Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bara Vy Mamakivaky An’i Kanada

Bara Vy Mamakivaky An’i Kanada

Bara Vy Mamakivaky An’i Kanada

TSY nisy mponina ny ankamaroan’ny faritra tany Kanada, tokony ho 150 taona lasa izay. Hoy i Pierre Berton, mpahay tantara: “Nipetraka tany amin’ny toerana mitokana ny androatokon’ny tantsaha.” Ratsy be koa ny lalana, ka “tena sarotra ny nanao dia lavitra.” Nivaingana ny renirano sy ny farihy, nandritra ny dimy volana teo ho eo isan-taona, ka tsy azo niampitana.

Nahita vahaolana anefa ny Praiminisitra John Macdonald. Nilaza izy tamin’ny 1871 hoe aleo manamboatra lalamby mampifandray ny morontsiraka andrefana sy atsinanan’i Kanada. Efa nahavita lalamby toy izany i Etazonia tamin’ny 1869. Tsy nanam-bola firy anefa i Kanada. Ampahafolon’ny mponin’i Etazonia fotsiny koa ny mponina ao aminy, ary midadasika kokoa ny faritaniny. “Hevitra adaladala” no fahitan’ny mpanao politika iray an’ilay tetikasa. Hoy koa ny iray hafa: ‘Hilaza indray angamba izy amin’ny manaraka hoe andao hanamboatra lalamby mankeny amin’ny volana!’

Nandaniana vola be

Nampanantena anefa ny fanjakana fa hovitaina ao anatin’ny folo taona ilay lalamby. Nilaza i Sandford Fleming, injeniera ekosey, fa 100 tapitrisa dolara eo ho eo no ilaina. Vola be io tamin’izany. Fohy kokoa ilay lalamby raha ampandalovina any Etazonia. Hanatsotra zavatra koa izany. Nanantitrantitra anefa i Macdonald fa tokony ho ao anatin’ny faritanin’i Kanada ihany ilay lalamby, mba tsy hisian’ny olana rehefa misy ady.

Tsy te hiditra tamin’ilay tetikasa ny mpandraharaha maro, satria lafo be ilay izy sady tsy azo antoka. Nanaiky hanao an’ilay asa anefa ny orinasa mpanao lalamby tany an-toerana, tamin’ny 1875. Efa saika nitsahatra ilay izy, folo taona tatỳ aoriana. Nanana trosa 400 000 dolara ilay orinasa, ary tapitra tamin’ny 10 Jolay 1885 tamin’ny telo ora tolakandro ny fe-potoana tokony handoavany izany. Nanaiky hampindram-bola azy io anefa ny Antenimieran-doholona, adiny iray talohan’izay. Nitohy indray àry ilay asa!

Tsy mora ilay asa

Vao nangady 30 santimetatra fotsiny ireo mpiasa, tany amin’ny faritra avaratr’i Ontario, dia efa sendra vato be. Tsy maintsy nitaona tany avy lavitra àry izy ireo, mba hatao eo amin’ilay lalana. Nahatratra 47 degre ambanin’ny zero koa ny hatsiaka tany afovoan’i Kanada rehefa ririnina, ka niteraka olana hafa indray. Tsy vitan’izay, fa nahatratra iray metatra ny hatevin’ny ranomandry. Nila nanamboatra tionelina sy tetezana koa ireo mpiasa, rehefa tonga teo amin’ny Tendrombohitra Les Rocheuses. Voalaza anefa fa “toerana faran’izay nampidi-doza” izy io. Tsy maintsy niasa adiny folo isan’andro koa izy ireo, na teo aza ny orana sy ny fotaka ary ny lanezy.

Tonga tany Eagle Pass, Kolombia Britanika, ilay lalamby nony farany, tamin’ny 7 Novambra 1885. Tsy nankalazaina be anefa ilay izy. Nasiana gara tao ary Craigellachie no natao anarany. Anarana tanàna fanaovana tolom-bahoaka tany Ekosy ny hoe Craigellachie. Tolona mafy tokoa mantsy vao vita ilay lalamby. Hoy ny lehiben’ilay orinasa nanao azy io, rehefa nasaina nikabary: “Ny hany azoko ambara dia hoe: ‘Vita tsara ny asa rehetra.’ ”

Ny vokany teo amin’ny olona

Sinoa an’arivony no nentina tany Kanada mba hanao an’ilay lalamby mandra-pahavitany. Nampidi-doza anefa ilay asa, indrindra tany amin’ny Tendrombohitra Les Rocheuses. Betsaka koa ny mpiasa tsy nahangona vola hodiana, raha tsy taona maromaro taorian’ny nahavitan’ilay lalamby.

Lasa nisy orinasa sy mpivarotra tany amin’ny faritra andrefan’i Kanada vokatr’ilay lalamby. Nisy vokany ratsy anefa izany. Maro, ohatra, ny tanàna vaovao ka nisy tompon-tany voatery nafindra toerana. Nikatona koa ny bara sy ny fivarotana kely hafa teny amoron’ireo lalana falehan’ny olona. Nisy koa anefa ny lafy tsarany. Tsy nila nandeha tamin’ny lalana feno vovoka sy fotaka intsony ny olona, sady tsy nijaly be rehefa ririnina. Andro vitsivitsy koa dia efa tonga tany amin’ny faritra atsinanan’i Kanada ny sakafo avy tany Azia, izay tonga tamin’ny sambo tany amin’ny morontsiraka andrefana.

Mihavitsy izao ny mpandeha fiarandalamby, satria efa misy ny fiara sy ny fiaramanidina. Itaterana entana sisa no tena ampiasana ny fiarandalamby. Mbola maro anefa no tia mandeha amin’izy ireny, satria te hiala kely amin’ny fiainana an-drenivohitra. Mahazo aina erỳ ianao ao anatiny, sady mahatazana zavaboary kanto, manomboka any Toronto ka hatrany Vancouver. Natao hanafainganana ny dia ny fiarandalamby, fahiny, fa izao kosa natao handehanan’ireo te haka aina sy hilamindamina. Afaka misaintsaina ny tantaran’ilay bara vy mamakivaky an’i Kanada izy ireo amin’izay.

[Efajoro/Sary pejy 18]

FITORIANA ENY AMBONY FIARANDALAMBY

Mbola ny fiarandalamby no tena ampiasaina any ambanivohitr’i Kanada. Mandeha amin’izy ireny àry ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mankany, mba hitory ny Fanjakan’Andriamanitra. (Isaia 9:6, 7; Matio 6:9, 10) Hoy izy ireo: ‘Tsy sarotra ny mitory eny ambony fiarandalamby satria tian’ny olona ho fantatra hoe ho aiza ianao, ary inona no hataonao any.’

Nankany amin’ny foko ojibwa, akaikin’ny Farihin’i Nipigon, any amin’ny faritra avaratr’i Ontario, ireo Vavolombelona. Hoy ny iray: “Marina aloha fa nahavariana anay ny biby sy ny zavamaniry, nefa ny fitoriana nataonay tany no tena nahafinaritra. Tsy dia misy mpitsidika ny olona any, ka may erỳ hahita anay. Nisy nampindrana lakana anay. Rehefa avy nitory nandritra ny andro izahay, dia navela hampiasa maimaim-poana efitra tao amin’ny sekoly iray, mba hampisehoana video momba ny asa fitoriana eran-tany. Olona maromaro no tonga nijery.”

[Sary, pejy 16]

Atoa John Macdonald

[Sary, pejy 17]

Sarotra ny nanao an’ilay lalamby

[Sary, pejy 17]

Tsy maintsy nasiana tetezana sy tionelina izay toerana nisy tendrombohitra

[Sary, pejy 17]

Andro namitana tamin’ny fomba ofisialy an’ilay lalamby namakivaky an’i Kanada

[Sary, pejy 18]

Fiarandalamby mandeha eo amin’ilay lalamby ankehitriny

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

Ambony: Canadian Pacific Railway (A17566); afovoany: Library and Archives Canada/C-006513

[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]

Ambony, havia miankavanana: Canadian Pacific Railway (NS13561-2); Canadian Pacific Railway (NS7865); Library and Archives Canada/PA-066576; ambany: Canadian Pacific Railway (NS1960)

[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]

Ambony: Canadian National Railway Company; havanana: Courtesy VIA Rail Canada Inc.