Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Mitory Teny ve ny Vehivavy?

Afaka Mitory Teny ve ny Vehivavy?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Afaka Mitory Teny ve ny Vehivavy?

NILAZA toy izao ny vehivavy katolika iray, tao amin’ny gazety Etazonia Ankehitriny (anglisy): “Gaga sy tezitra aho satria tsy nisy na inona na inona niova. Mbola tsy tendrena ho mpitondra fivavahana ihany ny vehivavy ao aminay.” Olona maro no malahelo toa azy, satria afaka mitory teny na mitondra fivavahana ny vehivavy any amin’ny fivavahana hafa.

Samy milaza ho manaraka ny Soratra Masina, na ireo fivavahana mandrara ny vehivavy tsy hitory teny, na ireo fivavahana mamela ny vehivavy hitory teny eny ambony polipitra. Samy tsy eken’ny Baiboly anefa ireo fomba fihevitra ireo. Fa nahoana? Mba hamaliana izany, dia hodinihintsika aloha ny fomba ampiasan’ny Baiboly ny teny grika hoe diakônôs, izay ilazana matetika an’ireo olona manana andraikitra eo anivon’ny fiangonana.

Kristianina tamin’ny taonjato voalohany

Misy heviny maro ny hoe diakônôs ao amin’ny Baiboly. Rehefa niresaka momba an’i Foiby, vehivavy kristianina, ohatra, ny apostoly Paoly, dia niantso azy hoe “mpanompo [na diakônôs] ao amin’ny fiangonana any Kenkrea.”—Romanina 16:1.

Araka ny hevitrao, inona no fanompoana nataon’i Foiby? Nitsangana teo anivon’ny fiangonana tany Kenkrea ve izy, ary nitarika fotoam-pivavahana? Tsia! Nitory ny vaovao tsara izy. Nilaza i Paoly fa nisy vehivavy ‘niara-niasa taminy teo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara.’ (Filipianina 4:2, 3) Ahoana no nanaovana izany fitoriana izany?

Nitory “ampahibemaso sy isan-trano” izy ireo. (Asan’ny apostoly 20:20) Izany no tena fomba nanelezan’ny Kristianina voalohany ny vaovao tsara, na lahy izy na vavy. Mpitory teny izy ireo. Anisan’izany i Prisila. Nahita lehilahy iray natahotra an’Andriamanitra, ohatra, izy sy ny vadiny indray andro. Tsy mbola vita batisa ho Kristianina anefa izy io, ka ‘nohazavain’izy ireo taminy’ ny tena marina momba ny “lalan’Andriamanitra.” (Asan’ny Apostoly 18:25, 26) Mpitory teny nahay i Prisila, toa an’i Foiby sy ny vehivavy maro hafa.

Andraikitra mendri-kaja

Asa ambany ve ny fitoriana ary tsy dia zava-dehibe ka nasaina nataon’ny vehivavy? Fa ny fiandraiketana ny fiangonana kosa asa lehibe ka nasaina nataon’ny lehilahy? Tsy izany velively. Milaza mantsy ny Baiboly hoe tokony hitory ny Kristianina rehetra, anisan’izany ny lehilahy manana andraikitra lehibe eo anivon’ny fiangonana. (Lioka 9:1, 2) Ny fitoriana koa no fomba lehibe indrindra nanatontosan’ny lehilahy sy vehivavy kristianina an’ilay didin’i Jesosy hoe: ‘Ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ary ampianaro.’ (Matio 28:19, 20) Mbola tsy niova izany ankehitriny.

Manana andraikitra lehibe hafa koa ny vehivavy kristianina. Hoy i Paoly: ‘Aoka ny vehivavy zokiolona ho mpampianatra zavatra tsara, mba hanampiany ny vehivavy tanora hahatsapa tena ka ho tia vady aman-janaka.’ (Titosy 2:3, 4) Maro ny vehivavy matotra sy mahalala zavatra betsaka mahakasika ny fomba fiaina kristianina. Azon’izy ireny atao ny manampy ny vehivavy tanora kokoa sy tsy dia za-draharaha mba ho lasa matotra. Andraikitra lehibe sy mendri-kaja izany.

Fampianarana eo anivon’ny fiangonana

Tsy milaza mihitsy anefa ny Baiboly hoe nasaina nampianatra teo anivon’ny fiangonana ny vehivavy. Nandidy azy ireo kosa i Paoly mba ‘hangina mandritra ny fiaraha-miangona.’ Nahoana? Mba hatao “amim-pahamendrehana sy filaminana” ny zava-drehetra. (1 Korintianina 14:34, 40, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara) Ny lehilahy no notendren’Andriamanitra hampianatra ny fiangonana, mba hampandeha tsara ny zava-drehetra eo anivon’izy io. Mariho anefa fa tsy hoe notendrena hiandraikitra fiangonana ny olona iray satria fotsiny hoe lehilahy izy. Izay lehilahy tena nahafeno fepetra ihany no nahazo izany andraikitra izany. *1 Timoty 3:1-7; Titosy 1:5-9.

Manambany ny vehivavy ve ny andraikitra nomen’Andriamanitra azy ireo? Tsia. Tadidio fa notendren’i Jehovah Andriamanitra hanao asa lehibe izy ireo, dia ny hitory momba azy. (Salamo 68:11) Mpitory lehilahy sy vehivavy maro, eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah, no nanampy olona an-tapitrisany hibebaka sy hahazo famonjena. (Asan’ny Apostoly 2:21; 2 Petera 3:9) Tena zava-dehibe izany!

Samy manana ny andraikiny àry ny lehilahy sy ny vehivavy. Mampisy filaminana izany, sady mahatonga azy ireo hahatsiaro ho mendri-kaja. Diniho izao: Samy manao ny asany ny maso sy ny sofina mba hahafahan’ny olona iray hiampita arabe. Toy izany koa ny lehilahy sy ny vehivavy. Samy manao ny andraikitra nanendrena azy izy ireo rehefa manao ny sitrapon’Andriamanitra. Tahin’Andriamanitra ny fiangonana noho izany, ka lasa misy filaminana eo anivony.—1 Korintianina 14:33; Filipianina 4:9. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Mariho koa fa voafetra ny fahefan’ny lehilahy eo anivon’ny fiangonana. Eo ambany fahefan’i Kristy izy ireo, ary tsy maintsy manao zavatra mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly. (1 Korintianina 11:3) Tokony “hanaiky” ny mpiandraikitra hafa toa azy koa izy ireo, izany hoe hanetry tena sy vonona hiara-miasa.—Efesianina 5:21.

^ feh. 15 Modely ho an’ny anjely koa ny vehivavy kristianina, rehefa manaiky ny fahefana nomen’Andriamanitra an’ireo lehilahy eo anivon’ny fiangonana.—1 Korintianina 11:10.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

● Inona no fanompoana nataon’ireo vehivavy kristianina voalohany?—Asan’ny Apostoly 18:26.

● Iza no voatendry hiandraikitra ny fiangonana?—1 Timoty 3:1, 2.

● Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny fanompoana ataon’ny vehivavy ankehitriny?—Salamo 68:11.

[Teny notsongaina, pejy 29]

“Avy amin’i Jehovah izay zavatra holazaina, ary tafika lehibe ny vehivavy manambara ny vaovao tsara.”—SALAMO 68:11