Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Aho no Tokony Hitandrina Fahasalamana?

Nahoana Aho no Tokony Hitandrina Fahasalamana?

Manontany ny Tanora Hoe...

Nahoana Aho no Tokony Hitandrina Fahasalamana?

Asio ✔ eo akaikin’izay tanjona tianao hotratrarina.

Hihena

Hanatsara endrika

Hatanjaka kokoa

Hifantoka kokoa

Hilamin-tsaina kokoa

Tsy ho mora misafoaka

Hatoky tena kokoa

MISY zavatra sasany tsy azonao fidina, toy ny hoe iza no ho ray aman-dreninao, iza no ho iray tam-po aminao, na hoe aiza ianao no hipetraka. Tsy toy izany kosa ny amin’ny fahasalamanao. Mety hiankina amin’ny fototarazo sy izay fomba fiaina fidinao no hahasalama anao na tsia. *

Hoy angamba anefa ianao: ‘Izao sahady ve aho dia efa hiasa saina amin’ny fahasalamako?’ Jereo àry ireo tanjona maromaro etsy ambony. Firy no nomarihinao? Tsy maintsy salama tsara aloha ianao, raha te hanatratra an’izany.

Mety hitovy hevitra amin’i Annie, * 17 taona, ianao. Hoy izy: “Izaho ve dia tsy hihinana afa-tsy sakafo tsy matavy sy tsy misy siramamy ary sakafo vita amin’ny varimbazaha manontolo? Tsy vitako izany!” Aza matahotra raha izany no tsapanao. Tsy voatery hafana fo tafahoatra amin’ny fanatsarana ny bikanao ianao, na hifady zava-mamy, na hihazakazaka lavitra be isan-kerinandro. Angamba zavatra kely fotsiny no mila ahitsinao mba hanatsarana bika sy hahazoana aina tsara ary hahavitana tsara an’izay atao. Andeha hojerentsika izay nataon’ny tanora sasany.

Misakafo tsara mba hihatsara bika

Mampirisika antsika hahalala onony ny Baiboly. Hoy ny Ohabolana 23:20: ‘Aza mihinan-kanina be loatra.’ (Dikan-teny Anglisy Maoderina) Tsy mora foana izany.

“Noana foana aho, toy ny ankizy maro. Nolazain’i Dada sy Neny hoe tsy mahalala voky aho.”—Andry, 15 taona.

“Tsy hitako izay maharatsy ny sakafo sasany, satria tsy marary aho hatramin’izao.”—Danielle, 19 taona.

Mila mifehy tena kokoa ve ianao amin’ny sakafo? Diniho izay nolazain’ny tanora sasany hoe nahasoa azy.

Aza mihinana intsony rehefa voky. Hoy i Julia, 19 taona: “Zatra namatra ny sakafo nohaniko aho. Tonga dia tsy mihinana fotsiny anefa aho izao rehefa voky.”

Aza mihinana sakafo tsy mahasalama. Hoy i Peter, 21 taona: “Tsy nisotro sodà intsony aho, ka iray volana monja dia nihena 5 kilao.”

Ialao ny fahazaran-dratsy. Hoy i Evah, 19 taona: “Miezaka ny tsy hanampy aho, rehefa misakafo.”

Torohevitra mba hahombiazana: Misakafoana amin’ny fotoana tokony hisakafoana. Ho noana be ianao raha tsy misakafo, ka te hihinana tafahoatra avy eo.

Manao fanatanjahan-tena mba hahazo aina tsara

Hoy ny Baiboly: ‘Mahasoa ny fampiasan-tena.’ (1 Timoty 4:8) Tanora maro anefa no tsy dia tia manao fanatanjahan-tena.

“Tsy hino ianareo raha ilazako fa tamin’izaho tany amin’ny lise dia betsaka ny ankizy tsy nifindra kilasy satria ratsy ny naotiny tamin’ny ‘gym.’ Io anefa no taranja tsotra indrindra.”—Richard, 21 taona.

“Misy mieritreritra hoe: ‘Nahoana aho no hihazakazaka eny amin’ny hainandro be eny, ka ho tsemboka sy reraka? Olon-kafa anefa no manao izany ho ahy, amin’ny lalao video.’ ”—Rova, 22 taona.

Mandreraka anao ve na dia ny mandre hoe “fanatanjahan-tena” aza? Misy valisoa telo ho azonao anefa ireto, raha zatra manao fanatanjahan-tena ianao.

Valisoa #1. Hatanjaka kokoa ny hery fiarovanao. Hoy i Noro, 19 taona: “Matetika i Dada no milaza hoe: ‘Raha tsy manam-potoana hanaovana fanatanjahan-tena ianao, dia ho lany fotoana harariana.’”

Valisoa #2. Hisy zavatra simika mampitony havoakan’ny atidohanao. Hoy i Emily, 16 taona: “Mihazakazaka aho rehefa feno be ny lohako. Mamelombelona ahy sy mampilamina ny saiko izany.”

Valisoa #3. Ho falifaly kokoa ianao. Hoy ihany i Rova: “Ireto avy ny fanatanjahan-tena ataoko: Mandehandeha, milomano, mikorisa amin’ny lanezy, ary mitaingina bisikileta. Tiako tsinona ny manao zavatra an-kalamanjana.”

Torohevitra mba hahombiazana: Manokàna 20 minitra, fara fahakeliny, mba hanaovana an’izay fanatanjahan-tena tianao. Ataovy intelo isan-kerinandro izany.

Matory bebe kokoa mba hahavitana tsara an’izay atao

Hoy ny Baiboly: “Aleo fialan-tsasatra eran-tanan’ila, toy izay asa mafy eran-tanan-droa nefa toy ny misambo-drivotra fotsiny.” (Mpitoriteny 4:6) Tsy ho vitanao tsara izay ataonao, raha tsy ampy torimaso ianao.

“Tsy ao tsara ny saiko rehefa tsy ampy torimaso aho. Tsy mahavita mifantoka mihitsy aho!”—Noro, 19 taona.

“Reraka be aho amin’ny 2.00 tolakandro eo ho eo, ka rendremana na dia mifampiresaka amin’olona aza.”—Kristine, 19 taona.

Mila matory bebe kokoa ve ianao? Izao no nataon’ny tanora sasany:

Tsy matory alina loatra. Hoy i Catherine, 18 taona: “Miezaka aho mba hatory aloha.”

Mamarana ny resaka. Hoy i Richard, 21 taona: “Miantso ahy amin’ny alina be ny namako, indraindray, na mandefa hafatra. Nianatra nanapaka ny resaka anefa aho tato ho ato, ary tonga dia matory.”

Tsy manovaova ny fotoana hatoriana. Hoy i Jennifer, 20 taona: “Miezaka tsy manovaova ny fotoana atoriako sy ifohazako aho, tato ho ato.”

Torohevitra mba hahombiazana: Miezaha hatory adiny valo ka hatramin’ny adiny folo.

Inona amin’ireo lafin-javatra telo noresahina tato no mahakasika anao?

sakafo fanatanjahan-tena torimaso

Soraty eto ny tanjona iray azonao tratrarina mba hanampy anao hihatsara amin’io lafiny io.

․․․․․

Mila manao zavatra kely fotsiny ianao mba hikarakarana tena, dia efa handray soa maro. Tadidio fa hihatsara bika ianao, hahazo aina tsara, ary hahavita tsara an’izay ataonao, raha salama tsara. Misy zavatra tsy azonao anoarana eo amin’ny fiainana. Tsy toy izany anefa ny fahasalamanao, satria azonao hatsaraina. Hoy ihany i Evah: “Raha fintinina dia izao: Miankina aminao irery ny fahasalamanao.”

Hita ao amin’ny Mifohaza! koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Marina fa misy olona tsy afa-manoatra satria marary na manan-takaitra. Mety hanampy azy ihany anefa ity lahatsoratra ity.

^ feh. 13 Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.

ERITRERETO IZAO:

● Nahoana ianao no hatoky tena kokoa raha mitandrina ny fahasalamanao?

● Ahoana no ampisehoanao fa mahay mandanjalanja ianao rehefa mikarakara fahasalamana?—Filipianina 4:5.

[Efajoro/Sary, pejy 13]

NY HEVITRY NY TANORA TOA ANAO

“Toy ny fiara ny vatan’olombelona, ka ny tompony no tokony hikojakoja azy. Anisan’ny mahatonga ahy hanao fanatanjahan-tena izany.”

“Hazoto kokoa hanao fanatanjahan-tena ianao rehefa misy namana, satria tsy te handiso fanantenana an’ilay namanao.”

“Tiako be mihitsy rehefa avy manao fanatanjahan-tena aho. Vao mainka aho matoky tena rehefa hitako fa manatsara ny bikako izany.”

[Sary]

Ethan

Briana

Emily

[Efajoro, pejy 14]

‘NANOVA NY FOMBA FIAINAKO AHO’

“Efa botabota kely aho, tamin’izaho enin-taona. Nihinankinana tsindraindray aho tamin’ny voalohany, ary lasa nihinan-kanina foana tatỳ aoriana. Tsy nampiasa vatana mihitsy aho satria tsy tiako izany. Tsy tsikaritro akory hoe efa natavy loatra aho. Tsy tiako mihitsy anefa izany. Tsy tiako maizina ny bikako ary tsy azoko ny aiko. Niezaka nampihena tena aho ka nitandrina sakafo tsindraindray, nefa niverina tamin’ny habeko ihany aho. Tapa-kevitra àry aho tamin’izaho 15 taona fa hitady fomba mety tsara hampihenana tena, ary zavatra ho vitako mandritra ny androm-piainako no hataoko. Nividy boky momba ny sakafo sy ny fanatanjahan-tena aho, ary narahiko izay voalaza tao. Tapa-kevitra aho fa hiezaka foana, na dia mety tsy haharaka sy ho kivy aza, indraindray. Nandaitra tokoa ilay izy! Nihena 25 kilao aho, tao anatin’ny herintaona. Tsy niova ny lanjako nandritra ny roa taona. Tsy nampoiziko mihitsy izany! Tsy noho izaho nitandrina sakafo fotsiny angamba no nahatonga izany, fa noho izaho nanova ny fomba fiainako. Vonona ny hiova aho rehefa hitako fa hisy vokany eo amin’ny fiainako manontolo izany.”—Catherine, 18 taona.

[Sary, pejy 14]

Toy ny fiara ny fahasalamanao. Ho simba izy io raha tsy kojakojainao tsara