Mitandrema Rehefa Miakatra Tendrombohitra!
Mitandrema Rehefa Miakatra Tendrombohitra!
“Misy tandavan-tendrombohitra avo be antsoina hoe Pariacaca any Peroa . . . Antsoina hoe Tohatra ny faritra avo indrindra amin’izy io. Raha vao nanomboka niakatra teo aho, dia nanaintaina be ny vatako, ka te hitsoraka teny ambany aho. . . . Vetivety taorian’izay dia naloiloy be sy nandoa aho, ka noheveriko hoe ho faty. Angamba maty mihitsy aho raha mbola nitohy ilay fanaintainana, kanefa soa ihany fa adiny telo na efatra ihany ilay izy. Efa tonga teny amin’ny toerana ivaiva izahay tamin’izay.”—José de Acosta, nalaina tamin’ny boky hoe Tantaran’ny Zavaboary sy ny Fitondran-tenan’ny Olona tany Amerika Latinina (anglisy).
IZANY no nanjo an’ilay Zezoita espaniola antsoina hoe José de Acosta, tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-16. Noheverina hoe gazy misy poizina avy amin’ny mineraly teny an-tendrombohitra no nahatonga an’ilay fanaintainana, na koa hoe noho ny rivotra nalefan’ireo andriamanitra ratsy fanahy. Fantatra anefa ankehitriny fa aretina antsoina hoe soroche no nahazo an’i Acosta. Aretina mpahazo ny olona miakatra tendrombohitra izy io.
Kely ny oksizenina eny amin’ny toerana avo be, ka izay no mahatonga ilay aretina. Kely kokoa ny oksizenina voarain’ny havokavoka, rehefa eny. *
Matetika no manomboka marary ilay olona, rehefa afaka adiny efatra aorian’ny ahatongavany amin’ny toerana avo be. Mety haharitra iray andro ka hatramin’ny efatra andro ilay izy. Kely ny oksizenina ao amin’ny ra mandritra io fotoana
io, ka voatery mamokatra liomena bebe kokoa ny vatana. Ary rehefa betsaka kokoa ny liomena, dia mitombo ny oksizenina.Raha miakatra haingana loatra amin’ny toerana avo be anefa ny olona, na manao ezaka be loatra nefa mbola tsy zatra tsara, dia mety hisy ranoka miangona ao amin’ny havokavony na manodidina ny atidohany. Mahafaty izany raha tsy tsaboina.
Ahoana no hisorohana an’ilay aretina?
Maro ny zavatra efa nandraman’ireo mpianika tendrombohitra sy ireo mpanao dia lavitra, mba hisorohana na hitsaboana an’io aretina io. Ireto ny sasany amin’izany:
● Aza mandeha amin’ny toerana avo be, raha efa manana aretin’ny taovam-pisefoana ianao, na tsy ampy ra.
● Matetika no omena fanafody mampipipỳ, na mampitony fanaintainana, na fanafody hafa ny olona, mba hitsaboana an’ilay aretina, na hisorohana azy io. Mangataha anefa torohevitra amin’ny dokotera.
● Ny midina amin’ny toerana ivaiva no vahaolana tsara indrindra, rehefa mitranga ilay izy. Manaova mafana tsara rehefa midina, ary makà aina rehefa tonga.
Eny an-tendrombohitra no ahatazanana ny sasany amin’ireo faritra kanto indrindra eto an-tany. (Salamo 148:9, 13) Ho afaka hankafy an’izany ianao, nefa tsy harary, raha mitandrina tsara rehefa mandehandeha eny.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 4 Tsy marary ny ankamaroan’ny olona na dia miakatra hatrany amin’ny 2 400 metatra ambonin’ny haabon’ny ranomasina aza.
[Teny notsongaina, pejy 20]
Matetika no manomboka marary ilay olona, rehefa afaka adiny efatra aorian’ny ahatongavany amin’ny toerana avo be. Mety haharitra iray andro ka hatramin’ny efatra andro ilay izy
[Teny notsongaina, pejy 20]
Ny midina amin’ny toerana ivaiva no vahaolana tsara indrindra