Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Aza Manahy ny Amin’ny Ampitso’

‘Aza Manahy ny Amin’ny Ampitso’

‘Aza Manahy ny Amin’ny Ampitso’

Ketraka mafy i Rinah. Efa telo taona mahery i Maurice vadiny no tsy nanana asa raikitra. Hoy izy: “Nila tsy ho tantiko ilay izy. Tsy fantatro izay havoakan’ny ampitso, ka kivy be aho.” Te hampitony azy i Maurice, ka nilaza taminy hoe nahazo izay nilaina foana izy ireo hatramin’izay. Namaly i Rinah hoe: “Fa mbola tsy manana asa foana ange ianao e! Mila vola isika!”

TSY maintsy mitebiteby ny olona rehefa tsy an’asa. Lasa saina izy ireo hoe rahoviana no hahita asa. Ahoana no hivelomana mandra-pahita asa?

Ara-dalàna ny fanahiana toy izany. Nanome torohevitra afaka manamaivana ny tebiteby anefa i Jesosy Kristy. Hoy izy: ‘Aza manahy ny amin’ny ampitso. Ampy ho an’ny andro tsirairay ny ratsy mitranga eo aminy.’—Matio 6:34.

Inona no mampatahotra anao?

Tsy nilaza i Jesosy hoe tokony hatao toy ny tsy misy ny olana. Vao mainka hiampy anefa ny adin-tsainao androany, raha manahy momba izay mety hitranga rahampitso ianao. Tsy afaka manova izay mety hitranga rahampitso koa ianao, na zavatra tsara io na ratsy. Ny azonao atao dia ny miatrika izay mitranga androany.

Mora tenenina anefa izany, fa sarotra tanterahina. Nesorina tamin’ny asany, izay efa nataony 12 taona, ohatra, ny vadin’i Rebekah. Hoy i Rebekah: “Tsy misaina tsara ianao, rehefa mihetsi-po be. Tsy maintsy nandinika tsara anefa izahay. Niezaka nifehy ny fihetseham-poko àry aho. Hitako hoe tsy mahasoa ny manahy, satria tsy nitranga akory ny zavatra tena natahorako. Niezaka nifantoka tamin’ny zava-nisy sy niatrika ny olana nitranga izahay, ka nanampy anay tsy hiady saina izany.”

Eritrereto izao: ‘Inona no tena mampanahy ahy? Tena hitranga tokoa ve izany? Tsy reraka fotsiny ve aho mieritreritra izay mety hitranga sy tsy hitranga?’

Mahaiza mianina

Misy vokany amin’ny fihetseham-pontsika ny fomba fisainantsika. Mampirisika àry ny Baiboly hoe: “Raha manan-kanina sy fitafiana ary fialofana isika, dia aoka hianina amin’izany.” (1 Timoty 6:8) Ny hoe mahay mianina dia midika hoe mametra ny zavatra tiana ho azo, ary afa-po rehefa mahazo izay ilaina isan’andro. Tsy afaka hanana fiainana tsotra ianao, raha miezaka hahazo izay zavatra tianao foana.—Marka 4:19.

Nanjary nahay nianina tamin’izay nananany i Rinah, rehefa nijery ny zava-misy. Hoy izy: “Mbola tsy tapaka mihitsy ny jironay, ary nanan-kialofana foana izahay. Tsy zatra an’ilay fiainana tsotra fotsiny izahay taloha, ka izay no tena olana. Tena kivy aho tamin’izany, satria tiako ho hoatran’ny taloha ihany ny fomba fiainanay, na dia efa hita aza hoe tsy hety izany.”

Tsapan’i Rinah hoe ny toe-tsainy no olana, fa tsy ny toe-javatra nisy azy. Saika tsy tantiny ny zava-nisy noho izany. Hoy izy: “Tsy maintsy niezaka aho nijery ny zava-misy, fa tsy nanonofinofy momba ny fiainana tadiaviko. Hitako hoe lasa faly kokoa aho, rehefa niezaka nianina tamin’izay nomen’Andriamanitra isan’andro.”

Eritrereto izao: ‘Nahazo izay nilaiko ve aho androany? Raha nahazo aho, tsy tokony hianina amin’izany ve, ary hatoky fa mbola hahazo izay ilaiko koa rahampitso?’

Ny fananana toe-tsaina tsara no dingana voalohany hanampy anao ho zatra hanana fiainana tsotra kokoa. * Inona anefa no azonao atao, raha kely ny volanao, noho ianao tsy manana asa?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Misy hevitra afaka manampy anao hahita asa sy hateza amin’ny asanao ao amin’ny Mifohaza! 8 Jolay 2005, pejy 3-11.

[Efajoro, pejy 5]

Mahasoa ny Fikirizana!

Nitady asa nandritra ny herinandro maromaro i Alfred, nefa tsy nahita. Nihevitra izy fa tsy hahita mihitsy, ka niteny hoe: “Hoatran’ny hoe eo amin’ny fiandrasana bisy aho, ary miandry olona haka ahy, nefa tsy tonga mihitsy ilay olona.” Nanapa-kevitra àry izy fa hanao izay rehetra azony natao. Nandefasany fangatahana daholo ny orinasa, eny fa na dia ireo tsy tena mila ny fahaizany aza. Tsy nisy nataony an-tsirambina izay valin-teny azony. Niomana tsara izy isaky ny hoadinadinina. Nino mantsy izy hoe “ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto.” (Ohabolana 21:5) Hoy i Alfred: “Nanadinadina ahy indroa ny tompon’andraikitra maromaro tamin’ny orinasa iray, ary nototofany fanontaniana aho! Voaray ihany aho!” Nahasoa an’i Alfred ny fikirizany.

[Efajoro/Sary, pejy 6]

Sarobidy Kokoa Noho ny Vola

Inona no sarobidy kokoa: Ny toetra tsaranao sa ny volanao? Eritrereto ireto ohabolana ao amin’ny Baiboly ireto:

“Aleo olo-mahantra tsy mivadika toy izay olona fetsifetsy, na dia manankarena aza.”—Ohabolana 28:6.

“Aleo mihinana anana ao anatin’ny fifankatiavana, toy izay mihinana omby mifahy ao anatin’ny fifankahalana.”—Ohabolana 15:17.

Tsy hoe lasa tsy misy vidiny àry ny olona iray, na dia tsy manam-bola aza izy. Zava-dehibe foana ny toetra tsara ananany. Rehefa lasa tsy an’asa ny vadin’i Rinah, dia nilaza tamin-janany izy hoe: “Be dia be ny raim-pianakaviana mandao ny vady aman-janany, fa ny dadanareo kosa mbola eo foana. Tena tia anareo izy, ary efa nanampy anareo hiatrika olana be dia be. Aiza ianareo no hahita dada hoatr’izany!”