Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Handoavam-bola ve ny Asa Mifandray Amin’ny Fivavahana?

Tokony Handoavam-bola ve ny Asa Mifandray Amin’ny Fivavahana?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Tokony Handoavam-bola ve ny Asa Mifandray Amin’ny Fivavahana?

SAMY mitaky vola ny mpitondra fivavahana any amin’ny tany maro, na ireo tsy Kristianina na ireo mitonona ho Kristianina, rehefa misy batisa na mariazy na fandevenana, na zavatra toy izany. Mety hahatratra ana hetsiny ariary na an-tapitrisany mihitsy ny vola alainy.

Karamain’ny fanjakana ny mpitondra fivavahana sasany, rehefa manao ny andraikiny amin’ny mpiangona sy amin’ny fankalazana samihafa. Mety ho tian’ny olona izany, sady ny fiangonana rahateo mila vola handoavana ny fandaniany. Andoavam-bola tokoa ny asan’ny mpitondra fivavahana, ary atao mihitsy aza izay hahatsapan’ny olona fa tsy maintsy mandoa vola izy. Mifanaraka amin’ny Baiboly ve izany?

“Trano fivarotana”

Nanararaotra nitady vola ny mpitondra fivavahana jiosy sy ny olon-kafa tamin’ny andron’i Jesosy Kristy, rehefa nisy fety ara-pivavahana, indrindra fa tamin’ny Paska. Tian’i Jesosy ve izany? Tsia! Milaza ny Baiboly fa “nararany ny vola madiniky ny mpanakalo vola sady nazerany ny latabany.” Hoy i Jesosy: “Aza atao trano fivarotana intsony ny tranon’ny Raiko!”—Jaona 2:14-16.

Nitovy tamin’izany ny zava-nitranga tamin’ny taonjato fahavalo Talohan’i Kristy, tamin’ny andron’i Mika mpaminany. Milaza ny Baiboly fa ‘nankahala ny rariny’ ny mpitondra fivavahana israelita, ary ny mpisorona kosa ‘nampianatra mba hahazoana karama.’ Mbola nolazain’izy ireo fa nanohana azy ihany anefa Andriamanitra. Hoy izy ireo: “Angaha moa tsy eto amintsika i Jehovah?” (Mika 3:9, 11) Tsy teo amin’izy ireo anefa i Jehovah Andriamanitra ary tsy nanohana azy. Halany kosa ny nataon’izy ireo ary naharihariny tamin’ny alalan’ny mpaminaniny izany.

Fetsifetsy sy tia vola toy izany koa ny mpitondra fivavahana maro ankehitriny, ka lasa “trano fivarotana” ny toeram-pivavahany. Samy manao raharaham-barotra avokoa ireo fikambanana ara-pivavahana, raha ny marina. Matetika izy ireo no mahazo tombony be rehefa mivarotra sary masina sy fitaovana isan-karazany ampiasaina amin’ny fivavahana. *1 Jaona 5:21.

“Efa nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana”

Naniraka ny apostoliny hitory ny vaovao tsara sy hanasitrana marary ary hanangana ny maty i Jesosy, ka nilaza hoe: “Efa nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.” (Matio 10:7, 8) Tsy nandray karama tamin’ireny asa ireny àry ny tena mpanara-dia an’i Jesosy. Tsy nangata-bola koa i Jesosy rehefa nanompo ny hafa, ka namela modely ho antsika.

Nanahaka an’i Jesosy ny apostoly Paoly, ka nataony “maimaim-poana” ny fanompoany. (1 Korintianina 9:18) Niasa izy rehefa nila vola, ka nanamboatra tranolay. (Asan’ny Apostoly 18:1-3) Afaka nilaza toy izao, momba azy sy ireo misionera hafa, àry izy: “Tsy toy ny maro izay mivarotra ny tenin’Andriamanitra izahay.” (2 Korintianina 2:17) Ahoana kosa no ahazoana vola hampiasaina eo anivon’ny fiangonana, ohatra hoe hividianana na hanofana toerana hivavahana?

“Ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra”

Fanomezana an-tsitrapo no ahazoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vola ilainy. Mampihatra an’ity toro lalana ity izy ireo: “Aoka ny tsirairay samy hanao araka izay fanapahan-keviny tao am-pony, tsy amin’alahelo na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.” (2 Korintianina 9:7) Tsy mitaky vola àry ny Vavolombelona rehefa manome boky sy gazety na manao asa hafa mifandray amin’ny fivavahana, toy izay atao rehefa misy batisa na mariazy na fandevenana. Afaka mandrotsaka vola ao amin’ny boaty ho an’ny fanomezana, any amin’ny toeram-pivavahany, izay maniry hanohana ny asa fitoriana ataony eran-tany.

Fanomezana an-tsitrapo no ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanorenany Efitrano Fanjakana, Efitrano Fivoriambe, biraon’ny sampana, toerana fanontam-pirinty, ary hanampiana tra-boina. Kely ihany no azon’ny sasany omena, toy ilay vehivavy mpitondratena mahantra noderain’i Jesosy. (Lioka 21:2) Misy kosa afaka manome betsaka. Samy afa-po sy tena tahin’Andriamanitra ary sambatra tokoa izay manaraka ny toro lalan’ny Baiboly ka manome araka izay ananany.—Asan’ny Apostoly 20:35; 2 Korintianina 8:12.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Inona no Lazain’ny Baiboly? Tokony Hampiasa Sary Masina ve Isika?”, ao amin’ny Mifohaza! Aogositra 2008.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

● Inona no nolazain’i Jesosy tamin’ireo nanao raharaham-barotra tao amin’ny tempoly?—Jaona 2:14-16.

● Nanaiky handray vola ve ny apostoly Paoly rehefa nanao asa mifandray amin’ny fivavahana?—2 Korintianina 2:17.

● Fanomezana manao ahoana no tian’i Jehovah?—2 Korintianina 9:7.

[Teny notsongaina, pejy 23]

“Aza atao trano fivarotana intsony ny tranon’ny Raiko!”—Jaona 2:14-16.