Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky Iray “Mirakitra Lesona Sarobidy”

Boky Iray “Mirakitra Lesona Sarobidy”

Boky Iray “Mirakitra Lesona Sarobidy”

● Nanoratra toy izao ny mpivady iray any New Hampshire, Etazonia: “Misaotra betsaka anareo izahay, noho ireo lahatsoratra maro natao ho anay mitaiza ankizy. Manan-janakavavy efa-taona atao hoe Sophia izahay. Toy ny hoe nampiofanina manokana izahay mba handentika fahamarinana lehibe ao an-tsainy sy ao am-pony, amin’izao izy vao miana-javatra izao.”

Hoy ihany izy ireo: “Mirakitra lesona sarobidy ho anay sy ny zanakay ilay boky hoe Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Ireo sary ao amin’ny toko farany no sarina paradisa kanto indrindra hitanay hatramin’izay. Mandinika an’ireo sary ireo foana ilay zanakay. Manampy azy hahalala ny fampanantenan’ny Baiboly izany.”

Mampiseho tsara ny fampanantenan’Andriamanitra ao amin’ny Teniny, ny toko farany amin’ilay boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Izao no lohateniny: “Afaka Hiaina ao Amin’ny Tontolo Vaovaon’Andriamanitra Ianao.”

Mitovy velarana amin’ity gazety ity io boky 256 pejy io. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ny tapakila eto ambany, ary alefaso any amin’ny adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso amin’ilay boky aseho eto aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.

[Sary, pejy 32]

Sary eo amin’ny pejy 254 amin’ilay boky