Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Hira no Nanohina ny Fony!’

‘Hira no Nanohina ny Fony!’

‘Hira no Nanohina ny Fony!’

Nisy Kristianina efa be taona izay nipetraka tany Philippines. Juliana no anarany. Voan’ny aretin’i Alzheimer izy, ka very tadidy. Na ny zanany aza tsy fantany intsony. Nitsidika azy anefa aho isaky ny nandalo.

Tsy afa-nitsangana intsony izy, ka teo am-pandriana foana. Nitazana ny varavarankely no mba nataony. Sahirana aho niaraka taminy, satria tsy fantany intsony aho na dia nijery ahy aza izy. Nanontaniako izy hoe: “Mbola tadidinao ve i Jehovah?” Nitantarako zavatra izy ary nametrahako fanontaniana, nefa tsy namaly mihitsy sady hoatran’ny tsy azony akory izay nolazaiko. Farany aho nihira! Tsy nampoiziko ny vokany.

Nitodika tatỳ amiko i Juliana, ary nanaraka an’ilay hira! Tsy haiko daholo ny tonony, satria tamin’ny fiteny tagalog ilay izy. I Juliana kosa nanohy hatramin’ny farany, satria tadidiny daholo ireo andininy telo. Nirahiko haingana ilay namana niaraka tamiko mba hindrana fihirana tamin’ny Vavolombelona teo akaiky. Vetivety izy dia tonga. Tsy haiko ny laharan’ilay hira, nefa tonga dia hitako ilay izy rehefa navadiko ny fihirana! Naverinay hatramin’ny voalohany indray ilay hira. Nanontaniako i Juliana avy eo hoe mahatadidy hira hafa ve izy. Hiram-pitiavana tranainy iray no nataony.

“Tsy hira amin’ny radio, Juliana a”, hoy aho, “fa hira any amin’ny Efitrano Fanjakana!” * Nanao hira hafa tao amin’ilay fihirana indray aho, ary narahiny koa ilay izy. Lasa mirana ny endriny. Tsy nanjombona intsony ny masony, ary nitsikitsiky erỳ izy!

Gaga ny olona ka tonga hijery hoe iza izany mihira izany. Nitazana teo amin’ny varavarankely izy ireo, sady nihaino anay. Mahagaga hoe mozika no nanohina ny fon’i Juliana! Lasa nahatadidy tononkira izy.

Nandraisako lesona iny zava-nitranga iny. Misy olona tsy afaka miresaka na mampita hevitra. Mety hisy zavatra tsy ampoizinao anefa azonao ifandraisana aminy. Tsy hainao, fa mety ho hira no hanohina ny fony!

Fotoana fohy tatỳ aoriana, dia maty i Juliana. Nahatsiaro azy aho rehefa nihaino ireo hira vaovao navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 2009. Afaka manontany an’ireo Vavolombelona eo an-toerana ianao, raha tianao ny hahazo ilay raki-kira misy an’ireo hira kanto sy manohina ny fo ireo.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Toerana fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah.