Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Reny Saika Tsy Navela Hitaiza ny Zanany

Reny Saika Tsy Navela Hitaiza ny Zanany

Reny Saika Tsy Navela Hitaiza ny Zanany

● Inona no tsapanao raha misy milaza fa tsy mahay mitaiza ianao? Ahoana raha lazainy fa tsy mahay mifandray aman’olona ny zanakao, sady tsy mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy, ary tsy dia mahira-tsaina, noho ny fomba itaizanao azy?

Izany no nitranga tamin’i Rosa López, reny manan-janaka roa vavy any Espaina. Nitory azy teny amin’ny fitsarana ny vadiny taloha, mba hahazoana alalana hitaiza ny zanak’izy ireo. Lazainy fa manimba an’ireo ankizy ny fitaizan’i Rosa azy amin’ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Lasa tsy mba mifandray amin’ny hafa, hono, izy ireo, sady tsy dia mahay any am-pianarana, ary tsy mahalala izay fitondran-tena mety sy tsy mety. Tsy nahazo rariny tany amin’ny fitsarana teo an-toerana ilay rangahy ka nampakatra tany amin’ny fitsarana ambony.

Miezaka ny tsy hiangatra ny fitsarana manao ny marina, rehefa mandinika hoe iza no hitaiza ny ankizy. Tsy miditra amin’ny resaka fivavahana izy, satria tsy ny finoan’ny olona no tsarainy. Dinihiny kosa hoe: Inona no tena mahasoa an’ilay ankizy? Misy vokany ratsy eo aminy ve ny fomba itaizana azy izao? Iza no tena afaka mikarakara izay ilain’ilay ankizy?

Nanendry manam-pahaizana manokana ny fitsarana nikarakara ilay raharaha mahakasika an’i Rosa, mba hanadihady an’ireo ankizy sy ny ray aman-dreniny. Hitan’ilay manam-pahaizana fa mandeha tsara ny fianaran’izy roa vavy, sy ny fiainany eo anivon’ny fiaraha-monina sy ny fianakaviana, nandritra ireo enin-taona nitaizan’ny reniny azy. Nilaza àry ilay mpitsara fa tsy hita soritra mihitsy hoe “nisy vokany ratsy teo amin’ny fihetseham-pon’ireo ankizy, na ny fianarany, na ny fifandraisany amin’ny hafa, ny nitaizana azy tamin’ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah.” Manamarina izany ilay fanadihadiana sy ny valin-tenin’ireo ray aman-dreny. Namoaka didy ilay mpitsara fa tsy ekena ny fiampangan’ilay rangahy. “Fomba fijeriny manokana [mantsy] ilay izy, ary tena tsy mitombina.”

Mitsara an-tendrony na nandre lainga ny olona sasany, ka milaza fa tsy voataiza “ara-dalàna” ny zanaka Vavolombelon’i Jehovah. Tsy hoe mijaly anefa ireo ankizy tezaina araka ny toro lalan’ny Baiboly. Voataiza tsara kosa aza izy ireo, mba ho lasa olom-banona sy mahay mandanjalanja ary tsara fanahy.—Efesianina 6:4; 2 Timoty 3:15-17.

[Sary, pejy 14]

Namoaka didy ny fitsarana fa mbola afaka mitaiza ny zanany roa i Rosa López