Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Fitahiana Tsara Kokoa Noho ny Vola (Martsa 2009) Hita ao amin’io lahatsoratra io ilay tenin’i Kostas hoe: “Tsy tian’Andriamanitra hanan-javatra be loatra isika.” Araka ny hevitro, dia tsy mametra ny habetsahan’ny fananan’ny mpanompony i Jehovah, fa mila manao azy ho loha laharana fotsiny isika. Tsy mety ve ny hoe sady manan-javatra be loatra no tsy mivadika amin’i Jehovah?

J. D., Etazonia

Mamaly ny “Mifohaza!” hoe: Tsy mandrara ny fananana harena ny Baiboly. Nanan-karena ny mpanompon’Andriamanitra maro fahiny. (Genesisy 25:5; 26:12-16; Joba 1:1-3) Mila mitadidy anefa ny olona manankarena fa “ny fampideraderana fananana, dia tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao.” (1 Jaona 2:16) Nilaza koa ny apostoly Paoly fa ny ‘fitiavam-bola no anisan’ny fototr’izao karazan-javatra ratsy rehetra izao.’ Nomarihiny fa tsy niraharaha ny fifandraisany tamin’Andriamanitra intsony ny olona sasany fa te hanan-karena, “ka voavily niala tamin’ny finoana, sy nanindrona ny tenany tamin-javatra maro mampanaintaina.” (1 Timoty 6:10) Mazava ho azy fa tsy milaza ny Tenin’Andriamanitra hoe tokony hahatsiaro ho meloka ny mpanankarena satria mihoatra noho ny an’ny hafa ny fananany. Ampirisihina “ho tia manome” sy “ho vonon-kizara” ny Kristianina, na mahantra izy na manankarena.—1 Timoty 6:18.

Tsy Mahay Miteny Nefa Misy Mandre (Oktobra 2008) Tena mampahery ahy ny tantaran’i Hillary, izay voan’ny aretin’i Rett. Tsy afaka mahita, mandre, mandeha, miresaka, na mipetraka ny zafikeliko dimy taona. Mino aho izao fa misy zava-mitranga any amin’ny atidohany any rehefa mihira aho, na mamaky teny, na miresaka, na manotra azy. Nitomany aho rehefa namaky ny tenin’ny renin’i Hillary hoe: “Mahare ny zavatra lazainy i Jehovah, na dia tsy afaka mandre izany aza aho.” Lasa takatro fa fantatr’i Jehovah ny ao am-pon’ilay zafikeliko na dia tsy afaka miteny aza izy.

M. A., Japon

Efa 43 taona ny zanako vavy, nefa izay aho vao namaky lahatsoratra tena manazava ny manjo azy sy ny mahatonga ny kilemany. Miombom-pihetseham-po amin’i Hillary sy ny reniny ary ny rahavaviny aho. Tsapako tsara ny mahazo azy ireo, na dia an’arivony kilaometatra aza no manasaraka anay, ary mendri-piderana ny finoany sy ny fitiavany ary ny fiaretany.

T. Y., Ghana

Tsy Tena Mamaha Olana ny Fanalana Zaza (Jona 2009) Misaotra anareo aho noho ireo lahatsoratra maromaro momba ny fanalana zaza. Nanala zaza aho tamin’izaho 25 taona teo ho eo ary tena nanenenako ilay izy. Ho namoy fo aho raha tsy nahalala ny fahamarinana ankehitriny. Tena velom-pankasitrahana aho fa manana fanantenana ary mahafantatra fa mamela heloka i Jehovah.

Tsy mitonona anarana, Etazonia

Manontany ny Tanora Hoe... Ahoana no Hizakako ny Alaheloko fa Maty i Neny? (Aogositra 2009) Vao 22 taona aho. Kivy tanteraka aho tamin’i Dada maty, satria tampoka be izany. Halahelo azy aho amin’ireo fotoan-dehibe eo amin’ny fiainako, araka ny voalazan’ilay lahatsoratra. Efa telo taona izay no lasa nefa mbola tsy tena miverina amin’ny laoniny ny fiainako. Tena nampahery ahy anefa iny lahatsoratra iny. Sarotra ny nanaraka an’ireo soso-kevitra tao, nefa tena nahomby. Misaotra anareo aho amin’ny asa mafy ataonareo.

N. P., Frantsa