Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Fantatrao Momba ny Vavolombelon’i Jehovah?

Inona no Fantatrao Momba ny Vavolombelon’i Jehovah?

Nanoratra toy izao ny mpanao gazety iray any Danemark: “Betsaka ny zavatra novakiko tao amin’ny Internet momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Imbetsaka koa aho no nandre tsaho nataon’ireo olona nitsara an-tendrony azy ireo. Nanjary tena ratsy ny fiheverako azy ireo, noho izany”

NANADINADINA fianakaviana iray Vavolombelon’i Jehovah io mpanao gazety io tatỳ aoriana. Inona no vokany? Nanoratra izy hoe: “Tonga dia niova ny fiheverako azy ireo, raha vao niditra ny tranony aho! Tsy mahafantatra tsara azy ireo angamba ny olona. Mety hoe mora mitsaratsara azy ireo fotsiny koa isika rehetra. Toy izany aho taloha. Hitako anefa izao fa diso aho.”—Cecilie Feyling, ao amin’ny gazety Jydske Vestkysten.

Efa nifampiraharaha tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpanolo-tsaina ao amin’ny tranombarotra iray any Eoropa. Hitany hoe manao ny marina izy ireo, ka nitady Vavolombelon’i Jehovah izy hiasa ao aminy.

Ny fitoriana no tena ahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah. Hitan’izy ireo fa misy olona tia miresaka Baiboly, nefa misy koa tsy tia. Olona fito tapitrisa mahery, saika avy amin’ny firenena rehetra, no mianatra Baiboly tsy tapaka miaraka amin’izy ireo, ary lasa mpampianatra Baiboly mihitsy aza ny sasany. Nanao tatitra ny Filan-kevitry ny Fiangonana any Etazonia hoe amin’ireo fivavahana lehibe indrindra miisa 25, dia 4 ihany no nahitana fitomboana, ary anisan’izany ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nahoana no maro be ny olona mianatra Baiboly amin’izy ireo? Ahoana no fomba anaovana an’ilay fianarana? Tsy maintsy lasa Vavolombelon’i Jehovah koa ve izay mianatra? Na dia tsy te ho lasa Vavolombelon’i Jehovah aza ianao, dia afaka mahazo valiny marina tsara momba an’ireo. Aza mihaino tsaho aelin’ny olona mitsara an-tendrony, fa fantaro ny tena zava-misy. Hoy ny Ohabolana 14:15: “Ny kely saina mino ny teny rehetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.”—Fandikan-teny Protestanta.

Manantena izahay fa hanampy anao hahafantatra ny marina momba ny Vavolombelon’i Jehovah ity gazety ity. Na ny famakianao azy ity aza dia efa ahitana hoe malala-tsaina ianao. Nahoana raha jerena ao amin’ny Baibolinao * ireo andinin-teny, rehefa mamaky an’ity andian-dahatsoratra ity ianao? “Ambony saina” izay manao izany, araka ny lazain’ny Baiboly.—Asan’ny Apostoly 17:11.

^ feh. 7 Raha tsy manana Baiboly ianao nefa afaka mampiasa Internet, dia afaka mijery Baiboly ao amin’ny www.pr418.com, ao amin’ilay hoe “Vakio ato ny Baiboly.” Misy Baiboly sy boky ara-baiboly amin’ny fiteny 380 mahery koa ao.