Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha Hampitony ny Fo sy ny Saina

Miezaha Hampitony ny Fo sy ny Saina

Miezaha Hampitony ny Fo sy ny Saina

Feno loza sady mampiady saina ny fiainana ankehitriny. Efa nilaza mantsy ny Baiboly hoe “hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina.”—2 Timoty 3:1.

MORA vonoina kokoa ny afo kely noho ny afo midedadeda. Tsara àry raha tsy avela hitombo be ny adin-tsaina sy ny zavatra mahasorena. Milaza ny dokotera iray fa “tena ilaina ny manao zavatra mampitony ny saina sy ny vatana isan’andro, indrindra amin’izao fiainana mirotoroto izao.” *

Manaova àry zavatra isan’andro mba hampitony ny sainao sy ny vatanao. Lafiny roa no mahatsara izany: Voalohany, hihena kokoa ireo zavatra mety hahasorena na hampiady saina anao. Faharoa, ho hainao kokoa ny hiatrika an’ilay izy rehefa tsy azo ialana.

Inona no toro lalan’ny Baiboly manampy antsika tsy hiady saina loatra?

Saintsaino ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly

Mamelombelona sy mampahery ny mianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, satria ny hevitry ny Mpamorona no hita ao. Mirakitra tari-dalana sarobidy izy io, ary ahitana torohevitra maro be manampy antsika tsy hiady saina loatra. Tsy ‘hivadi-po na hihorohoro’ isika raha mampihatra izany, fa hahay hiatrika an’ireo zavatra mampanahy isan’andro.—Josoa 1:7-9.

Manampy antsika ho tony ny Baiboly, satria manome toky fa tena ‘be fitiavana sady mamindra fo’ i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra. (Jakoba 5:11) Hoy i Patricia, mpampianatra tao amin’ny oniversiten’i Kalifornia: “Misaintsaina ny fikasan’Andriamanitra sy ny zavatra tsara ataony aho. Izany no tena manampy ahy ho tony.”

Eritrereto izay nataon’i Jesosy Kristy. Tsara fanahy tamin’ireo nijaly sy niady saina izy, sady nampahery azy ireo. Hoy izy: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mavesatra entana, fa hamelombelona anareo aho.”—Matio 11:28-30.

Tsy mba nasiaka tokoa i Jesosy! Nihevitra izay nilain’ny mpianany kosa izy, ary nitsinjo ny fihetseham-pon’izy ireo. Nasainy niala sasatra mihitsy aza izy ireo, rehefa reraka avy nitory. (Marka 6:30-32) Efa Mpanjaka any an-danitra izao i Jesosy, ary afaka matoky isika fa mangoraka antsika izy rehefa trotraky ny adin-tsaina isika. Tsara fanahy amintsika izy ka manome “fanampiana amin’ny fotoana mety.”—Hebreo 2:17, 18; 4:16.

Miresaha amin’ny hafa

Tena mampitony ny fo sy ny saina koa ny miresaka amin’ny hafa. Hoy ny Baiboly: “Tsy tanteraka ny fikasana raha tsy misy resaka amim-pahatsorana, fa tanteraka kosa izany raha maro ny mpanolo-tsaina.” (Ohabolana 15:22) Betsaka no mahatsapa fa maivamaivana izy rehefa miresaka amin’ny vadiny, na namany, na mpiara-miasa.

Anisan’ny “resaka amim-pahatsorana” koa ny vavaka. Izany no tena mahasoa sy mora atao indrindra. Tsy ‘hanahy na amin’inona na amin’inona’ ianao, raha mivavaka tsy tapaka. Maro no nahatsapa “ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra”, rehefa nivavaka mafy. Voaro ny ‘fony sy ny sainy’, araka ny efa nampanantenain’ny Baiboly.—Filipianina 4:6, 7; Ohabolana 14:30.

Milaza ny boky iray fa “tony sy milamin-tsaina kokoa ny olona misy namana manohana, raha oharina amin’ny olona miezaka mamita samirery ny zava-drehetra.” Ireo mpivavaka amin’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, no namana tsara indrindra. Miara-mivory tsy tapaka sy mifampahery izy ireo, araka ny torohevitry ny Baiboly. (Hebreo 10:24, 25) Hitan’ny lehilahy iray fa mahasoa ireny fivoriana ireny. Hoy izy: “Miasa be loatra aho indraindray ka reraka be ny saiko. Misinda tsikelikely anefa izany rehefa mivory aho, ary maivamaivana erỳ aho avy eo.”

Miezaha koa ho tia vazivazy. Milaza ny Mpitoriteny 3:4 fa “misy fotoana itomaniana ary misy fotoana ihomehezana.” Mahafinaritra sy mahasalama ny mihomehy. Hoy mantsy ny dokotera iray: “Mamokatra andorfinina [hormonina mampitony] ny vatana rehefa mihomehy isika, fa mihena kosa ny adrenalinina.” Hoy ny vehivavy iray: “Manao zavatra mampihomehy ny vadiko rehefa ilay sorena be iny aho, dia misava ilay izy.”

Miezaha hanana toetra tsara

Mampirisika antsika haneho toetra tsara ny Baiboly, mba hanampiana antsika ho tony. Anisan’izany ny “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaran-toetra, finoana, fahalemem-panahy, [ary] fifehezan-tena.” Antsoina hoe “vokatry ny [fanahin’Andriamanitra]” ireo. Tokony hialana kosa ny ‘lolompo, fahatezerana, fahavinirana, filelalelana ary fanevatevana.’ Mampirisika antsika koa ny Baiboly mba ho ‘tsara fanahy amin’ny namantsika avy, ka hangoraka sy hifamela heloka tanteraka.’—Galatianina 5:22, 23; Efesianina 4:31, 32.

Tena ilaina ny mampihatra an’ireo toro lalan’ny Baiboly ireo, indrindra ankehitriny. Manamarina izany ny tenin’ity dokotera ity: “Tsy mora sorena ianao rehefa manaja sy mifandray tsara amin’ny hafa.” Manampy antsika koa ny Baiboly mba hanetry tena, ka hitadidy fa misy fetrany ny zavatra vitantsika.—Mika 6:8.

Tian’Andriamanitra hiaiky isika hoe voafetra ihany ny zavatra zakan’ny vatana sy ny saina ary ny fontsika. Tsy voatery ho vitantsika daholo koa izay tiantsika hatao. Tokony hiaiky àry isika rehefa tsy ho vitantsika intsony ny zavatra iray. Marina fa sarotra izany nefa mila atao.

Tsy midika anefa izany hoe rehefa mampihatra ny torohevitry ny Baiboly ianao, dia tsy ho sorena na hiady saina intsony, na koa hoe tsy hisy hampanahy na handreraka anao intsony. Ny mpanompon’Andriamanitra mantsy no tena ataon’i Satana Devoly misedra zava-tsarotra, satria te hanaporofo izy fa hivadika izy ireo rehefa misy olana lehibe. (Apokalypsy 12:17) Hitantsika teo anefa fa manampy antsika foana Andriamanitra, mba ho tony sy hahay hiatrika ny zava-misy. Maro tokoa ny fanampiana omeny, sady amin’ny fotoana ilana azy mihitsy. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Rehefa maharitra loatra ny adin-tsaina ka lasa mankarary, dia tsara ny manatona dokotera manokana.

^ feh. 20 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay andian-dahatsoratra hoe “Mirotoroto Lava ve ny Fiainanao?” ao amin’ny Mifohaza! Aprily 2010, sy hoe “Ahoana no Hanamaivanana ny Adin-tsaina?” ao amin’ny Mifohaza! 8 Septambra 2005.

[Efajoro, pejy 9]

TSY HO SORENA LOATRA IANAO RAHA...

● Tsy mitady ny tonga lafatra, aminao sy amin’ny hafa.​—Mpitoriteny 7:16.

● Izay zava-dehibe kokoa no ataonao aloha.​—Filipianina 1:10, 11.

● Manao fanatanjahan-tena tsy tapaka.​—1 Timoty 4:8.

● Mandinika ny zavatra noforonin’i Jehovah.​—Salamo 92:4, 5.

● Mitady fotoana mangina na toerana milamina tsindraindray.​—Matio 14:23.

● Miala sasatra sy manao ampy torimaso tsara.​—Mpitoriteny 4:6.

[Sary, pejy 7]

Mahasoa ny manokana fotoana iresahana amin’ny hafa

[Sary, pejy 7]

Tsy ho mora sorena ianao raha miezaka ho tsara toetra