Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mahasoa An’ireo Marenina ny Mianatra Baiboly”

“Mahasoa An’ireo Marenina ny Mianatra Baiboly”

“Mahasoa An’ireo Marenina ny Mianatra Baiboly”

IO NO lohatenin’ny lahatsoratra iray tao amin’ny gazety ho an’ny marenina any amin’ny Repoblika Tseky. I Zdeněk Straka no nanoratra azy io. Noderainy ireo Vavolombelon’i Jehovah mianatra tenin’ny tanana mba hanampiana ny marenina.

Fa inona no nahatonga an’Atoa Straka hanoratra an’io lahatsoratra io? Nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah tao Prague izy, tamin’ny 2006, ary nadika ho an’ny marenina 70 teo ho eo koa ilay fandaharana. Mandamina fivoriambe eran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah, isan-taona. Afaka mifampahery ny rehetra any, sady mahazo fampianarana ara-baiboly. Tsy diso anjara amin’izany koa ny marenina. Indray taona, dia nisy 96 ny fitambaran’ireo fivoriambe natao manokana ho an’ny marenina, ary nisy 95 hafa kosa nadika tamin’ny tenin’ny tanana.

Nisy fiangonana iray mampiasa tenin’ny tanana tao Prague, ilay tanàna nanaovana fivoriambe tamin’ny 2006. Marenina 30 teo ho eo no nianatra Baiboly, ary nandray soa tokoa izy ireo. Ity misy ohatra iray.

Mandeha 100 kilaometatra isan-kerinandro i Markéta, mba hampianatra Baiboly vehivavy marenina iray avy any Mongolia. Tsy mitovy mihitsy ny tenin’ny tanana tseky sy mongol, ka tsy maintsy mitady hevitra i Markéta mba ho azon’ilay mpianany ny fianarana. Nisy vokany tsara izany. Nieritreritra ny hanala zaza ilay vehivavy rehefa bevohoka fanindroany. Tsy nesoriny indray anefa ilay zanany. Hoy i Markéta: “Rehefa nanontany azy aho, dia namaly tamin’ny tenin’ny tanana izy hoe ‘tsy tian’i Jehovah ny manala zaza.’ Faly aho fa takany hoe sarobidy amin’Andriamanitra ny aina!” *

Marenina maro eran-tany no lasa mahalala tsara an’Andriamanitra rehefa mianatra ny Teniny. Nihatsara àry ny fomba fiainan’izy ireo. Lasa akaiky kokoa an’Andriamanitra izy ireo sady falifaly kokoa eo amin’ny fiainana.—Isaia 48:17, 18.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Raha mila fanazavana fanampiny momba ny fanalana zaza, dia jereo ny Mifohaza! Jona 2009, pejy 3-9.

[Efajoro, pejy 26, 27]

FANTATRAO VE?

● Mamoaka DVD amin’ny tenin’ny tanana 43 ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy video ho an’ny marenina koa ao amin’ny www.pr418.com, ary azo adika izy ireny.

● Nanangana ekipa mpandika teny amin’ny tenin’ny tanana miisa 59 eran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hamokatra video ho an’ny marenina.

● Maherin’ny 1 200 ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah mampiasa tenin’ny tanana eran-tany.

[Kisary, pejy 26]

(Jereo ny gazety)

www.pr418.com