Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hafa Mihitsy Ireo Ankizy Ireo

Hafa Mihitsy Ireo Ankizy Ireo

Hafa Mihitsy Ireo Ankizy Ireo

● Mipetraka any Kurtovo Konare, any Boligaria, i Irena, mpianatra ao amin’ny kilasy T-8. Nomen’ny reniny an’ilay boky Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra ny mpampianatra azy, rehefa nifampiresaka izy ireo.

Taoriana kelin’izay, dia nasain’ilay mpampianatra nankeny aloha i Irena. Nohazonin’ilay mpampianatra ilay boky sady hoy izy: “Ianao no manazava lesona, androany. Misy toko nofidiko hovakinao ity, ary tiako hohazavainao ny fomba hampiharanareo mianakavy an’izay voalaza ao.” Izao no lohatenin’ilay toko: “Nahoana Aho no Tokony ‘Hanaja ny Raiko sy ny Reniko’?”

Nankeny aloha i Irena, ary nisy mpianatra nilaza fa tena hafa ny ray aman-drenin’i Irena. Nanapaka ny tenin’izy ireo ilay mpampianatra, ary niteny hoe: “Fantatrareo ve hoe nahoana ny fianakaviany no hafa? Satria mianatra Baiboly izy ireo. Efa nampianatra ny anadahiny aho, ary mbola tsy nahita ankizy tsara taiza sy manaja hoatran-dry zareo, hatramin’ny nampianarako.”

Nasain’ilay mpampianatra namaky i Irena avy eo. Rehefa voavakiny ny fehintsoratra iray manazava ny zo omen’Andriamanitra ny ray aman-dreny mba hametra fitsipika, dia hoy ilay mpampianatra: “Ahoana no hampiharanareo an’izany? Ataonareo ho toy ny lalàna daholo ve izay lazain’ny ray aman-dreninareo?”

Namaly i Irena hoe: “Samy manana ny hevitray izahay, nefa milaza ny Baiboly fa tokony hanaja sy hanaiky ny ray aman-dreniny ny ankizy, ary izany no ataonay. Mifampiresaka anefa izahay, ka samy afaka milaza ny hevitray.” Afa-po tamin’ny fanazavan’i Irena ny rehetra.

Raha te hanafatra an’io boky io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy 5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso an’ilay boky aseho eto aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.