Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vorona Mpifindra Monina Tsy Avela Mandeha Lavitra

Vorona Mpifindra Monina Tsy Avela Mandeha Lavitra

Vorona Mpifindra Monina Tsy Avela Mandeha Lavitra

IREO izy dimy mianaka fa miomana hanao dia lavitra, ary manao veloma azy ny namany. Mijery farany an’ilay akany nahazatra azy izy ireo, ary lasa. Mitazana azy ireo ny namany. Mihamanalavitra ihany izy dimy mianaka, ary dify amin’ny farany.

Tany amin’ny Toerana Fiarovana Ibisy Mainty any Birecik akaikin’ny Reniranon’i Eofrata, any Torkia, no nitranga izany. Vorona atahorana ho lany tamingana antsoina hoe ibisy mainty ilay fianakaviana nandeha. Nasiana fitaovana kely mifandray amin’ny zanabolana ny tongotr’izy ireo, mba hamantarana an’izay toerana misy azy. Mpitsidika sy mpiasan’ilay toeram-piarovana kosa ireo namana nanao veloma. Manahy erỳ izy ireo sao tsy ho tafaverina intsony ireo vorona nifindra monina.

Vorona manao ahoana moa ny ibisy mainty? Aiza izy ireo no mifindra monina? Nahoana no tena mahaliana ny dian’izy ireo?

Vorona sola mpifindra monina

Mainty ny volon’ny ibisy fa somary manopy maitso sy volomparasy rehefa tarafin’ny masoandro. Mena kosa ny vavany sy ny hodiny, afa-tsy ny tampon-dohany. Misy volo ihany ny lohany raha vao foy izy, saingy mihintsana izany rehefa mihalehibe izy. Izany no iantsoana azy hoe ibisy sola, indraindray. Misy sanga an-katoka lavalava koa ny ibisy mainty.

Azo lazaina hoe lehibe ny ibisy rehefa telo na efa-taona. Velona 25 na 30 taona eo ho eo izy. Bibikely sy androngo ary biby madinika mampinono no fihinany. Tsy mihoatra ny telo ny atodiny isan-taona, ary mikotrika mandritra ny iray volana izy. Ny tena mampiavaka azy dia tokana ny vadiny mandritra ny androm-piainany. Misaona izy rehefa maty ilay vadiny. Misy, ohatra, tsy mety mihinan-kanina na mitsoraka avy eny ambony vato be, ka maty koa.

Talohan’ny taona 2000, dia nanao fety foana ny mponin’i Birecik rehefa niverina avy nifindra monina ny ibisy. Noraisin’ny olona ho famantarana izany hoe ho avy ny lohataona. Tamin’ny tapatapaky ny Febroary izy ireo no nanao fety. Nisy sambo nosarihana avy eo amin’ny Reniranon’i Eofrata ary nakarina an-tanety, narahin’ny mpively amponga sy ny mpanao kilalao isan-karazany.

Maro be ny ibisy tamin’izany, ka toy ny rahona mainty ngezabe rehefa tazanina. Nihena be anefa ny isan’izy ireo tatỳ aoriana, indrindra tato anatin’ny 50 taona. Efa nahatratra 1 000 na 1 200 teo ho eo ireo ibisy lehibe tao Birecik. Be dia be anefa no maty rehefa nanomboka nampiasa fanafody famonoana bibikely ny mpamboly, taorian’ny 1950. Vitsy kely izao sisa ny ibisy eran-tany.

Toeram-piarovana any Torkia

Naorina ilay Toerana Fiarovana Ibisy Mainty any Birecik, tamin’ny 1977. Navela hifindra monina foana ireo vorona tao isan-taona. Iray monja anefa no tafaverina tamin’ny 1990. Tsy navela nandeha intsony àry izy ireo. Nafindra tamina toerana nifefy sy nitafo izy ireo, rehefa tonga ny fotoana fandehanany, izany hoe ny Jolay ka hatramin’ny Aogositra. Tsy navoaka tao izy ireo raha tsy tamin’ny fotoana tokony hiverenany, izany hoe ny Febroary na Martsa.

Navela hifindra monina indray ny ibisy 25, tamin’ny 1997. Nampalahelo fa tsy nisy hita intsony izy ireo. Tsy navela nandeha àry ny sisa, nanomboka tamin’ny 1998. Nitombo ihany anefa izy ireo, ka efa misy zato latsaka ao amin’ilay toeram-piarovana.

Hanao ahoana ny hoaviny?

Mampalahelo fa roa tamin’ireo ibisy dimy mianaka voaresaka terỳ am-piandohana ihany no tafaverina. Nisy vitsivitsy navela handeha indray tamin’ny 2008, saingy tsy nisy niverina. Fantatra fa nianatsimo izy ireo ary tonga hatrany Jordania, saingy voapoizina ka maty. Marina fa mihamaro ny ibisy mainty ao amin’ilay toeram-piarovana. Miezaka miaro azy ireo koa ny manam-pahaizana sy mpitondra fanjakana. Mbola tsy azo antoka anefa ny hoaviny.

Tsy avela mandeha lavitra àry ny ibisy mainty, mba hiarovana azy. Hita anefa fa efa voajanahary aminy ny mifindra monina, ka tsy hadinony mihitsy. Mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly izany, satria hoy ny Jeremia 8:7: ‘Ny vanobe eny amin’ny lanitra mahalala tsara ny fotoana voatondro. Ary samy manaja tsara ny fotoana fahatongavany ny domohina sy ny sidintsidina ary ny tsikorovana.’

[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]

Havia: Richard Bartz; havanana: © PREAU Louis-Marie/age fotostock