Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Ahitanao Vahaolana?

Ahoana no Ahitanao Vahaolana?

Ahoana no Ahitanao Vahaolana?

RAHA mahatsiaro ho manirery ianao, dia mety hanampy anao ny mieritreritra hoe: ‘Misy zavatra azoko atao ve mba hanamaivanana ny fihetseham-poko? Sao dia misy zavatra tokony hahitsiko eo amin’ny fiainako?’ Mety hanampy anao handini-tena ireto fanontaniana ireto, ka hahita vahaolana mahafa-po ianao.

Tokony hanitsy ny toe-tsaiko ve aho?

Mety hahatsiaro ho manirery daholo na iza na iza. Rehefa tsy misinda mihitsy anefa izy io no tena lasa olana. Mety ho famantarana izany hoe misy tsy mety ny fiheveranao ny fiainana. Inona àry no mety mahatonga an’ilay olana? Mety ho avy amin’ny fihetsikao rehefa miaraka amin’ny hafa. Toy ny hoe manisy fefy manodidina azy, ohatra, ny olona sasany, na dia tsy fanahy iniany aza, ka lasa tsy te hinamana aminy ny hafa. Ny toe-tsaina fotsiny àry indraindray no mila ovana, dia ho voavaha ilay olana.

Hoy i Sabine, izay nifindra tany Angletera: “Rehefa mahazo namana vaovao ianao, dia mila fotoana elaela ianareo vao mifampatoky ka hahazo aina tsara rehefa miaraka. Mety ho azonao hanontaniana azy ny fomba nitaizana azy na ny mombamomba azy. Nisy olona nilaza tamiko hoe: ‘Tsy misy kolontsaina tsara kokoa noho ny hafa, fa izay lafiny hitanao hoe tsara indrindra amin’ilay kolontsaina alaina.’ ” Azonao atao àry ny mijery izay zavatra hitanao hoe mahasoa anao amin’ny kolontsain’ny hafa, toy ny nasaina nataon’i Sabine.

Mihatakataka amin’ny hafa ve aho?

Ilaina koa ny manontany tena toy izao: ‘Zatra mihatakataka amin’ny hafa ve aho? Mety hifandray kokoa amiko ve izy ireo raha sariaka aho?’ Raha hitanao hoe izany no mety hitranga, dia miezaha mba ho sariaka kokoa. Hoy i Roselise, vehivavy 30 taona, avy tany Goadelopy nifindra any Angletera: “Matetika no mitokantokana ny olona mahatsiaro ho manirery.” Nanoro hevitra àry izy hoe: “Jereo izay olona toa mahatsiaro ho manirery hoatr’anao, ka manatòna azy ary miresaha aminy. Fanontaniana iray fotsiny indraindray dia efa mahatonga ny olona ho mpinamana.”

Mila fotoana sy ezaka anefa ny olona roa vao ho lasa mpinamana akaiky. Fomba tsara hanombohana izany ny hoe mianatra mihaino. Raha mihaino tsara izay lazain’ny hafa ianao, dia ho fantatrao tsara ny zavatra mahaliana azy ka ho afaka hiresaka izany aminy ianao. Tadidio koa fa mahatonga ny olona iray hana-namana ny fahaizana miombom-pihetseham-po.

Ny fomba fiheverako ny tenako ve no olana?

Mety tsy hahazo namana ianao raha mihevi-tena ho tsy misy dikany. Eritrereto àry izao: ‘Moa ve aho mora mihevitra ny tenako ho tsy misy dikany?’ Niaiky toy izao i Abigaïl, ankizivavy 15 taona, avy any Ghana: “Mahatsiaro ho tsy tiana sy tsy misy dikany aho indraindray, ka lasa mahatsiaro ho manirery.” Matokia anefa fa raha miezaka manatona ny hafa ianao ary mitady fomba hanampiana azy ireo, dia tsy hahatsiaro tena ho tsy misy dikany. Mety ho te ho lasa namanao koa izy ireo avy eo. Nahoana àry raha ianao no miezaka voalohany?

Hanjary hinamana amin’ireo tsy mitovy taona aminao koa ianao raha manana toe-tsaina tsara. Mahasoa ny minamana amin’ny be taona kokoa na tanora kokoa noho ianao. Tena nanampy an’i Abigaïl ny ninamana tamin’ny olona be taona kokoa. Hoy izy: “Nandray soa avy tamin’ny traikefan’izy ireo aho.”

Mitokantokana ve aho?

Mahatsiaro ho maivamaivana ny ankamaroan’ny olona mahatsiaro ho manirery, rehefa mijery tele, na manao lalao video, na mampiasa ordinatera mandritra ny ora maro. Mahatsiaro ho manirery indray anefa izy ireny rehefa manapika an’ireo fitaovana ireo. Niaiky toy izao i Elsa, vehivavy 21 taona, any Paris: “Lasa toy ny zava-mahadomelina ny tele sy ny lalao video amin’ny olona sasany, ka tsy te hana-namana intsony izy.”

Tsy afaka mifandray amin’olona na mifanakalo hevitra na mahazo namana anefa isika, rehefa mijery tele. Toy izany koa ny lalao video. Mahatonga ny olona hieritreritra tontolo iray tsy misy akory izy io, tontolo iray manjavona rehefa vita ilay lalao. Mety hisy hieritreritra hoe hanadino ny zava-misy izy raha mikarokaroka ao amin’ny Internet, na dia tsy misy zavatra tena tadiaviny aza ao. Mety hahatonga azy hijery sary vetaveta anefa izany na hifandray amin’ny olona manafina ny momba azy. Tsy amin’ny Internet no fomba ahazoana namana tsara.

Maniry hanambady ve aho?

Mety ho te hanambady ny mpitovo sasany satria fotsiny hoe tsy te ho manirery intsony. Marina fa mitondra fifaliana lehibe eo amin’ny fiainana ny manambady olona tsara fanahy sy be fitiavana. Mitandrema anefa mba tsy ho maika handray fanapahan-kevitra lehibe toy izany.

Tsy voatery hoe ny manambady no vahaolana, rehefa mahatsiaro ho manirery. Voalaza mantsy fa “anisan’ireo olona manirery indrindra eto an-tany” ny mpivady tsy mahay mifampiresaka tsara. Mampalahelo fa mpivady maro no manana olana toy izany. Raha te hanambady àry ianao indray andro any, nahoana raha miezaka tsy hahatsiaro ho manirery dieny mbola tsy raiki-pitia amin’olona? Ho tsara fototra ny fanambadianao ka hanana tokantrano sambatra ianao, raha mbola mpitovo ianao dia efa manitsy ny toe-tsainao sy ny fahazaranao ary miezaka hahazo namana.

Afaka mandresy ianao

Mety tsy hisy vahaolana eo no ho eo raha mahatsiaro ho manirery ianao. Afaka mandresy anefa ianao raha manaraka ny tenin’i Jesosy hoe: ‘Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy koa.’ (Matio 7:12) Raha tianao ho sariaka aminao ny olona, dia tokony ho sariaka aminy ianao. Raha tianao hiresaka amim-pahatsorana aminao ny hafa, dia manaova toy izany aminy. Mety tsy hanao zavatra avy hatrany izy ireo, nefa mety hanao ihany any aoriana. Ary na tsy hanao mihitsy aza izy ireo, dia ho sambatra ianao, satria efa niezaka.

Hoy koa i Jesosy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Hahatsiaro ho sambatra kokoa ianao, ary angamba lasa hanana tena namana, raha mahafoy ny fotoananao mba hanampiana ny hafa. Ohatra hoe manampy ankizy hanao ny entimodiny, na miantsena ho an’ny be taona na manadio ny tranony na mikarakara ny zaridainany.

Ny fomba ahitana ny namana tsara indrindra

Misy fomba hafa koa manampy anao tsy hahatsiaro ho manirery. Aza mijanona ao an-trano. Mandehana mitsangantsangana eny amin’ny zaridainam-panjakana na mankanesa any ambanivohitra. Rehefa ianao irery no ao an-trano, dia manaova zavatra, ohatra hoe manjaitra, manao raharaha, manamboatra zavatra simba, na mamaky boky. Hoy ny olona iray: “Mampisava ny fahoriako rehetra ny famakian-teny adiny iray.” Maro no mahazo fampiononana rehefa mamaky ny salamo ao amin’ny Baiboly.

Hitan’ny mpikaroka koa fa mety hanampy anao ny fiarahana amin’ireo mitovy finoana aminao. Mety hanatsara ny fahasalamanao koa izany. Aiza no misy olona miezaka mampihatra ny Matio 7:12? Hoy ny lehilahy iray, tao amin’ny boky momba ny fivavahana: ‘Tena mifampatoky sy mifandray tsara ny Vavolombelon’i Jehovah.’

Nampahafantatra ny mampiavaka ny tena Fivavahana Kristianina i Jesosy, rehefa nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:35) Ny fitiavana no tena amantarana an’ireo anisan’ny fivavahana marina. Ny fitiavana an’Andriamanitra no voalohany, ary avy eo ny fitiavana ny mpiray finoana.—Matio 22:37-39.

Miezaha ho naman’Andriamanitra. Izany no vahaolana tsara indrindra. Tsy hahatsiaro ho manirery mihitsy ianao raha izy no namanao!—Romanina 8:38, 39; Hebreo 13:5, 6.

[Efajoro/Sary, pejy 8]

AHOANA NO NATAON’IZY IREO?

Anny, maty vady: “Miezaka hifehy ny fomba fisainako aho, ary miezaka hijery lafy tsaran-javatra.”

Carmen, mpitovo: “Nianatra tsy hifantoka tamin’ny lasa aho fa nandroso foana, ka nitady namana vaovao.”

Fernande, vehivavy maty vady: “Raha miezaka manampy ny hafa ianao, dia hanadino ny zava-manahirana anao.”

Jean-Pierre, mpitovo: “Mandeha mitsangantsangana foana aho. Manararaotra mivavaka sy mamboraka ny ato am-poko amin’Andriamanitra aho amin’izay.”

Bernard, maty vady: “Mitelefaonina foana ny namako aho. Tsy hoe mba hampahatsiahivana ny zavatra mampalahelo tamin’ny lasa akory, fa mba tiako fotsiny ny mifandray amin’izy ireo.”

David, mpitovo: “Na dia tiako aza ny mitokantokana, dia miezaka aho mba hiresaka amin’ny hafa.”

Lorenna, mpitovo: “Izaho mihitsy no miezaka manatona ny olona sy minamana amin’izy ireo.”

Abigaïl, 15 taona: “Miara-manao zavatra amin’ireo namako efa lehibe aho, ka mandray soa amin’ny traikefan’izy ireo.”

Cherry, mpitovo: “Hitako fa raha lazainao amin’ny olona hoe mahatsiaro ho manirery ianao, dia hiezaka kokoa hiaraka aminao izy ireo.”

[Efajoro/Sary, pejy 9]

TSY HAHATSIARO HO MANIRERY IANAO RAHA...

miezaka hanana toe-tsaina tsara

mametra ny fotoana ialana voly irery, toy ny fijerena tele

mitady namana mitovy zavatra tiana aminao, eny fa na dia tsy mitovy taona aminao aza izy

ary ny tena lehibe, miezaka ho naman’Andriamanitra

[Sary, pejy 7]

Miezaha hinamana amin’ny olona tsy mitovy taona aminao