Topy Maso Eran-tany
Topy Maso Eran-tany
“Firenena valo no nanana fitaovam-piadiana niokleary 23 300 mahery, tamin’ny Janoary 2009.”—FIKAMBANANA IRAISAM-PIRENENA MIKATSAKA FANDRIAMPAHALEMANA ANY STOCKHOLM, SOEDA.
An’aliny ny lavadrano lehibe sy lavadrano ary paompy simba any Afrika. Fanampiana avy any ivelany no nanaovana ny maro taminy, ary natao vao haingana. “Tsy voakarakara izy ireny, nefa azo nosorohina tsara izany.”—FIKAMBANANA IRAISAM-PIRENENA MOMBA NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA, GRANDE-BRETAGNE.
Mitaratra Zanaka Mamota ny Mpahay Siansa
Afaka naka sary ny tao anatin’ny taovan’ny mamota ny mpahay siansa rosianina. Telo na efa-bolana ilay biby tamin’izy maty, ary tsy simba mihitsy ny vatany rehefa hita tao anaty gilasy, tany amin’ny faritr’i Iamalo-Nenets, any amin’ny Tendrontany Avaratra, any Rosia. Hoy i Alexei Tikhonov, tale lefitry ny Akademia Rosianina Momba ny Fandinihana ny Biby: “Io no tsara tahiry indrindra amin’ny mamota sy ny biby fahiny.” Tsy nisy simba ny vatany rehefa notarafina tamin’ny fitaovana fitarafana olombelona. “Tsentsin’ny” fotaka ny lalan-drivotra sy ny taovam-pandevonan-kaniny, ka nilaza ny mpahay siansa hoe “tsy maintsy ho maty an-drano” ilay mamota.
Taratasy Fisarahana Vita Haingana
Milaza ny gazety El Universal fa tato ho ato dia lasa mora ny misara-panambadiana, any Mexico. Nesorina tao anaty bokin’ny lalàna ireo antony 21 azo isarahana, tamin’ny 2008, anisan’izany ny fanitsakitsaham-bady sy ny herisetra. Izao fotsiny no mila atao: Mametraka vola Ar 800 000 eo ho eo any amin’ny kaontin’ny fanjakana, sy manao sonia taratasy iray nalaina tao amin’ny Internet milaza fa tsy tianao intsony ny vadinao, ary mandefa izany any amin’ny fitsarana. Tsy ilaina ny mankany amin’ny mpitsara. Roa ka hatramin’ny efa-bolana dia efa azo ny taratasy fisarahana, nefa aman-taonany izany vao azo taloha. Alamina any aoriana kokoa ny zavatra hafa, toy ny zo hitaiza zanaka sy ny vola omena ny vady ary ny fizaram-pananana.
“Haingana Noho ny Fiaramanidina Mpiady” ny Kôlibria
Raha ny halavan’ny kôlibria sy ny fiaramanidina mpiady no hikajiana ny hafainganam-pandehany, dia hita fa resy lavitra ilay fiaramanidina, hoy ny mpikaroka iray ao amin’ny Oniversiten’i Kalifornia, any Etazonia. Naka sary kôlibria lahy miaka-midina hisangy amin’ny vavy i Christopher Clark, ary nanao kajy. Hitany fa efa ho avo 400 henin’ny halavan’ny kôlibria lahy ny halaviran-dalana vitany isan-tsegondra, rehefa midina tampoka izy. Hoy i Clark: “Haingana noho ny fiaramanidina mpiady” mandeha mafy be izany. Rehefa tafidina ilay vorona ka hiakatra indray, dia mafy be ny hery misinton’ny tany mihatra aminy. Mbola tsy mafy toy izany ny hery misintona mihatra amin’ny mpanamory fiaramanidina, dia efa torana izy.