsy nisy zanany i George, mba hanamboarana ilay famantaranandro. Tamin’ny 1735, dia nampiseho ny famantaranandro voalohany manome ora marina any an-dranomasina i Harrison. Faly erỳ ireo mpahay siansa nalaza tany Grande-Bretagne nahita izany. Nilanja 34 kilao ilay izy ary nopetahana varahina namirapiratra.

Nentin’i Harrison teny an-dranomasina ilay famantaranandro mba hotsapaina. Nasaina nandeha nankany Lisbonne, any Portogaly, anefa izy, fa tsy tany Antilles araka ny notakina mba hahazoana an’ilay loka. Nandeha tsara ilay famantaranandro. Afaka nangataka avy hatrany hiampita ny Oseana Atlantika izy, mba hanaporofoana fa mendrika hahazo ilay loka ny famantaranandrony. Izy ihany anefa no nanakiana azy io, taorian’ilay dia. Fatra-pitady ny tonga lafatra izy, ka nieritreritra hoe mbola azony hatsaraina ilay izy. Nangataka fotoana àry izy mba hanamboarana tsara kokoa, ary vola kely fotsiny no nalainy.

Nahavita famantaranandro hafa i Harrison, enin-taona tatỳ aoriana. Nilanja 39 kilao izy io, ary nahitana fihatsarana. Tena tian’ireo mpahay siansa tany Grande-Bretagne izy io. Mbola tsy afa-po ihany anefa i Harrison, izay 48 taona tamin’izay. Nody tany aminy izy, ary nandany ny 19 taona nanaraka hanamboarana famantaranandro hafa tanteraka.

Nahita zavatra tsy nampoizina i Harrison, teo am-panamboarana an’ilay famantaranandro be fahatelo. Nanamboatra famantaranandro fanao am-paosy ny mpanao famantaranandro iray, ary ilay an’i Harrison no nataony modely. Noheverina fa marina kokoa noho ny famantaranandro kely ny famantaranandro be. Gaga anefa i Harrison fa marina tsara ilay kely. Nisy fitsapana indray natao tany amin’ny Oseana Atlantika, tamin’ny 1761. Tsy ilay famantaranandro fahatelo anefa no nentin’i Harrison tamin’io fa hafa. Namboariny avy tamin’ny modelin’ilay famantaranandro fanao am-paosy izy io, ary iray kilao no lanjany. Nilaza, hono, i Harrison hoe: “Tena misaotra an’Andriamanitra Mahery Indrindra aho fa mbola nomeny tombon’andro, ka afaka namita azy ity.”

Niharan’ny tsy rariny

Efa kely sisa tamin’izay, dia hahita fomba hamantarana ny laharan-jarahasina ireo mpandinika ny kintana. Ankoatra izany, dia mpandinika ny kintana i Nevil Maskelyne, lehiben’ny mpitsara, izay nanam-pahefana hanome ilay loka. Nentina namakivaky ny Atlantika nandritra ny 81 andro ilay famantaranandron’i Harrison. Nandeha tsara ve ilay izy? Tara dimy segondra monja. Nahemotr’ireo mpitsara ny fanomezana ilay loka. Nilaza izy ireo fa nisy fitsipika voadika, ary kisendrasendra fotsiny no naha marina an’ilay famantaranandro. Ampahan’ilay loka fotsiny àry no azon’i Harrison. Navoakan’i Maskelyne tamin’ny 1766 ny lisitra hanampiana ny tantsambo hamantatra ny laharan-jarahasina, avy amin’ny fandinihana ny toeran’ny volana. Ahafahana mamantatra ny laharan-jarahasina ao anatin’ny antsasak’adiny monja izy io. Natahotra i Harrison hoe halain’i Maskelyne ilay loka.

Tamin’ny 1772, dia nisy kapiteny anglisy, mpikaroka tany vaovao, atao hoe James Cook, nampiasa famantaranandro nalaina tahaka tamin’ilay namboarin’i Harrison. Nitantara izy taorian’ny diany faharoa, fa marina tsara tsy araka ny nampoiziny ilay izy. Tezitra be tamin’ny Filan-kevitra Momba ny Laharan-jarahasina i Harrison, izay 79 taona tamin’izay. Nitaraina tamin’ny mpanjakan’i Angletera àry izy. Nomena azy ny ambin’ilay loka tamin’ny 1773. Tsy nambara mihitsy anefa hoe izy no nandresy. Maty izy telo taona, tatỳ aoriana, tamin’izy 83 taona.

Vola 65 livres sterling dia nahazo famantaranandro manome ora marina any an-dranomasina, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Voavaha ihany ilay olana saro-bahana, noho ny fahaizana sy ny fikirizan’ny mpandrafitra iray.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Nandinika kintana sasany nandritra ny alina maromaro i Harrison sy ny rahalahiny, mba hijerena raha marina ny famantaranandro namboariny. Nomarihin’izy ireo hoe tamin’ny firy ireo kintana ireo no takona tao ambadiky ny fivoahan-tsetroky ny mpifanila trano taminy.

[Kisary/Sary, pejy 21]

(Jereo ny gazety)

Ilana famantaranandro ny famantarana ny laharan-jarahasina eo amin’ny misy anao

6.00 MARAINA 12.00 ANTOANDRO

AMERIKA AVARATRA GRANDE-BRETAGNE

[Sary, pejy 22]

John Harrison, mpanao famantaranandro

[Sary nahazoan-dalana ]

SSPL/Getty Images

[Sary, pejy 22]

Famantaranandro voalohany nataon’i Harrison, nilanja 34 kilao

[Sary nahazoan-dalana]

National Maritime Museum, Greenwich, London, Ministry of Defence Art Collection

[Sary, pejy 22]

Famantaranandro fahefatra nataon’i Harrison, nilanja iray kilao (tsy tena habeny io)

[Sary nahazoan-dalana]

SSPL/Getty Images

[Sary nahazoan-dalana, pejy 20]

Sambo: © Tate, London/Art Resource, NY; famantaranavaratra: © 1996 Visual Language