Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Olona any An’ala” any Indonezia

“Olona any An’ala” any Indonezia

“Olona any An’ala” any Indonezia

IO IZY fa mijery anay avy eny ambony hazo. Hoatran’ny tsy hahazaka azy ilay rantsankazo satria ngeza be izy. Toa tsy taitra akory izy, fa izahay kosa variana be mijery azy. Io no biby lehibe indrindra monina an’ala!

Tena lehibe io karazana rajako io nefa malemy paika, ary tia mipetraka irery. Avy amin’ny teny indonezianina roa hoe orang sy hutan ny anarany, ary midika hoe “olona any an’ala.” Any amin’ny ala mikitroka any Bornéo sy Sumatra no misy azy. Ireo no nosy lehibe indrindra any Azia Atsimoatsinanana.

Tianao ho fantatra ve ny momba an’ireo rajako mahavariana ireo? Andao àry hiaraka aminay ho any amin’ny alan’i Bornéo.

Rajako be mena volo

Nankany amin’ny Valan-javaboarin’i Tanjung Putting izahay. Maro be ny karazam-biby ao. Misy rajako be an’arivony koa ao, ary ireo no tena mahaliana!

Niainga tao amin’ny fiantsonan-tsambo kely tao Kumai izahay, ary nitaingina klotok na lakana hazo misy maotera. Nanaraka an’ilay renirano foana izahay, ary niditra tsikelikely tao anatin’ilay ala matevim-be. Feno palmie lehibe teny amoron’ilay rano. Tony ilay izy nefa mainty sady misy voaibe. Nisy feo hafahafa nanakoako koa eran’ny ala, ka nidobodoboka erỳ ny fonay.

Nihosotra ody bibikely izahay rehefa tonga, ary nanavatsava an’ilay ala. Tsy ela dia hitanay ilay rajako lahy voaresaka tetsy aloha. Mena ny volony, ka toy ny varahina mamiratra rehefa tarafin’ny masoandro. Nofosana be izy, ka mahagaga ny mijery azy!

Mirefy 1,70 metatra ny rajako lahy lehibe rehefa mitsangana, ary milanja 90 kilao eo ho eo. Antsasak’izany ny lanjan’ny vavy. Misy takolaka fisaka sy mivelatra ny lahy rehefa lehibe, ka mitapelaka be ny tarehiny. Manana saoka be mitarozaka koa izy, izay ampiasainy rehefa mitrena mafy. Manao feo migoboka miverimberina izy indraindray. Tsy mahagaga raha antsoina hoe “antso lavareny” io feony io, satria maharitra hatramin’ny dimy minitra ary re hatrany amin’ny roa kilaometatra! Mitrena izy rehefa mitady vady na mandroaka rajako lahy fahavalony.

Eny ambony hazo ny fiainany

Nahita rajako maro nisavilivily teny ambony hazo izahay avy eo. Matanjaka be ny tanany sy ny tongony nefa tsy henjana, sady toy ny mifaingoka. Lava ny rantsantanany, fohy ny ankiben-tanany, ary vaventy ny rantsantongony. Kinga erỳ izy miampitampita eny ambony hazo, nefa tsy taitra akory.

Tena mahay miafina ny rajako mena, ka sarotra hita rehefa eny ambony hazo. Miadana be kosa izy rehefa mandeha amin’ny tany. Haingam-pandeha noho izy ny olombelona.

Eny ambony hazo ny ankamaroan’ny fiainany, ary izy ihany no karazana rajako manao an’izany. Matetika izy ireo no manamboatra fandriana vaovao isan-kariva, rehefa mody masoandro iny. Manangona rantsankazo sy ravina izy, ary ataony eo amin’ny sampana iray mahazaka azy, eny amin’ny 20 metatra eny ambony eny. Indraindray koa asiany “tafo” ilay izy mba hiaro azy amin’ny orana, nefa tsy manao an’izany mihitsy ny karazana rajako hafa. Dimy minitra ihany dia vitany izany rehetra izany!

Voankazo no sakafo tena tian’ny rajako mena. Tadidiny tsara hoe aiza no misy voankazo masaka, ary isaky ny inona. Mihinana ravinkazo, hodi-kazo, laingon-javamaniry, tantely, ary bibikely koa izy. Mampiasa hazo lavalava izy indraindray mba hisokirana tantely na bibikely avy ao anaty hazo. Misy karazany 400 mahery ny sakafon’ny rajako!

Nahita rajako nihinana akondro be dia be izahay rehefa nandeha kelikely. Nidanàka mihitsy izahay nijery azy ireo! Notezain’ny olona mantsy izy ireo teo aloha, izay vao nalefa tao an’ala. Tsy mahavita mamelon-tena irery toy ny rajako dia àry izy ireo, ka omena sakafo fanampiny.

Ny fomba fitaizan’ny rajako

Mahafatifaty erỳ ny rajako kely mamikitra amin’ny reniny. Ireo efa lehibebe kosa mipelipelika sy misangisangy, ka mbetika eny ambony hazo ary mbetika etỳ ambany. Velona 45 taona ny rajako vavy. Afaka miteraka izy rehefa feno 15 na 16 taona, ary fito na valo taona atỳ aoriana indray vao miteraka. Tsy mihoatra ny telo ny zanaky ny rajako vavy iray. Izy ireo no anisan’ny biby mampinono vitsy anaka indrindra.

Mahagaga fa tena tsy mifankafoy ny rajako kely sy ny reniny. Tezain’ny reniny sy ampiofaniny eny ny zanany mandritra ny valo taona na mahery. Mamikitra aminy foana ilay rajako kely, ny herintaona voalohany. Na aorian’izay aza, dia tsy misaraka mihitsy izy ireo, raha tsy efa teraka ny zandriny. Ny vavy mbola mijanona elaela eo amin-dreniny, mijery ny fikarakarany ny zandriny vao teraka.

Roahin’ny reniny kosa ny zanany lahy, raha vao teraka kelikely ny zandriny. Mirenireny irery any anaty ala izy, ka faritra 15 kilaometatra tora-droa eo ho eo no itadiavany sakafo. Ataony izay tsy hifanenana amin’ny rajako lahy hafa, ary rehefa hanao firaisana ihany izy vao mitady vavy.

Ny vavy kosa tsy mandeha lavitra loatra. Mety samy haka sakafo eo amin’ny hazo iray izy ireo indraindray, nefa tsy dia mifandray na tsy mifandray mihitsy. Mampiavaka ny rajako mena amin’ny karazana rajako hafa izany fiainana samy maka ho azy izany. Mbola nila nitsidika toerana iray izahay, mba hahafantarana kokoa an’ireo “olona any an’ala” ireo.

Efa ho lany tamingana

Misy toerana fitaizana sy fiarovana ary fanaovana fikarohana momba ny rajako mena ao amin’ilay valan-javaboary. Antsoina hoe Tobin’i Leakey izy io, araka ny anaran’ilay mpikaroka atao hoe Louis Leakey. Nahita rajako akaiky kokoa izahay tao. Nanatona anay mihitsy ny sasany ary nipaozipaozy teo alohanay teo, na nanao fihetsika toy ny manao fanatanjahan-tena. Nisy rajako vavy iray aza nisintona ny akanjon’ny namanay! Faly erỳ izahay niaraka tamin’ireo biby mahafatifaty ireo!

Nampitandrina anefa ireo tao amin’ny Tobin’i Leakey fa mihalany tamingana ny rajako mena. Milaza ireo mpiaro ny tontolo iainana fa sarotra be ho an’ny rajako dia izao ny mivelona any an’ala. Zara raha velona 10 taona any izy ireo, raha tsy misy miaro. Antony telo no tena mandrahona azy ireo.

Fandripahana ala. Simba tanteraka ny 80 isan-jaton’ny fonenan’ny rajako mena, tato anatin’ny 20 taona. Ala 51 kilaometatra toradroa no ripaka isan’andro any Indonezia, izany hoe toy ny kianja filalaovam-baolina dimy isa-minitra.

Fihazana. Mora azon’ny mpihaza ny rajako rehefa mihasimba ny fonenany. Lafo be no ivarotan’ny mpanao varo-maizina ny karandohan’ny rajako (136 780 ariary eo ho eo). Misy koa mamono azy ireo satria manimba voly, hono. Ny hafa indray mihinana azy.

Amidy mba hompiana. Rajako kely arivo eo ho eo isan-taona no amidin’ny mpanao varo-maizina. Mety hihoatra ny 10 000 dolara mihitsy ny vidiny.

Miezaka mafy miaro ny rajako ny fanjakana sy ny fikambanana samihafa. Manangana valan-javaboary, ohatra, izy ireo, arovany ny faritra sasany, rarany ny fandripahana ala, ary ampianariny hikajy ny tontolo iainana ny olona.

Milaza ny Baiboly fa ‘handringana izay manimba ny tany’ Andriamanitra, tsy ho ela, ary hataony paradisa ny tany. (Apokalypsy 11:18; Isaia 11:4-9; Matio 6:10) Ho tanteraka ny tenin’ny mpanao salamo hoe: “Aoka ny hazo rehetra any an’ala hihoby.” (Salamo 96:12) Tsy hampijaly biby intsony ny olona amin’izay. Hiaina am-piadanana àry ny rajako mena, ireo “olona any an’ala” any Indonezia!

[Sarintany, pejy 15]

(Jereo ny gazety)

MALEZIA

Bornéo

INDONEZIA

Sumatra

AOSTRALIA

[Sary, pejy 16]

Misy takolaka fisaka sy mivelatra ny lahy rehefa lehibe

[Sary nahazoan-dalana]

© imagebroker/Alamy

[Sary, pejy 17]

Kinga erỳ ny rajako rehefa eny ambony hazo, fa miadana be rehefa etỳ ambany

[Sary nahazoan-dalana]

Top: © moodboard/Alamy; bottom: Orangutan in the Camp Leakey of Tanjung Puting National Park, managed by BTNTP, UPT Ditjen PHKA Dephut

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

Orangutan in the Camp Leakey of Tanjung Puting National Park, managed by BTNTP, UPT Ditjen PHKA Dephut

[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]

Ambony: © moodboard/Alamy; ambany: Orangutan in the Camp Leakey of Tanjung Puting National Park, managed by BTNTP, UPT Ditjen PHKA Dephut