Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Nialako Ilay Asa Be Karama?

Nahoana no Nialako Ilay Asa Be Karama?

Nahoana no Nialako Ilay Asa Be Karama?

Notantarain’i Martha Teresa Márquez

TIAKO ny mihira ary efa nihira tao amin’ny radio mihitsy aza aho tamin’ny mbola kely. Tany amin’ny akanin-jaza fotsiny aho no nianatra. Nianatra nihira tamin’ny mpitarika ny orkesitra tao Mexico aho tatỳ aoriana.

Nisy namako mpandihy nampirisika ahy hanao an’ilay fifaninanana tao amin’ny La Rampa Azul tamin’ny 1969, tamin’izaho 24 taona. Nalaza io hotely fisakafoana sy fisotroana io tamin’izany. Ilay hira malaza hoe Cucurrucucú Paloma no nohiraiko ary tian’ny rehetra ilay izy. An’i Tomás Méndez, mpamoron-kira meksikanina io hira io. Lasa mpihira matihanina aho nanomboka teo. Nihira irery aho ary Romelia Romel no nahafantarana ahy.

Niara-niasa tamiko i Tomás Méndez sy ny mpamoron-kira ary mpanakanto meksikanina mahay, toy an-dry Cuco Sánchez sy Juan Gabriel. Faly erỳ aho nahita ny anarako tamin’ny dokam-barotra sy gazety ary gazetiboky. Nihira tany amin’ny toeram-pandihizana sy tao amin’ny radio aho, ary nitety an’i Meksika sy Belize. Niara-niasa tamin’i Leonorilda Ochoa, Meksikanina mpanao hatsikana malaza, koa aho. Vao nanomboka nandeha tamin’ny tele teto Meksika ny fandaharany tamin’izany.

Nihanalaza sy nihananan-karena aho ka nipetraka tao amin’ny trano mirenty ary nanan-javatra lafo vidy, toy ny firavaka sy akanjo volom-biby. Toa nanana ny zava-drehetra aho nefa tsy sambatra. Tsapako hoe nisy banga ny fiainako. Tsy sahy nandeha niangona aho, na dia notezaina tao amin’ny Katolika aza. Ratsy fitondran-tena aho ka tsapako hoe tena tsy mendrika.

Lasa tia an’i Jehovah aho

Namboraka ny tao am-poko tamin’i Lorena Wong, mpihira, aho tamin’izahay nanomana ny raki-kirako voalohany. Nilazako izy fa te hanao masera sy hanampy ny mahantra aho. Hoy izy: “Masera? Fa indrỳ ve adala e?”

Hoy izy avy eo: “Fantatr’indrỳ ve ny anaran’Andriamanitra?”

“Jesosy Kristy Tompo”, hoy aho.

“Tsy izany ka! Jehovah no anarany, fa Zanany i Jesosy”, hoy izy.

“Jehovah?”, hoy aho. Vaovao be tamiko izany. Nomen’i Lorena Baiboly aho, ary nampanantena izy fa halefany any amiko ny mpampianatra azy, izay Vavolombelon’i Jehovah. *

Isaky ny hitako i Lorena dia nanontaniako hoe: “Fa aiza ihany ilay mpampianatra e?” Tena te hianatra momba an’Andriamanitra aho.

Nanomboka namaky irery ny Baiboly aho ary hitako fa Jehovah tokoa no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Gaga aho! Hitako koa ny Didy Folo ary tena nanaitra ahy ilay hoe: “Aza manitsakitsa-bady.” (Eksodosy 20:14) Niara-niaina tamin’ny vadin’olona aho tamin’izany, ary izy no rain’ny zanako faharoa, izay valo volana. Efa nanan-janakalahy iray koa aho, ary tsy nanambady an’ilay rainy.

Nisy nandondòna tao am-baravarako, indray andro, tamin’izaho namerina hira. I Mauricio Linares mivady, izay mpampianatra an’i Lorena, izany. Nolazain’izy ireo tamiko ny fikasan’Andriamanitra momba ny olombelona ary nomeny ahy ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. * Tsy dia nahay namaky teny aho, nefa voavakiko indray alina ilay izy. Lasa tia an’i Jehovah aho nanomboka teo.

Nanova ny fiainako aho

Nanampy ahy hianatra Baiboly sy hamaky teny tsara ny Vavolombelona. Tsapako fa nila niova aho mba hampifaliana an’i Jehovah. Nariako daholo ny sary sy firavaka masina ary ody mahatsara vintana tao amiko, na dia volamena aza izy ireny.

Tena mafy tamiko ny hoe tsy hifoka na hisotro tafahoatra intsony. Nitelin-drora aho isaky ny nandalo fivarotan-toaka. Tsy maintsy nisaraka tamin’ny namako rehetra aho, satria omen-dry zareo toaka sady asainy any amin’ny hotely raitra mba hisotro sy hihinam-be. Fantatro fa tsy maintsy ho nisotro tafahoatra aho raha nankany.

Mafy tamiko koa ny tsy nankany amin’ny fetin’ny mpanankarena sy ny olo-malaza. Nasaina tany amin’ny aniverseran’ny mpanao ady totohondry malaza iray avy any Cuba aho, indray mandeha. Nivavaka aho tamin’izay hoe: “Ity no farany, Jehovah ô! Tsy handeha amin’ny fety toy izao intsony aho na hanao zavatra tsy tianao.” Ary iny tokoa no farany!

Nisarahako koa ny rain’ilay zanako faharoa, na dia nanan-karem-be aza izy, sady nampanantena ahy zavatra maro raha tsy nisaraka taminy aho. Mafy be tamiko izany satria tiako izy, ary fantany izany. Matin-kambo erỳ izy nilaza hoe: “Izaho ange no Kristy sy Andriamanitrao e!”

Namaly aho hoe: “Taloha angamba, fa efa i Jehovah izao no Andriamanitro.” Nandrahona ny haka an’ilay zanakay sy hamono ahy izy.

Nisy nilaza tamiko tamin’izany hoe toy ny asa rehetra ihany ny mihira, ka sady afaka mihira aho no ho Vavolombelon’i Jehovah. Nisy nampahatsiahy ahy anefa hoe: “Tsy hisy hiaro anao tsy hifoka na hisotro any, ary tsy hisy hiaro anao amin’ny fampirisihan’ny mpankafy anao mba haloto fitondran-tena.” Hitako hoe marina izany!

Tian’ny olona hokaramaina hiaraka aminy aho, tamin’izaho mbola mpihira malaza. Tapa-kevitra aho fa tsy hidi-kizo amin’ny fakam-panahy toy izany intsony. Nofoanako àry ilay fifanarahana hitety an’i Chine, tamin’ny 1975, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa aho, enim-bolana taorian’izay.

Zava-tsarotra sy fifaliana

Ahoana no namelomako ny fianakaviako? Zara raha nianatra aho ary tsy nahay afa-tsy ny nihira. Izaho no namelona an’i Irma, zokiko vavy, sy ny zanany telo, ary ny zanako roa lahy. Tsy maintsy nialanay ilay trano mirenty, ary nifindra tamin’ny trano nisy efitra kely roa izahay. Tena mafy izany satria voatery nihafy be izahay. Tezitra tamiko ny rahavaviko sy ny ankizy, ary nanery ahy hanohy hihira. Efa tapa-kevitra ny hanao izay hanompoana an’i Jehovah anefa aho.

Mba hivelomanay, dia namidiko ny zava-tsarobidy nananako, toy ny firavaka sy akanjo volom-biby ary fiara. Lany anefa ilay vola tatỳ aoriana. Nanadala ahy foana ny rain’ilay zanako faharoa, ka nifindra trano tany an-tanàna hafa izahay, tamin’ny 1981, mba tsy ho hitany intsony.

Nampianatra ahy hanao koban-katsaka misy hena sy sakafo hafa azo amidy ny Vavolombelona tany. Nahita asa tao amin’ny orinasa iray aho nefa niasa alina, ka tsy dia afaka nanatrika fivoriana sy nanompo an’Andriamanitra. Nialako àry ilay asa, ary nanao koban-katsaka misy hena aho. Nataoko tao anaty harona izy ireny, ary namidiko teny an-dalana. Izany no nivelomako, ka afaka mitory manontolo andro aho hatramin’izao.

Tsy nanenina mihitsy aho

Manontany izay tsapako ny olona rehefa niala tsy ho mpihira aho ka tsy be karama intsony. Lazaiko azy ireo fa tsy hatakaloko na inona na inona mihitsy ny fahalalako an’i Jehovah sy ny fikasany kanto. Faly aho nahita ny zanako nihanahalala ny Baiboly, sy nanokan-tena ho an’i Jehovah, ary nanambady Vavolombelona. Samy manampy ny zanany hanompo an’i Jehovah Andriamanitra izy ireo sy ny vadiny.

Efa ho 30 taona aho izao no mpisava lalana. Izany no iantsoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpitory manontolo andro. Nampian’Andriamanitra aho ka afaka nanampy olona maro hahalala ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly sy hanokan-tena ho an’Andriamanitra. Anisan’ny nampiako i Irma sy ny zanany vavy. Faly be aho rehefa mihaona amin’ireny olona nampianariko ireny, izay toy ny zanako. Mbola mandeha ao amin’ny fahamarinana mantsy izy ireny, ary mpisava lalana ny maro aminy. (3 Jaona 4) Efa 64 taona aho izao, ary olona 18 no ampianariko Baiboly.

Nisy banga ny fiainako tamin’izaho nihira, nefa afa-po aho izao. Tanteraka koa ilay faniriako hanampy olona satria mankatò an’ilay didin’i Jesosy mba ‘handeha hanao mpianatra’ aho. (Matio 28:19, 20) Tena faly aho fa nanohana ahy foana i Jehovah, hatramin’izay ka hatramin’izao. Nandramako ka hitako tokoa fa tsara izy.—Salamo 34:8.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Lasa Vavolombelon’i Jehovah i Lorena Wong, tatỳ aoriana.

^ feh. 15 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.

[Sary, pejy 25]

Ireo zanako sy ny vadiny ary ilay zokiko vavy miara-manao mpisava lalana amiko

[Sary, pejy 26]

Manao koban-katsaka misy hena aho ary mivarotra izany, mba hahafahako mitory manontolo andro