Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Miezaha ho Akaiky An’i Jehovah Foana”

“Miezaha ho Akaiky An’i Jehovah Foana”

“Miezaha ho Akaiky An’i Jehovah Foana”

Fivoriamben’ny Vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah

● Natomboka tany Etazonia io fivoriambe maharitra telo andro io, ny 21-23 Mey 2010. An’arivony amin’izy io no hatao maneran-tany, mandritra ny volana maromaro. Hanomboka amin’ny 9.20 maraina, amin’ny alalan’ny mozika fanokafana, ny fandaharana amin’ny andro tsirairay. Nalaina tao amin’ny Salamo 73:28 ny foto-kevitry ny andro zoma hoe “Ny Manakaiky An’Andriamanitra no Tsara Amiko.” Aorian’ny lahateny fanokafana, dia hisy lahateny hoe “Manampy Antsika ho Akaiky An’i Jehovah Foana ny Fivoriambe”, sy hoe “Vonona ‘Hampiharihary’ ny Momba ny Ray ny Zanaka.” Hanaraka izany ny lahateny mifampitohy hoe “Tahafo Ireo Nifandray Akaiky Tamin’i Jehovah Foana.” Hiresaka momba an’i Abrahama, Rota, Hezekia, ary Maria izy io. Hamarana ny fandaharana maraina ny lahateny fototra hoe “Ahoana no Anatonan’i Jehovah Antsika?”

Hodinihina ny zoma tolakandro ny hoe “Valin’ireo Fanontaniana Momba An’i Jehovah”, sy hoe “Avelao Hamolavola Anao i Jehovah, ka Ekeo ny Fananarany”, ary hoe “Aza ‘Tezitra Amin’i Jehovah’ Mihitsy.” Avy eo, dia hisy lahateny mifampitohy misy fizarana dimy hoe “Ho Akaiky An’i Jehovah Foana ny Mpianakavy Raha Mifampiresaka.” Ireto avy no lohatenin’ny fizarana tsirairay: “Manome Modely i Jehovah!”, “Ry Lehilahy, Miresaha Amin’ny Vadinao!”, “Ry Vehivavy, Miresaha Amin’ny Vadinao!”, “Ry Ray Aman-dreny, Miresaha Amin’ny Zanakareo!”, ary “Rankizy, Miresaha Amin’ny Ray Aman-dreninareo!” Hamarana ny fandaharana ny zoma ilay lahateny hoe “Ahafantarana Momba ‘An’ilay Andriamanitra Velona’ ny Zavaboary!”

Avy ao amin’ny Ohabolana 3:32 ny foto-kevitry ny andro asabotsy hoe ‘Ny Olo-mahitsy no Manana Fifandraisana Akaiky Aminy.’ Hisy lahateny mifampitohy misy fizarana dimy ny maraina, izay hitondra ny lohateny hoe “Ampio ‘Hihavana Amin’Andriamanitra’ ny Olona.” Ireto avy no hodinihina amin’izany: “Lavitra An’Andriamanitra Sady Tsy Manana Fanantenana”, “‘Nanontany An’ireo Mpianany’ i Jesosy”, “Ahoana no Hatao Rehefa Miara-mitory Amin’ny Hafa?”, “Amin’ny Alalan’ny Fitondran-tena Tsara”, ary “Mazotoa ka Miezaha Hatrany.” Hanaraka izany ny lahateny hoe “Akaiky Kokoa An’i Jehovah Ireo Manompo Manontolo Andro” sy hoe “Tsy Misy Mahatafintohina An’ireo Tia An’i Jehovah.” Hamarana ny fandaharana maraina ny lahatenin’ny batisa, ary hatao batisa avy eo ireo mahafeno fepetra.

Hisy lahateny mifampitohy misy fizarana valo ny asabotsy tolakandro. Izao no hovelabelarina amin’izany: “Aza Avela Hampanalavitra Anao Amin’i Jehovah ny ezaka feno hafetsena ataon’i Satana”, “ny fireharehana”, “ny vola”, “ny fikarakarana fahasalamana”, “ny asa”, “ny fialam-boly”, “ny fianakaviana”, ary “ny fitaovana maoderina.” Hisy tantara henoina avy eo, hitondra ny lohateny hoe “Aza Kivy Raha Anarin’i Jehovah Ianao!” Hamarana ny fandaharana ny asabotsy ny lahateny hoe “Aoka Ianao ho Akaiky An’i Jehovah Foana, toa An’i Jeremia.”

Nalaina tao amin’ny Josoa 23:8 ny foto-kevitry ny andro alahady hoe ‘I Jehovah no Tokony Hifikiranareo Mafy.’ Aorian’ny hira sy ny vavaka fanokafana, dia hisy lahateny mifampitohy, hoe “Ankasitraho Ireo Toetra Tsaran’i Jehovah.” Toetrany valo no hodinihina amin’izy io: “Mora Hatonina”, “Mahay Mangoraka”, “Mahay Mankasitraka”, “Malala-tanana”, “Tsy Manavakavaka”, “Mamela Heloka”, “Mahay Mandanjalanja”, ary “Tsy Mivadika.” Hanaraka izany ilay lahateny ho an’ny besinimaro hoe “Inona no Hanampy Anao Hanatona An’Andriamanitra?” Hamarana ny fandaharana ny maraina ny famintinana ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana.

Hampiavaka ny fandaharana ny alahady tolakandro ilay tantara an-tsehatra hoe “Mandehana Amim-pinoana, fa Tsy Amin’ny Hitan’ny Maso.” Tantaran’ny Kristianina nandositra avy tao Jerosalema tamin’ny taonjato voalohany izy io. Hamarana ny fivoriambe ny lahateny hoe “Mijanòna Foana ‘ao Amin’ny Toerana Miafin’ny Avo Indrindra.’”

Manaova fandaharana dieny izao mba hanatrehana an’io fivoriambe io. Mankanesa any amin’ny efitrano fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah na manorata any amin’ny mpampanonta an’ity gazety ity, mba hahalalanao ny toerana hanaovana azy io akaiky anao indrindra. Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa ny lisitry ny toerana hanaovana ny fivoriambe eto Madagasikara. Ahitanao an’io lisitra io koa ao amin’ity adiresy ao amin’ny Internet ity: www.pr418.com.