Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Reraka ny Vatana sy ny Saina

Reraka ny Vatana sy ny Saina

Reraka ny Vatana sy ny Saina

Inona no mitranga ao anatinao ao rehefa mihazakazaka manenjika bisy ianao? Miakatra ny tosidranao, ary midobodoboka be ny fonao. Miverina amin’ny laoniny anefa izany ary tsy sempotra intsony ianao, na dia tsy tratranao aza ilay bisy.

RAHA maharitra kosa ny toe-javatra mahasorena anao, dia mety tsy ho afaka vetivety ny vokany. Lasa mitebiteby foana, ohatra, ianao, tsy mahalevon-kanina, mihenjana ny hozatra, ary ambony ny tosidra. Mihamaro ny olona mahatsapa fa tsy mety tapitra ireo zavatra mahasorena. Mandreraka be, ohatra, ny asany, nefa tsy misy azony atao. Inona no vokatr’izany eo amin’ny fahasalamany?

Ny fomba fiasan’ny vatana

Manazava ny Dr. Arien van der Merwe fa avy hatrany dia mamokatra “hormonina sy zavatra simika be dia be ny vatanao”, rehefa taitra ianao. “Manomana ny taova rehetra hiatrika toe-javatra sarotra izy amin’izany.”

Lasa vonona hanao zavatra tsy mahazatra ny vatanao. Mailo daholo ny vavahadin-tsainao, anisan’izany ny maso sy ny sofina. Miasa haingana ny atidohanao, ary mamokatra hormonina matanjaka be ny vatanao. Velona daholo ny hozatrao. Miasa mafy kokoa ny fonao sy ny havokavokao ary ny taova hafa, mba hiatrehanao an’ilay zava-tsarotra.

Manampy anao àry ny vatanao rehefa misy loza, ary mety hamonjy ny ainao izany. Mahavita mitsambikina haingana, ohatra, ianao, raha misy fiara mitady handona anao. Mijaly anefa ny vatana raha miasa mafy foana.

Vokany eo amin’ny fahasalamana

Ahoana raha tsy tony foana ny vatanao? Mihenjana be ny hozatrao, midobodoboka be foana ny fonao, ary ambony ny tosidranao. Miakatra koa ny tahan’ny kolesterola, menaka, siramamy, hormonina, ary zavatra hafa, ao amin’ny ranao. Natao hiasa vetivety ireo zavatra simika ireo, rehefa misy toe-javatra tampoka. Manimba ny taova tena ilaina anefa izy ireo, raha ambony be foana. Inona avy no aretina aterak’izany?

Mety harary ny lamosinao, ny lohanao, ny hatokao, ary hivonkina ny hozatrao. Milaza ny dokotera fa izany no mpahazo ny olona sorena lava na miady saina foana. Lasa tsy mahay mikarokaroka sy tsy mahavita asa betsaka ny olona toy izany, sady malaindaina sy tsy mahay mifandray tsara amin’ny hafa. Anisan’ny voka-dratsiny koa ny aretim-pivalanana, ary ny aretin’ny lalankanina sy ny tsinay. Misy aza ratsy kokoa noho izany, toy ny aretim-po, aretin’ny voa, diabeta, na tapaka lalan-dra.

Hoy koa i Van der Merwe: “Mamokatra hormonina atao hoe cortisol ny vatan’ny olona miady saina lava, ka lasa misy tavy miangona eo amin’ny kibony sy ny lamosiny.” Matetika ilay olona no voan’ny aretin-koditra mitera-mena sy mangidihidy. Ketraka foana koa ny olona miady saina lava, sady lasa masiaka, ary vizana loatra ka mandraiky marary. Mety ho very tadidy sy tsy mahavita mifantoka intsony izy. Marefo ny hery fiarovany ka mora andairan’aretina izy. Mety ho sery fotsiny izany na ho kansera mihitsy.

Raha sorena lava na reraka loatra ianao, dia misy vokany amin’ny fo sy ny saina ary ny vatanao izany. Mety hanimba ny fifandraisanao amin’Andriamanitra koa izany. Marina fa ilaina ihany ny zavatra manaitra ny vatana sy ny saina, nefa tsy tokony ho tafahoatra. Tsara àry ny mandanjalanja.

Azo oharina amin’ny soavaly izany. Mahafinaritra erỳ ny mitaingina azy raha mandeha mora ilay izy. Raha mirifatra kosa ilay soavaly dia mety hampidi-doza. Toy izany koa fa mahaliana sy tsy mankaleo ny fiainana, rehefa mba misy zavatra mampiasa saina kely. Mandrisika antsika ho tia karokaroka sy hahavita zavatra izany, ary koa ho salama sy havitribitrika.

Ahoana àry no hahaizantsika mandanjalanja, mba hahafinaritra kokoa ny fiainantsika? Manome torohevitra azo ampiharina tsara momba izany ny lahatsoratra manaraka.

[Efajoro, pejy 5]

“MAHATALANJONA” NY NAMORONANA ANTSIKA

Nahoana ny vatantsika no mahavita manampy antsika hiatrika zava-tsarotra? Maro no mino fa nolovantsika avy tamin’ny olona rajako izany, satria natahotra mamota sy tigra lava vangy, hono, izy io. Diniho anefa ny firafitry ny vatantsika. Mahagaga, ohatra, fa lasa mandry ny ra rehefa maratra isika. Afaka miady amin’ny mikraoba ny vatana, ary manasitrana fery. Manampy antsika koa izy io rehefa misy loza na zavatra manaitra. Porofo izany fa misy Mpamorona hendry sy be fitiavana ary tena mahay nanao antsika.

‘Mahagaga sy mahatalanjona [tokoa] ny fomba nanaovana’ antsika! (Salamo 139:13-16) Be fitiavana Andriamanitra ka manome izay ilaintsika ara-batana sy ara-panahy. Hita tamin’ny namoronany antsika, fa tiany hankafy fiainana isika. Azo antoka àry fa ho foana ny fanaintainana sy alahelo ary fahafatesana, ao amin’ilay Paradisa an-tany hoavy.—Apokalypsy 21:3-5.

[Kisary/Sary, pejy 5]

(Jereo ny gazety)

OLONA MIROTOROTO SY SORENA LAVA

Marary andoha

Mampiady nify

Marary hatoka

Marary fo

Marary vavony

Marary lamosina

Mivonkina hozatra