Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tsy Maintsy Manala Anao Izahay”

“Tsy Maintsy Manala Anao Izahay”

“Tsy Maintsy Manala Anao Izahay”

NANTSOIN’NY lehibeny hoe Alfred Mahay * izy. Noho ny hevi-baovao hitany, dia afaka nitsitsy vola be ny orinasa, tao anatin’ny enin-taona niasany tao. Rehefa nampiantso azy àry ny lehibeny, dia nanantena izy hoe hahazo fisondrotan-karama na toerana ambony kokoa. Tsy nampoiziny anefa fa nilaza ny lehibeny hoe: “Miala tsiny fa tsy maintsy manala anao izahay.” Voaroaka tamin’ny asany izy.

Hoatran’ny nilatsaham-baratra i Alfred. Hoy izy: “Tsara karama aho ary tiako ny asako. Vetivety teo anefa dia nanjavona izany!” Ankona koa i Adèle vadiny rehefa nilazany ny vaovao. Hoy i Adèle: “Tsy nahahetsika aho! Nieritreritra aho hoe: ‘Inona izao no hataonay?’”

Hita amin’ny sary etsy ambany fa olona an-tapitrisany no voaroaka amin’ny asany, toa an’i Alfred. Tsy ahitana ny ratram-po lalina ateraky ny tsy fananana asa anefa ny isa fotsiny. Diniho, ohatra, i Raúl, avy any Peroa. Niasa tao amin’ny hotely lehibe iray tany New York izy. Nesorina tamin’ny asany anefa izy, rehefa avy niasa tao 18 taona. Nitady asa foana izy taorian’izay, nefa tsy nahita. Hoy izy: “Nahavita namelona ny vady aman-janako foana aho nandritra ny 30 taona. Mahatsiaro ho toy ny lehilahy tsy mahavita azy anefa aho izao.”

Hitantsika fa tsy olana ara-bola fotsiny no atrehin’ny olona tsy an’asa, ary mahatsapa tsara an’izany ny olona efa niatrika izany. Miteraka fahaketrahana mafy ilay izy. Tsy an’asa nandritra ny telo taona mahery i Maurice. Hoy i Rinah vadiny: “Lasa tsisy dikany ny fahatsapako ny tenako. Rehefa tsy manana na inona na inona ianao, dia ataon’ny olona tsinontsinona, ary rehefa ela ny ela dia ianao mihitsy no lasa mihevi-tena ho tsisy dikany.”

Tsy maintsy mianatra mianina amin’izay vola kely eo am-pelatananao koa anefa ianao, rehefa tsy an’asa, na dia sarotra aza izany. Hoy i Alfred: “Tsy nieritreritra ny hitsitsy mihitsy izahay, tamin’ny mbola nanam-bola. Voatery nanatsotra ny fiainanay anefa izahay. Hitanay mantsy fa tsy ho voavidinay intsony ny zavatra sasany, noho izaho mbola tsy nahita asa.”

Mety ho mitebiteby sy miady saina ianao eo am-pitadiavana asa. Mety ho voatery hivelona amin’izay vola kely anananao koa ianao. Hodinihintsika àry aloha hoe inona no azonao atao mba hiatrehana ny tebiteby mahazo anao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Novana ny anarana sasany ato amin’ireto andian-dahatsoratra ireto.

[Tabilao, pejy 3]

(Jereo ny gazety)

Isan’ny Olona Tsy An’asa Tamin’ny 2008 Tany Amin’ny Firenena Telo Monja

Japon 2 650 000

Espaina 2 590 000

Etazonia 8 924 000