Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Voron-dranomasina Lehibe Indrindra!

Voron-dranomasina Lehibe Indrindra!

Voron-dranomasina Lehibe Indrindra!

NY LOHOVAVA no voron-dranomasina lehibe indrindra. Mahatratra telo metatra ny elany rehefa mivelatra, ary afaka manidina mihoatra ny 115 kilaometatra isan’ora izy. Toa mikaviavia ny fahitana azy etỳ an-tany, fa tena mahafinaritra kosa ny mitazana azy rehefa manidina.

Misy 20 eo ho eo ny karazana lohovava fantatra, ary eny amin’ny ranomasina manodidina an’i Nouvelle-Zélande no ahitana ny karazany 15 eo ho eo. Any Taiaroa Head ihany izy ireo no mikotrika, any amin’ny Ila Bolantany Atsimo. Any amin’ny faran’ny Saikinosy Otago no misy azy io, any amin’ny faritra atsimon’i Nouvelle-Zélande.

Misy karazana lohovava lehibe any, ary eo anelanelan’ny enin-taona sy folo taona izy no manomboka mikotrika. Afaka manatody foana izy mandra-pahafatiny. Tena ela velona anefa ny sasany, ka misy mahatratra 50 taona mahery! Manatody iray isaky ny roa taona izy ireo, ary any an-dranomasina izy no mipetraka mandritra ny taona tsy anatodizany. Matetika no iray monja ny vadiny mandritra ny androm-piainany.

Miara-manamboatra ny akaniny ny lohovava lahy sy vavy, manomboka ny Septambra. Manatody ny vavy rehefa tonga ny volana Novambra, ary mety hahatratra antsasa-kilao ilay atody. Mifandimby mikotrika mandritra ny telo volana latsaka kely izy mivady. Rehefa foy ilay atody eo am-piandohan’ny volana Febroary, dia mifandimby miandry sy mamahana an’ilay lohovava kely izy ireo. Trondro sy horita avy notsakotsakoiny no omeny an’ilay zanany. Mahatratra 12 kilao ny lanjan’ny lohovava kely rehefa feno enim-bolana. Mbola ngeza noho ny lohovava efa lehibe izany!

Mandao an’i Taiaroa Head izy mivady, rehefa afaka herintaona eo ho eo. Mipetraka any an-dranomasina izy ireo mandritra ny herintaona, ary avy eo mikotrika indray. Ary ahoana ny zanany mandritra izany? Mihamihena sy feno volo izy. Mianatra manidina koa izy mba ho afaka ho any an-dranomasina. Any izy no hipetraka mandritra ny taona maromaro. Miverina any Taiaroa Head indray izy rehefa mihalehibe. Mandany andro manamboatra ny volony izy rehefa any, ary mikarenjy sy mampidera ny fahaizany manidina. Ny lohovava lehibe kosa revo manamboatra akany sy mikotrika.

[Efajoro, pejy 25]

NIJERY ANDIANA LOHOVAVA

Efa tiako hatramin’ny mbola kely ny tantara momba ny lohovava, ka tena tsy andriko ny hahatongavana tany amin’ilay toerana misy an’ilay karazana lohovava lehibe. Nandrivotra be tamin’izay. Rehefa nanakaiky an’ilay toerana izaho sy ilay namako, dia nitazana teny amin’ny lanitra sao mba hahita lohovava manidina. Tsy diso fanantenana izahay. Ireny tokoa nisy lohovava maromaro nipoitra! Gaga izahay nijery ny fahaizany manidina!

Tonga tany amin’ilay toerana izahay avy eo, ary nitsidika azy io nandritra ny adiny iray, niaraka tamin’ny olona maromaro sy ny mpitari-dalana iray. Nisy sary sy horonan-tsary ary fanazavana naseho anay, ary fantatray tamin’izany hoe afaka mipetraka any an-dranomasina mandritra ny androm-piainany ilay karazana lohovava lehibe. Matory any mihitsy aza ny sasany! Tena mampitolagaga io vorona io, na rehefa eny ambony rano, na rehefa manidina. Mandrisika antsika izany mba hidera an’i Jehovah Andriamanitra, izay “namorona ny zava-drehetra”!—Apokalypsy 4:11.

[Sary, pejy 24]

Mifandimby miandry sy mamahana ny zanany ny lohovava lahy sy vavy, ary mety hilanja 12 kilao ny zanany rehefa feno enim-bolana

[Sary, pejy 24, 25]

Taiaroa Head, fonenan’ny karazana lohovava lehibe iray

[Sary, pejy 24]

Afaka mipetraka any an-dranomasina mandritra ny androm-piainany ilay karazana lohovava lehibe, ary misy aza matory eny

[Sary nahazoan-dalana, pejy 23]

Sary ambony: © David Wall/Alamy; sary ambany: © Kim Westerskov/Alamy

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Eo andamosina: © davidwallphoto.com; pejy 24, sary kely ambony: Tui De Roy/Roving Tortoise Photos; pejy 24, sary kely ambany: Courtesy Diarmuid Toman; pejy 25, lohavava manidina: © Naturfoto-Online/Wolfgang Bittmann